Sampati Fiv I - FJKM Tranovato Fitiavana

Sampati Fiv I - FJKM Tranovato Fitiavana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Sampati Fiv I - FJKM Tranovato Fitiavana, Youth Organization, FJKM TRNOVATO FITIAVANA ANJOMA, Toamasina.

"Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara"— Hebreo 10 : 24 ✨2026-2027 🗣️🗣️ ANTSO HO AN'IRE...
01/09/2026

"Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara"— Hebreo 10 : 24 ✨

2026-2027 🗣️🗣️
ANTSO HO AN'IREO REHETRA MANIRY HIANDRAIKITRA na ireo mbola vonona hanohy na ireo te hanampy isa anay ETO ANIVON'NY FIVONDRONANA FJKM TRANOVATO FITIAVANA ,Ho an'ISE IZAO ANTSO IZAO ka andao hiaraka aminay.
Eo ihany koa ireo ankizy sy tanora na ireo lehibe maniry hiditra anatin'ny Sampana,fa misy ny sokajy afaka idiran'ny tsirairay ao⚜️

AZA MISARAKA @ PAGE,mandefasa mp Kely na manantona mivantana ireo Komitim-pivondranana,na ireo mpandrindra sy mpiandraikitra 💛💚❤️

NB: izay tena vonona ihany raisinay fa tsy izay hilalao na hitsapatsapa an 😅😜

"FINOANA, FIRAISANA, FANANTENANA" Randrana Telo izay sarobahana...🥰Anisan'izany Izahay Tranovato🤞🏽

15/08/2026

Recap_Fihaonambe❤️📸

"Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, s...
15/08/2026

"Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo"
— I Korintiana 15 : 58🥰✨

Izany Tenin'Andriamanitra nandraisana ny fampianarana tamin'ny Andro faran'ny fihaonambe izany ary no entinay Isaorana an'Andriamanitra sy isaorana ireo rehetra nataony fitaovana nahafana niatrika sy niaina izany fihaonambe izany tany Ambatondrazaka 🙏🏽Izy Ilay mahay ny Zavatra rehetra hamaly fitia ny tsirairay❤️

Efa Tonga soamatsara an-tanàna izahay nohon'ny famindrampo sy fitiavan'iIlay Ray ao ambony hatrany❤️

Koa dia ireto ary ny pika sary fanampiny vitsy2 indray nandritran'ny fihaonambe📸

Dia ho an'Andriamanitra irery anie ny Voninahitra mandrakizay✨



💛💚❤️

FIHAONAMBE SAMPATI AMBATONDRAZAKA ⚜️Sary vitsy2 indray ary eeeh 🥰  💛💚❤️
13/08/2026

FIHAONAMBE SAMPATI AMBATONDRAZAKA ⚜️

Sary vitsy2 indray ary eeeh 🥰



💛💚❤️

"Ho vonona tsara amin'ny asa tsara rehetra" II Tim 3:17 ✨Isaorana ny Tompo fa tongasoa aty Ambatondrazaka ny SAMPATI Tra...
12/08/2026

"Ho vonona tsara amin'ny asa tsara rehetra" II Tim 3:17 ✨

Isaorana ny Tompo fa tongasoa aty Ambatondrazaka ny SAMPATI Tranovato Fitiavana,hiatrika ny fihaonambe nasionaly faha 9🙏

Mirary Soa ny mpizaika rehetra💛💚❤️

Hifankahita indray anie👋🏽Masìna ianareo✨Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany fa nahavitasoa ny lasy jobily 80 tao...
07/08/2026

Hifankahita indray anie👋🏽
Masìna ianareo✨

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany fa nahavitasoa ny lasy jobily 80 taonany izay nontanterahina tany Tuléar ihany koa ny Afo (Sampana mena Mpanazava)🙏🏽

Isaorana ihany koa ny fiangonana Tranovato Fitiavana tarihin'ny Mpitandrina,ny Komitim-pivondranana,ny Fmt2s,ireo ray amandreny,ny fianakaviamben'ny fivondranana Tranovato Fitiavana,ny foibem-pikambanana sy ny mpanazava faritany Atsinanana sy ireo rehetra nifandrimbona tamin'ny fikarakarana sy fitrotrona am-bavaka ka nahafan'ireto Afo ireto niatrika sy namonjy ary nandray anjara tamin'izany lasy lehibe izany❤️🙏 Ilay Ray be Fitiavana hamaly ny fitia ny tsirairay ✨

Isaorana ihany koa izy ireo ny tamin'ny ezaka rehetra izay natao nitondrana avo ny anaran'ny fivondranana sy ny faritany 🔥

Koa ny Tompo anie hitantana sy homba azy ireo🙏🏽❤️

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany🤗

Mandrampihaona indray anie👋🏽Veloma soa zareo💛⚜️Misaotra an'Ilay Ray be Fitiavana niaro sy nivimbina nandritra izay andro...
05/08/2026

Mandrampihaona indray anie👋🏽
Veloma soa zareo💛⚜️

Misaotra an'Ilay Ray be Fitiavana niaro sy nivimbina nandritra izay andro maromaro izay fa Vita soa ny lasy jobily 90taona ny Lovitao 🏕️

Fisaorana ihany koa no atolotra ny fiangonana Fjkm Tranovato Fitiavana tarihin'ny Mpitandrina,ianareo komity sy Fmt2s,ny ray amandreny,ny fianakaviamben'ny fivondranana Tranovato Fitiavana ❤️Ny foibem-pikambanana,ny mpitandro filaminana... Sy ireo rehetra nifanome tanana,nitrotro am-bavaka ka nahafahana namonjy sy niatrika izao lasy izao🙏 Andriamanitra hamaly fitia ny tsirairay 🥰

Isaorana ihany koa ireto Loup ireto nitondra avo ny anaran'ny fivondranana💛

Koa dia ny Tompo homba sy hitantana ny dia ho tafaverina soamatsara an-tokatrano ny mpilasy tsirairay 🙏🏽

Dia ho an'Andriamanitra irery anie ny Voninahitra ✨

Tsy mitsahatra ny misaotra an'Andriamanitra nohon'ny haben'ny FitiavaNy,fa dia nontantaniNy sy novimbiniNy ka tongasoa a...
03/08/2026

Tsy mitsahatra ny misaotra an'Andriamanitra nohon'ny haben'ny FitiavaNy,fa dia nontantaniNy sy novimbiniNy ka tongasoa afaka manatrika ny lasy jobily faha 80taonan'ny AFO any Tuléar ihany koa ny Afo (Mpanazava Sampana mena) ato amin'ny fivondranana Tranovato Fitiavana 🙏🏽❤️

Koa dia mirary soa azy ireo ahavita soa ny lasy eo ambany fahasoavan'ny Jesoa Kristy mandrakariva ✨

Alefa CLARISSE RATSIFANDRIHAMANANA an 🔥❤️

Isaorana ny Tompo fa nontantaniNy sy novimbiniNy ka Tonga soamatsara ka afaka manatrika izao lasy faha 90taona any Moram...
01/08/2026

Isaorana ny Tompo fa nontantaniNy sy novimbiniNy ka Tonga soamatsara ka afaka manatrika izao lasy faha 90taona any Moramanga izao ny Lovitao eto amin'ny Fivondranana Tranovato Fitiavana 🙏

Koa dia mirary soa azy ireo ary ahavita soa ny lasy eeh🥰
Ary ho Tahin'Jesoa mandrakariva sy ho feno fifaliana hatrany✨

"MBA ho iray ihany izy rehetra"_Jaona17:21a✨Saotra,Dera ary Laza ho an'Andriamanitra fa nahavitasoa ny taom-panabeazana ...
26/07/2026

"MBA ho iray ihany izy rehetra"
_Jaona17:21a✨

Saotra,Dera ary Laza ho an'Andriamanitra fa nahavitasoa ny taom-panabeazana 2025-2026 indray izahay tato amin'ny fivondranana Voalohany Tranovato Fitiavana🙏🏽
Misaotra Azy satria raha tsy Izy no niara-dalana taminay nandritra ity taona ity dia tsy todinay izany... misaotra Azy fa mbola ireto izahay niaraka namarana am-pifaliana sy am-pitiavana izany taom-panabeazana izany na dia nandalo sedra maro samihafa nandritra izany🥰

Etoana dia misaotra ny fiangonana Tranovato Fitiavana manontolo tarihin'ny Ray amandreny Mpitandrina,biraon'ny fiangonana,sampana velona rehetra.Eo ihany koa ny Ray aman-dRenin'ny mpikambana tsirairay ❤️

Fisaorana mitafotafo ihany koa ho an'ireo Komitim-pivondranana tarihin'ny Birao,ny Zoky FMT2S, ireo zoky filoha nivoaka tao amin'ny fivondranana rehetra🙏🏽❤️
Ary farany izay lehibe indrindra dia Ianareo beazina rehetra,izay tena antom-pisian'ny Fikambanana sy ny Sampana💛💚❤️

Dia ho an'Andriamanitra irery anie ny Voninahitra 🙏

🏖️

Address

FJKM TRNOVATO FITIAVANA ANJOMA
Toamasina
501

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sampati Fiv I - FJKM Tranovato Fitiavana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share