Hasina sy Kolontsaina Mahagasy HKM AEDM FDSP

  • Home
  • Hasina sy Kolontsaina Mahagasy HKM AEDM FDSP

Hasina sy Kolontsaina Mahagasy HKM AEDM FDSP Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Hasina sy Kolontsaina Mahagasy HKM AEDM FDSP, Nonprofit Organization, .

🌹🌹🌹
19/06/2026

🌹🌹🌹

🥳Fisaorana mitafotafo ho an'ireo mpandihy antsika avy ao amin'ny Hasina sy Kolontsaina Mahagasy HKM AEDM FDSP .
Nahafinaritra ary nitondra avo ny anaran'ny FDSP izy ireo ❤️

✨Tsy mijanona ny ezaka ao amin'ny klioba fa miroso hatrany! 🇲🇬Tamin'ny fihaonantsika farany teo, nomem-boninahitra manok...
03/06/2026

✨Tsy mijanona ny ezaka ao amin'ny klioba fa miroso hatrany! 🇲🇬
Tamin'ny fihaonantsika farany teo, nomem-boninahitra manokana isika nandray vahiny nampianatra antsika ny fitendrena ny Valiha, ilay zavamaneno nentim-paharazana tena reharehan'ny kolontsaina malagasy. 🎶
Teo ny fizarana traikefa, tsikitsiky, ary indrindra ireo tsiambaratelo kely nampitainy ho an'ireo mpikambana mba hifehezana ny fototra amin'ity zavamaneno ity. Tena fotoana nahafinaritra, feno hafanana ary nitondra fahalalana✨

✨Mankasitraka tanteraka an'i Kiajy Hanitriniaina✨

Dingana voalohany ihany iny niarahana taminy iny, fa mbola hitohy amin’ireo fotoana manaraka ny fampiofanana sy ny fandalinana miaraka aminy.
Misaotra ny rehetra ihany koa tamin'ny fahavitrihana, ary miomana sahady amin’ny tohiny! ✨

✨ Ho anareo Reny rehetra 🤱🏻Ianareo no herin’ny fianakaviana,Loharanon’ny kanto sy ny fitiavana.Ny fandeferanareo no loha...
31/05/2026

✨ Ho anareo Reny rehetra 🤱🏻
Ianareo no herin’ny fianakaviana,
Loharanon’ny kanto sy ny fitiavana.
Ny fandeferanareo no loharanom-pifaliana,
Ary ny teninareo no feno fahalemem-panahy sy fihavanana.
N’aiza n’aiza misy anareo, ry Reny malala,
Miezaka isan’andro, tsy mitsahatra mikolokolo.
Ny fo tsara fanahy, feno fahendrena sy mahalala,
No manome hery sy manova ny tontolo
Ny Hasina sy Kolontsaina Mahagasy dia miarahaba anareo 🫂
Reny mpankahery, reny mpanoro hevitra sy mpanorina.
Hafaliana sy fiadanana anie no hameno ny fiainanareo,
Ho feno tsiky sy jiro ny lalanareo rehetra voasorina✨

✨Tratry ny Fetin'ny Reny, ry Reny sarobidy rehetra✨

Hoy ny tenin-drazana : « Raha revom-potaka hono ,rano no manala azy ; Raha revon-teny , ny vava manala ; Fa raha revon'a...
29/05/2026

Hoy ny tenin-drazana : « Raha revom-potaka hono ,rano no manala azy ; Raha revon-teny , ny vava manala ; Fa raha revon'alahelo kosa ny havana no idodododoana. »
Mpimaso kely fotsiny ho an'ireto mafatifatyyyy kelinay ireto ao anaty izany hafatra izany😉💕
manan-kasina tsy very mandeha✊🇵🇱

✨"Tsy tapaka ny rohy, tsy mivaha ny fihavanana!"✨Mitohy hatrany ny fandalinana ny kanton’ny kabary 🗣️🎤 ato amin’ny kliob...
13/05/2026

✨"Tsy tapaka ny rohy, tsy mivaha ny fihavanana!"✨
Mitohy hatrany ny fandalinana ny kanton’ny kabary 🗣️🎤 ato amin’ny klioba. Toerana feno fifaliana sy finamanana foana ny eto amintsika, ary tena mahafinaritra ny miara-mizara izany fahalalana izany 🫂.

Arahaba tompokolahy, arahaba tompokovavy !✨Tratry ny P***a isika rehetra ✨ ! Rehefa avy mifaly amin'ny vatomamy sy ny fi...
05/04/2026

Arahaba tompokolahy, arahaba tompokovavy !
✨Tratry ny P***a isika rehetra ✨ !

Rehefa avy mifaly amin'ny vatomamy sy ny fiaraha-misakafo isika, dia andao kosa hamelona ny "Hasina sy Kolontsaina Mahagasy" 🇲🇬
Ny fety mandalo, fa ny maha-malagasy antsika kosa mitoetra. Te hahafehy ny kanton'ny kabary ve ianao? Na koa te hihomehy sady hiana-desona amin'i Ikotofetsy sy Imakaha?

Manasa anao ary amin'ny fotoanantsika manaraka ny Talata 07 Aprily 2026 :
➡️ Ny Kabary 🇲🇬🎤 : Hianarantsika ny Vohavaravarana (Ny kanto entina manokatra ny teny)
➡️ Ny Tantara 🇲🇬📖 : Hiditra ao anatin'ny tontolon'i Ikotofetsy sy Imakaha isika (Hafetsena sa fahendrena?)

📍Fotoana 🕑 : 2 ora tolakandro
📍Toerana 🏡 : AEDM

Tongava maro, fa ny tanora mahalala ny kolontsainy dia tanora manana ho avy ! ✨

✨ Tontosa soa aman-tsara ny fivorian’ny klioba "Hasina sy Kolontsaina Mahagasy" androany ✨Fotoana feno fianarana sy fifa...
31/03/2026

✨ Tontosa soa aman-tsara ny fivorian’ny klioba "Hasina sy Kolontsaina Mahagasy" androany ✨

Fotoana feno fianarana sy fifampizarana no niainan'ny mpikambana.
📍Tao ny fianarana kabary, izay tsy fahaizana miteny fotsiny ihany fa kanto, fanajana, ary fahaizana mandresy lahatra. ny fianarana kabary, izay tsy fahaizana miteny fotsiny ihany fa kanto, fanajana, ary fahaizana mandresy lahatra.
📍🌞 Nitohy tamin’ny tontolon’ny "Vintana" ny resaka 🌝. Fotoana namantarana ny dikan’ny andro sy ny tonon’andro, ary ny herin’ny "Volohazo" eo amin’ny fiainan’ny malagasy 🌿. Maro ny zava-baovao hita sy nahavariana.
Mihoatra noho ny fianarana fotsiny ny fotoana nifankahitan’ireo mpankafy ny kolontsaina anio. Fifanakalozan-kevitra malalaka sy fahafinaretana no nanjaka !

💡 Te hanatevin-daharana anay ve ianao? Isaky ny talata amin'ny 2 ora tolakandro ny fotoanantsika ! Aza avela ho lany tamingana ny hasina sy ny kolontsaina ! Mbola misokatra ho an'ny rehetra hatrany ny klioba, koa manasa anareo izahay ✨

🌕 Vintana sy Volohazo 🌿 : Rehefa ny fomban-drazana no mihaona amin’ny ho avy. Satry foana ny hanome ny tsara indrindra h...
30/03/2026

🌕 Vintana sy Volohazo 🌿 :

Rehefa ny fomban-drazana no mihaona amin’ny ho avy.
Satry foana ny hanome ny tsara indrindra ho an'ny kolotsaina. Satria ny "Vintana" no mibaiko ny lalantsika, ary ny "Volohazo" no mariky ny fahatanjahan’ny faka sy ny fanantenana vao mitsiry.
Fifangaroan’ny taloha sy ny ankehitriny, natao ho anao izay tia ny kanto sy ny maha-malagasy. Haingo, kanto, ary traikefa tsy manam-paharoa no miandry anao.

✨Manasa anareo ary izahay, tongava mitsidika fa tsy hanenenana ! ✨

📍Talata 31 Martsa 2026
📍Toerana : ao @ salle d'études - AEDM
📍Fotoana : @ 2 ora tolakandro

Efa vonona ho antsika sahady ny tapakila ooo 😍✨ Ndao ary hiaraka hifety isika rehetra tsy hankanavaka ny 16 mey 2026 🌹  ...
21/03/2026

Efa vonona ho antsika sahady ny tapakila ooo 😍✨
Ndao ary hiaraka hifety isika rehetra tsy hankanavaka ny 16 mey 2026 🌹


🚨 IT’S OFFICIAL ! 🚨

L’attente est terminée…

🔥 “The Come Back” 🔥

📍 Lieu : Espace Vohitriniaina, Vontovorona
📅 Date : 16 mai 2026

✨ Plus qu’une soirée… une expérience complète !

🌞 Journée détente pour se relaxer, se retrouver et profiter entre amis

🌙 Soirée explosive pour finir en beauté dans une ambiance de folie et un show exceptionnel, Ambiance garantie avec AGRAD et CYEMCI 🔥

⚠️ Billets disponibles dès maintenant !

📍 Points de vente :

- Délégués de promotion
- Membres actifs de l’AEDM
- Bureau de l’AEDM

⏳ Ne ratez pas l’événement de l’année ! prenez vos billets dès maintenant et vivez l’expérience Jurist Contact 2026.

🎟️ Billet : 20.000 Ar
📞 Infos & réservation : 038 33 527 68

👉 Cette fois-ci, tout le monde sera là... et toi ?

P.S. : une grosse surprise vous attend la semaine prochaine 👀 😎


Ry Havana,Ry Namana,Ry Mpikambana hajaina rehetra ✨Tompokolahy sy TompokovavyNy fianakaviamben'ny Hasina sy Kolotsaina M...
19/03/2026

Ry Havana,Ry Namana,Ry Mpikambana hajaina rehetra ✨
Tompokolahy sy Tompokovavy

Ny fianakaviamben'ny Hasina sy Kolotsaina Mahagasy dia faly miarahaba antsika MALAGASY rehetra tratry ny Taom-baovao🇲🇬❤️
Ny taona toy ny renirano mikoriana, tsy miherika fa mandroso hatrany , ny lasa dia efa rano nandalo, fa ny ho avy no rano mbola hotohizantsika. Koa aoka isika tsy hitodika amin’ny efa ritra , fa hanovo hery amin’izay mbola ho avy. Ny masoandro miposaka tsy mifidy tendrombohitra , fa manazava izay rehetra eo ambaniny ;
Ho toy ny masoandro miposaka anie ity taona ity, hitondra hazavana sy hafanana ho antsika;
Ho tahaka ny ranon’orana mamelombelona anie ny soa sy ny fitahiana ;
Aoka ny fo ho madio, ny saina ho mazava, ary ny asa ho mahomby ;
Ho lava velona tahaka ny renirano tsy ritra anie ny fihavanantsika
Irariana ho taona feno fahombiazana sy fahasalamana ity taona vao ity. Hitoetra anie ny fihavanana sy ny firaisankina eo amintsika rehetra, na ato anatin'ny klioba na any ivelany.

✨Faly ihany koa izahay mizara aminareo ny vokatry ny fandraisan'anjaran'ny ekipanay tamin'ny lanonana nokarakarain'ny Anjerimanontolon'Antananarivo ny 18 martsa 2026 🔥 :
🇲🇬 Hira sy Dihy Gasy Izay nampietsi-po sy nampitsiky
🇲🇬 Ny fahaizana mandaha-teny tamin'ny alalan'ny Kabary ✨
🇲🇬 Ny Tononkalo izay namoha ny fanahy ka nandravaka ny lanonana 🔥
Ry havana, “Ny hazo tokana tsy mba ala” , koa isaorana ianareo rehetra tamin’ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana. Tsy ho tanteraka izao rehetra izao raha tsy teo ny tsirairay. Enga anie izany firaisan-kina izany hitohy sy hihamafy hatrany❤️
Mirary soa antsika rehetra indray : ho taona feno fahombiazana , ho taona hitondra fandriampahalemana , ho taona hahatanterahan’ny nofinofy sy faniriana. Soa toavina, mahalehibe ka enga anie isika hanana soa sy hitombo hasina mandrakariva.
Mankasitraka tompokolahy , Mankatelina tompokovavy ✨

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hasina sy Kolontsaina Mahagasy HKM AEDM FDSP posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Want your organization to be the top-listed Non Profit Organization?

Share