Toliara Loha Raike

Toliara Loha Raike TO.LO.RA est une association à but non lucratif.

Nous agissons pour l’éducation, la formation et l’épanouissement des jeunes, à travers des ateliers, sensibilisations et des projets sociaux et environnementaux.

📅 12 Martsa 2026Nanao fitsidihana am-panajana tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny fikamba...
12/03/2026

📅 12 Martsa 2026

Nanao fitsidihana am-panajana tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny fikambanana TO.LO.RA – Toliara Loha Raike.

Notarihin’ny Filohan’ny fikambanana, Atoa Saboeny Marofefy Jeannel Stevat, ny delegasiona niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny birao mpitantana.

Nandritra ny fihaonana dia noresahina :
🔹 Ny fampahafantarana ny fikambanana TO.LO.RA sy ny antony nananganana azy
🔹 Ny vina sy tanjon’ny fikambanana ho an’ny fampandrosoana an’i Toliara sy ny firenena
🔹 Ny tetikasa sy hetsika kasaina hotanterahina

🤝 Naneho ny fahavononany hiara-hiasa sy hanohana ireo hetsika mikendry ny fampandrosoana sy ny tombontsoa iombonana ny Talen’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

🇲🇬 TO.LO.RA – Toliara Loha Raike
✨ Miray hina ho an’ny fampandrosoana.

📅 03 Martsa 2026Noraisin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Atoa Alain Désiré Rasambany, tao amin’ny Hôtel H...
08/03/2026

📅 03 Martsa 2026

Noraisin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Atoa Alain Désiré Rasambany, tao amin’ny Hôtel Hippocampo, ny fikambanana Toliara Loha Raike (TO.LO.RA).

Ny delegasiona dia notarihin’ny Filohan’ny fikambanana, Atoa Saboeny Marofefy Jeannel Stevat, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny birao mpitantana.

🔹 Teboka lehibe telo no noresahina nandritra ny fihaonana :
• Ny fijoroana sy antony nananganana ny fikambanana TO.LO.RA
• Ny vina sy tanjona amin’ny fampandrosoana ny firenena, indrindra ho an’i Toliara
• Ny tetikasa sy hetsika kasaina hotanterahina ho fampandrosoana

🤝 Naneho ny fanohanany sy ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny fikambanana TO.LO.RA ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, raha toa ka mikendry ny fampandrosoana sy ny tombontsoa iombonana ny hetsika entina.

🇲🇬 TO.LO.RA – Toliara Loha Raike
Mivondrona ho an’ny fampandrosoana.

Address

Tsimenatse III – Champ De Foire
Tulear
601

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Toliara Loha Raike posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share