07/05/2026
‼️ Nandrara ny fandefasana ny fahitalavitra frantsay TV5 Monde Afrique ny governemanta Burkinabe nanomboka ny talata 5 mey. Antony iampangan’izy ireo io fahitalavitra io ny "fandisoam-baovao" sy "fandokafana ny asa fampihorohoroana" eo amin’ny fikirakiram-baovao manodidina ny herisetra jihadista ao amin’ity firenena ity sy ao amin’i Mali mpifanolo-bodirindrina, araka ny fanambaran’ny CSC (Conseil Supérieur de la Communication Burkinabé).