KMT-Komity Mpandrindra ny Tolona - Toamasina

Call Contact the organization

KMT-Komity Mpandrindra ny Tolona - Toamasina “Sehatra iombonan’ny hery velona rehetra – ho an’ny firaisankina sy ny fanarenana an’i Madagasikara.”

17/03/2026

🛑𝐒𝐄𝐍𝐃𝐈𝐊𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀: 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐊𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐄𝐊𝐑𝐄𝐓𝐄𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐃𝐈𝐃𝐘 𝐀𝐙𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎.

✅Namerina nanao fitakiana indray ireo sendika androany ary nilaza fa fahaleovantena ahafahana mamokatra no ilaina.

17/03/2026

🔴Ho fantatra tsy ho ela ny firafitry ny governemanta vaovao, raha ny nambaran'ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Ny fahasahiana sy ny fahitsiana, tahaka ny nifidianan'ny filohan'ny Fanavaozana azy, no mason-tsivana hijerena ihany koa ireo minisitra hotendrena, hoy izy.

🔹Na izany aza, tsy tokony hiova hoy hatrany ny Praiminisitra, ny tetiandro efa napetraka teo aloha momba ny Fanavaozana satria efa io no tapaka. "Araka ny efa nolazaiko dia tsy handrava ny ataoko eto. Raha hiova io dia mihafohy", hoy izy.

🔹Miantso ho amin'ny firaisankinan'ny vahoaka malagasy ny Praiminisitra. "Mino aho fa tsy misy malagasy manohitra ny Fanavaozana. Efa samy nahita isika ny fahantran'ny malagasy. Noho izany, tsy tokony mampiasa mihitsy ny teny hoe mpanohitra", hoy Rajaonarisoa Mamitiana, raha nanontaniana momba ny fisokafana amin'ny antoko mpanohitra. Aminy, tsy tokony hisy akory izany resaka fisokafana na tsia izany satria efa ny malagasy rehetra no tafiditra anatin'ny Fanavaozana.

🚀Araho ao amin'ity rohy ity ireo vaovao mitranga eto Madagasikara : https://actu.orange.mg/

17/03/2026

🤝🤝✊✊

12/03/2026

➡️ Ny 𝗟𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗶𝗲 𝗿𝗮𝗽𝗶𝗱𝗲 araka ny fenitra iraisam-pirenena :

✅ Mampiavaka :
• Fifamoivoizana vitsy fijanonana sy sampanan-dalana
• Fidirana sy fivoahana voalamina
• Misy "voie" 2 mandroso 2 miverina ary voasaraka amin’ny “terre-plein”
• Azo handehanana mafy kokoa noho ny lalana tsotra (100 kmh)
• Natokana ho an’ny fiara misy motera ihany

❌❌ Zavatra voarara amin’ny "voie rapide" :
• Fametrahana dos-d’âne na casseurs de vitesse
• Fametrahana lalan’ny mpandeha an-tongotra na passage piéton
• Fametrahana jiro fifamoivoizana (feux de circulation ) na sampanan-dalana mivantana
• Tsy mahazo andehanan'ny mandeha tongotra, ny bisikleta ary ny sarety (ireo tsy misy motera)

🔎 Fahasamihafana :
Lalana tsotra : misy sampanan-dalana, mpandeha an-tongotra ary fijanonana matetika.
Lalana "voie rapide" : voafehy ny fidirana sy fivoahana, ary mitohy sy haingana ny fifamoivoizana. 🚗💨
Ireo no fenitra ilazana fa tena Voie Rapide ny lalàna iray ‼️

Chasse-info

12/03/2026
🔴 𝐇𝐂𝐂 : Nivoaka ny 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐩𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐛𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧'𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐂𝐄𝐍𝐈 𝐧𝐚𝐦𝐞𝐭𝐫𝐚-𝐩𝐢𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚. 📍 Antsoina hiroso am...
12/03/2026

🔴 𝐇𝐂𝐂 : Nivoaka ny 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐩𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐛𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧'𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐂𝐄𝐍𝐈 𝐧𝐚𝐦𝐞𝐭𝐫𝐚-𝐩𝐢𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚.

📍 Antsoina hiroso amin'ny fanolorana ireo solony ny rantsamangaika nanolotra ireo mpikambana tsirairay avy ireo.

📍 Manohy ny "mandat" na fe-potoana voafaritra iasan'ireo nodimbiasany kosa ho mpikambana vaovao.

12/03/2026

🔴 𝐒𝐄𝐍𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐓𝐑𝐈𝐀𝐃𝐄 : 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐊𝐘 𝐏𝐑𝐀𝐈𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀

🔴 Nanao antso avo ny sendikan' ny mpiasan' ny fahasalamana "TRIADE" fa mila Praminisitra tena nitolona ary mijoro amin'izany.

🔴 Praiminisitra afaka hifampiresahana, mahafehy ny tontolo politika sy ny teknika no tokony hipetraka eo amin'ny toerana.

Address

Toamasina
501

Telephone

+261387100017

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when KMT-Komity Mpandrindra ny Tolona - Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to KMT-Komity Mpandrindra ny Tolona - Toamasina:

Shortcuts

Share