27/08/2026
27 Aogositra 1674 - "LE MASSACRE DE FORT DAUPHIN"
Anisany andro iray tsy azo hadinoina amin'ny tantaran'ny TĂ´lagnaro sy ny TanĂ´sy, eny fa ny an'ny Madagasikara
mihintsy aza ny alin'ny 27 Aogositra 1674 raha teo amin'ny fifandraisana aminâny Frantsay no resahina.
Taminâny taona 1642, dia nanapa-kevitra ny Frantsay fa hanorina toeram-barotra ao TĂ´lagnaro, izay tsy nahazahoana alalana akory avy taminâny Mpanjakanâny TanĂ´sy tamizay. Noho izany, ny 30 taona nifanesy dia ady mahatsiravina no nitranga, izay nandringana olona anâarivony. Ny arsiva frantsay dia milaza fa 4 000 no maty avy aminâny frantsay, fa betsaka kokoa noho izany kosa ny avy aminâny TanĂ´sy.
Ny 22 jona 1651 dia nanafika ny Frantsay tao amin'ny FORT (Camp Flacourt ankehitriny) ny Mpanjaka ANDRIANDRAMAKA niaraka tamin'ny miaramila anarivony saingy efa tsara fiomanana ireo Frantsay ka tsy nisy vokany izany.
Ny 10 jolay 1651 dia nanao valim-panafihana ny Frantsay izay nitarihin'i Etienne de FLACOURT, tao Fanjahira ka tratran'ny velam-pandrika ny mpanjaka ANDRIANDRAMAKA sy ny zanany lahy ANDRIANTSANJOA tamin'izay ka voatifitra ary maty.
Taorian'ny nahafatesan'i Mpanjaka ANDRIANDRAMAKA dia nihahenjana ny fifandraisana teo amin'ny Frantsay sy ny TanĂ´sy. Nanamarika izany ny fanafihana nataon'i ANDRIAMPANOLAHA (Mpanjaka nandimby an'i ANDRIANDRAMAKA rainy) sy ANDRIAMASIKORO (vinanton'i ANDRIANDRAMAKA) ny Frantsay ka nahafatesan'i commandant La Forest. Tezitra ny Frantsay ary nanafika ny TanĂ´sy
ka nahafatesana olona maro, anisany lavo tamin'izany i ANDRIAMPANOLAHA, ANDRIAMASIKORO, ANDRIAMANDEMBOKY sy ANDRIANDRASOA ary ireo zanan'ny Mpanjaka miisa fito(07).
Taorian'izay dia nandray ny fanjakana TanĂ´sy i ANDRIANDRAMOSA ary nanana tetika matipaika handringanana ny Frantsay.
Nanentana sy nitarika ireo Fanjakana manodidina i ANDRIANDRAMOSA hanampy azy hiady sy hanohitra ny frantsay indray, anisany tamin'izany i ANDRIAMANANGA na ANDRIAMANANA, izay Mpanjakanâi Masikoro Tsienimbalala. (Isan'ny
mpanjaka nanohitra sy niady taminâny frantsay ihany koa noho ny fanerenâny MOMPERA ETIENNE azy hanaraka ny finoana kristianina. NALAINâI MOMPERA ETIENNE NY ODY NIRAVAHANY KA NATORANY TAO ANATY AFO. Nisafoaka ANDRIAMANANGA ka novoiny i Mompera Etienne).
Tsy nitarika olona nanafika avy hatrany tany aminâny FORT ohatra ny taminâny andronâi Andriandramaka intsony anefa ireto Mpanjaka ireto fa nanao ADY ANATY AKATA (GUERILLA) sy POLITIQUE DE LA TERRE BRĂLEE.
Nohamafisina ny fahirano ara-tsakafo sy ny fangalarana ny ombinâireo frantsay. Noho izany dia voatery ny tafika frantsay nivoaka ivelanâny FORT mba hitady izay ho arapaka sy hiambina ny fananany. Tahaka ny velam-pandrika nahazo ireo frantsay efapolo (40) maty teo am-panampahana fary (canne Ă sucre).
Notafihin'ny ANDRIANDRAMOSA sy ANDRIAMANANGA ny poste tao MANAMBARO, nanafenanâireo frantsay ny omby babony, izay nisy tafika folo (10) niaraka taminâny âchef de posteâ MAISON-BLANCHE ka omby eninjato (600) no lasa tamizany. Nahatsiaro nijaly fatratra ny frantsay ka nanomboka nanome tsiny anâireo mpitarika azy toy i Champmargou ary saika nisy hamono mihitsy i Champmargou.
Nihamafy hatrany ny ady ka maty i Champmargou taminâny 6 desambra 1672 ary nisolo azy i LA BRETESCHE. Nitohy
hatrany ny fanafihana nataonâi ANDRIANDRAMOSA sy ANDRIAMANANGA sy ireo fanjakana manodidina sy ny tsy fampian-tsakafo nahazo ireo frantsay.
Taminâny janoary 1674 tonga tao Fort-Dauphin ilay sambo DUNKERQUOISE izay nentinâi BEAUREGARD governoranâi BOURBON haka ireo vatan-dehilahy frantsay miisa fito amby roapolo amby zato (127) sisa tavela, araka ny baiko voarainy hoy izy dia tsy maintsy miala ao Fort-Dauphin ny tafika frantsay. Fa tsy nety nandeha La Bretesche satria nanantena ny mbola handresy. Ny 6 martsa 1674 no niverina tao Bourbon ny sambo Dunkerquoise.
Vao maika nihamafy hatrany anefa ny ady. Noho ny fangalarana omby sy ny famotehan'ny TanĂ´sy ny volinâireo frantsay dia votery ny tafika frantsay nanao fiambenana aty ivelanâny Fort.
NY ALINâNY 27 AOGOSITRA 1674, NANAFIKA TAMPOKA NY TOERANA NITOBIANâIREO TAFIKA FRANTSAY ANDRIANDRAMOSA sy ANDRIAMANANGA ARY NANOME BAIKO NY HAMONOANA AZY REHETRA KA MARO NY TAFIKA FRANTSAY NO MATY.
Taminâio alina io ihany koa, tokatrano frantsay miisa dimy amby fitopolo (75) no novonoinâireo Malagasy izay nampiasainâizy (domestique) ireo no sady nodorana ny tranony. Izay frantsay sisa tsy maty dia nandositra tao aminâny FORT. Tamin'io alina io ihany no niala tao Fort-Dauphin ireo miaramila frantsay miisa telo amby enimpolo (63) sisa tsy maty, noho ny vokatrâilay hanoanana anefa dia maty teny an-dalana ny dimy ambinâny telopolo(35), ny valo ambinâny roapolo (28) no sisa tonga tao Mozambika.
RAVA TANTERAKA NY COMPAGNIE DES INDES ORIENTALES SY NY NOFINOFIN'NY FRANTSAY NY HANJANAKA AN'I MADAGASIKARA VOALOHANY.
Sary nidramina
Rafanomezantsoa Jean Victor âđť