GEN Y Madagascar

GEN Y Madagascar GEN Y MADAGASCAR

« Notre génération refuse d’être spectatrice ; nous voulons construire la nouvelle République. »
Tsy mpitazana intsony izahay !

Tianay  zaraina ity commentaires ity fa mahafeno sy manome lesona anareo Syndicat 🫵🫵🫵:Miarahaba PERSONNEL anao aho Dr Be...
07/05/2026

Tianay zaraina ity commentaires ity fa mahafeno sy manome lesona anareo Syndicat 🫵🫵🫵:

Miarahaba PERSONNEL anao aho Dr Berija @ fahatokisana napetraka aminao @ izao andraikitra horaisinao izao. Ity misy mesazy ampitaiko etoana, mba tsy ho tompon-trano mihono isika veterinera rehetra. Toy izao ilay MESAZY : # # # Miala tsiny mialoha aho @ ity intervention-ko ity. Ny hazandrano, na an-dranomay, na an-dranomasina, ka idiran'ny tekinikam-mpiompiana, dia SEHATRY NY FIOMPIANA (aquaCULTURE, crevettiCULTURE, holothuriCULTURE, etc.). Ny Dr Vétérinaire dia mianatra ary manana adidy lehibe @ izay sehtary ny Fiompiaa izay. Mampahatsiahy anareo ato @ MPEB, fa ny titre hoe Aquacuture dia tsy hita eto, efa ao aminareo ny Direction de l'AQUACULTURE. @ saina tsy miangatra, ny reseka REHETRA mahakasika ny Fiompiana (boviCULTURE, porciCULTURE, cuniCULTURE, sériciCULTURE, etc. dia iadidian'ny Ministère en charge de l'ELEVAGE. SAINGY, eto ny indro kely, tsy mbola nitaky OFISIALY ny hamerenana ny AQUACULTURE sy ireo seha-mpitantanana mifandraika @ fiompiana hazan-drano (mamy sy masina) izahay ato @ Minisiteran'ny Fiompiana. Koa mba miangavy kely anareo, mba jereo ny aloha, ary topazo maso ny afara, HATREHO ny ankehitriny, fa raha izao fihetsikareo tsy mijery lavitra izao no mitohy, dia HO AVY IZAHAY TOMPON'NY FIOMPIANA HITAKY NY HAMERENANA EO AMBANY FITANTANAN'NY MINISITERAN'NY FIOMPIANA NY efi-draharaha mikasika ny fiompiana, isan'izany ny efi-draharaha misy ao aminareo Pêche ao. Ka raha i Dr Berija no haroso ho SG-nareo, dia mba apetraho @ saina tsy miangatra, fa domaine-ny tokoa io. AZA ADINOINAREO fa ianareo anie tao @ Ministère en charge de l'Elevage, simple DIVISION ADMINISTRATIVE t@ fotoan'androny ê. Rehefa somary bebe Projet ianareo dia SAHY MIDINGINA toa izao. Asio fiheverana kely azafady indrindra. Ny argumentation-nareo dia tsy misy mitombina na dia kely aza. Tiako ny mampahatsiahy anareo, fa ny PROBLEME de la ferme crevetticole de Tsangajoly, izay nahaverezana MILLIARD de MIILIARD d'EUROS, dia noho ny tsy fahatomombanan'ny fifefazana ny ara-pahasalaman ny toeram-piompiana makamba ê, raha tsy hiteny afa-tsy io fotsiny. Fehiny, MBA ASIO FIHEVERANA IHANY, fa sambany izao DOCTEUR VETERINAIRE (technicien) no SG-nareo, fa tsy mbola no-ratacche-na @ Fiompiana ny Aquaculture et autres-nareo. Dr France, Ex-président Syndicat des docteurs vétérinaires, Ex-Président Commission juridique du Conseil Supérieur de la Fonction Publique, SG du Comité ad'hoc pour l'application des Conventions internationales du Travail C.151/C.154 --- # # # #

06/05/2026
06/05/2026
Efa zatra Ilay Gaboraraka dia matahotra soa hitsikafona Nefa tamin'ny Harena rehetra lasan'ny Sinoa tsy  hita ry Syndica...
06/05/2026

Efa zatra Ilay Gaboraraka dia matahotra soa hitsikafona

Nefa tamin'ny Harena rehetra lasan'ny Sinoa tsy hita ry Syndicat 😱😱🤣🤣

📌 Tsy manaiky ny fanendrena an'i Be -Rija Ravelomanantsoa ho sekretera Jeneraly eo anivon'ny ministeran'ny jono sy toe-karena manga ireo mpiasa eo anivon'ity Minisitera ity

Hitokona raha tsy hesorin'ny fitondram-panjakana ao anatin'ny 48 ora izy, nilaza izy ireo fa nisy taratasy hosoka nangalarana ny sonian’ny filohan’ny sendika nahafahana nanolotra anaran’olona 11 izay nahatafiditra an'i Be-Rija.

Manohitra izany anefa ny filohan’ny sendikan’ny mpiasan’ny ministeran’ny jono fa tsy nanolotra olona na nanao sonia izany taratasy hosoka izany.

06/05/2026

May volotratra ireo zatra gaboraraka ao MPEB Fa lasa SG Ilay Tanora Mpitolona 🤣🤣🫵🫵
Matahotra sahady nga ? 😱😱😱

06/05/2026

T@ izany

06/05/2026
06/05/2026

📌" 𝗧𝘀𝘆 𝘃𝗮𝗵𝗶𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗸𝗼 𝗻𝘆 𝗿𝗲𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗝𝗼𝗻𝗼 𝘀𝘆 𝘁𝗼𝗲-𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮 𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗵𝘆 𝗮𝘁𝗼 " : 𝗛𝗼𝘆 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗸𝗿𝗲𝘁𝗲𝗿𝗮 𝗷𝗲𝗻𝗲𝗿𝗮𝗹𝘆 𝘃𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 , 𝗗𝗿 𝗕𝗲-𝗥𝗶𝗷𝗮 𝗥𝗔𝗩𝗘𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗧𝗦𝗢𝗔

▶ Araky ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly Talata 05 Mai 2026 dia voatendry ho sekretera jeneralin’ny minisiterana’ny jono sy ny toekarena manga , Atoa Be-Rija RAVELOMANANTSOA. Nomarihiny fa tsy vahiny aminy ny resaka Jono sy toe-karena manga amin’ny maha mpiasa azy tao amin’ity minisitera ity .

▶ Raha tsiahivina dia Dokotera vétérinaire i Be-Rija RAVELOMANANTSOA ary efa tale rejionaly indroa miantoana , izay tany Analanjirofo tamin’ny fitondran’ny filoha teo aloha Hery RAJAONARIMAMPIANINA ary talem-paritry ny jono tany Boeny tamin’ity fitondrana ity .

▶ Tetsy ankilany dia nisy ny fanambarana nivoaka tao amin’ny pejy fesibokiny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga tsy fankasitrahana ny fanendrena an’i Be-Rija RAVELOMANANTSOA ho sekretera jeneraly .

Address

Toamasina Lot 472 Plle 13/73 Tanamabao 5
Toamasina
501

Telephone

+261387100017

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when GEN Y Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to GEN Y Madagascar:

Share