19/08/2026
Soavatsara tena Andriamanitra ry Ambanilanitra.
Ny vary raraka an-keniheny hono ka ombay mitsimpona , ombay mitady ; fa na intelo misandratra aza ny avoko , ka intelo tsinana ny Alahamady , ny fitia aza mba atao lany, fa mifandimbiasa fitia : ny ray ho tia zanaka , ny zanaka ho tia ray , ny zoky ho tia zandry , ny zandry ho tia zandry ; fa ny fitia mifamaly no mahatsara fihavanana.
Izany hafatra izany no andeha hanafarana sy hiarabana anareo zandry rehetra izay nahavita fiofanana makasika ny kabary teto anivon'ny HASINA SY KOLONTSAINA MAHAGASY.
# ANDIANY VORONDREO
# NY MIFANKATIA NO MAHATSARA FIHAVANANA.