Young For Christ - Toamasina

Young For Christ - Toamasina Fiananao dia afaka miova noho ny herin’ny vavaka sy famonjena avy amin’i Kristy Jesosy.

Aza adino ny fotoanantsika androany raha tanora ianaoKristy miaraka aminao sy mamoaka anao anatin'ny afo sy tafiotra.Rah...
15/11/2025

Aza adino ny fotoanantsika androany raha tanora ianao

Kristy miaraka aminao sy mamoaka anao anatin'ny afo sy tafiotra.

Raha mbola misy ny masoandro dia afaka manana anjara fahazavana ianao, raha mbola velona ianao anio dia misy planin'Andriamanitra amin'ny fiainanao izay tsara sy mahasoa ary be voninahitra.

Aza mbola mamoy fo na kivy fa eo foana Izy ary teo foana, tiko fantatrao fa matoa tafavoaka tamin'ilay olana farany ianao, matoa mbola eto ankehitriny dia satria teo foana Izy ary Izy ihany no namoaka anao,

TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.
Fa tsy afaka ny tsy hiova ny fiainanao
Tsy misy vidim-pidirana

Info-line: +261346591293
Ou viens directement en message privé

📍FIANGONANA SHINE TANAMBAO VERRERIE




Tia anao lotra AndriamanitraAza adino ny fotoanan-tsika androany hariva ao  Shine Verrerie.Tia hanasitrana ny ratram-pon...
01/11/2025

Tia anao lotra Andriamanitra

Aza adino ny fotoanan-tsika androany hariva ao Shine Verrerie.

Tia hanasitrana ny ratram-ponao Andriamanitra. Tsy ny mamaly vavaka no tsy ainy, fa ny zavatra tsara eny an-tanan’olona maratra dia miteraka fahafatesana sy fahapotehana na ho azy na ho an’ny manodidina.

Sitrapon’Andriamanitra ianao ho salama, mahomby, ambinina .
Sitrak’Andriamanitra ianao miadana ara-pihetsem-po ary ara-tsaina.

Fa misy fahagagana tsy takatry ny saina ateraky ny famelan-keloka.

TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.
Fa tsy afaka tsy hiova ny fiainanao
Tsy misy vidim-pidirana

Info-line: +261346591293
Ou viens directement en message privé

📍FIANGONANA SHINE VERRERIE




Sitrapon’Andriamanitra ianao ho salama, ho ambinina sy ho voatahy ary hiadana.Tonga teto Izy mba ho anao, nokapohana mba...
24/10/2025

Sitrapon’Andriamanitra ianao ho salama, ho ambinina sy ho voatahy ary hiadana.
Tonga teto Izy mba ho anao, nokapohana mba haka ny aretinao, nosatrohina tsilo mba haka ny fahaverezan-kevitrao, nampahantraina mba ahatonga antsika hanana ny ampy , nanao ireo rehetra ireo Izy satria Tiany ianao.
Jesosy tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay,
ireo fahagagana fantatrao fa nataony dia afaka ho ataony aminao, ka na inona na inona aretinao dia afaka ny ho sitrana izany, ka na inona na inona olanao dia afaka ho vahany izany, ary na manao ahoana na ahoana ny fiainanao dia afaka ho areniny, ho hatsarainy, ovainy tanteraka izany.

TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.
ENTO NY MARARY SY IREO MANANA OLANA
FA TSY AFAKA NY TSY HIOVA NY FIAINANAO
Tsy misy vidim-pidirana

Info-line: +261346591293
Ou viens directement en message privé

📍Fiangonana Shine Tanambao Verrerie





Maro ny zava-mitranga ankehitriny izay tena mampatahotra tokoa, tsy milamina ny tany sy ny firenena , mamely ny aretina,...
17/10/2025

Maro ny zava-mitranga ankehitriny izay tena mampatahotra tokoa, tsy milamina ny tany sy ny firenena , mamely ny aretina, ny asa tsy misy ka miteraka tsy fananam-bola , tsy misy sakafo ssns.
Ekena tokoa ary tsy lavina izany, nefa tadidio fa matoa misy ny olana , dia misy ihany koa ny vaha-olana. Karazana vaha-olana maro no efa nandramanao nefa tsy nisy nahomby; ity misy vaha-olana ho anao:
Jaona 6:35: "hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony."
Ny fantaniko dia izao: inona no mampangetaheta anao?
inona no maha-noana anao?
Fa ao @ JESOSY avokoa izay ilainao rehetra na inona na inona, hatramin'ny zavatra izay lazainao fa tsy possible intsony dia mbola possible amin' i Jesosy izany.
Ny tokony ataonao fotsiny arak'io Tenin'Andriamanitra io dia manatona an'i Jesosy, ity fotoana izay ho tanterahina ny asabotsy 18/10/2025 ity dia hanampy anao mba hanatona Azy sy hampafantatra anao ny tokony atao mba ahafahan'ny fiainanao miova
koa manasa anao ary ho tonga! indrindra ianao TANORA
Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.
Info-line: +261346591293
Ou viens directement en message privé
📍Fiangonana Shine Tanambao Verrerie



Na inona na inona Fototra ratsy hatramin’ny fahazazanao dia fotoana izao handravana an’izany. Tsarovy rahalahy sy ranaba...
10/10/2025

Na inona na inona Fototra ratsy hatramin’ny fahazazanao dia fotoana izao handravana an’izany.
Tsarovy rahalahy sy ranabavy fa izao volana izao no volan’ny fahasoavana miraradraraka ho anao kanefa ny fitahiana, fahombiazana, fahasoavana dia tsy afaka ny hiaraka aminao raha mbola feno fototra ratsy ny fiainanao.
Mety efa ela ianao no te ho afaka amin'ny toetra ratsinao, amin'ianao mora malahelo na mora tezitra na mora kizitina na mety koa maniry ianao ho sitrana amin’ireo karazana traumatisme nanaraka anao hatramin'ny fahazazanao, na misy aretina mitaiza anao hatramin'izao, na ozona izay manaranaka ka mahatonga anao bokan’ny trosa, tsy mahatsangan-javatra, mora very sy lany hevitra .
🔥 Fa anio, manana vaovao tsara ho anao aho, indreo tonga ny fahazavana, ny fanasitrana, ny fiainana, ny fiovana izay anjaranao. 🔥
Na dia maro aza ny adalana vitanao, Andriamanitra tsy manameloka anao izany.
Tiany ho afaka ianao amin’ireo mampahory sy mahatonga anao manamelo-tena foana.
🕊️ Tongava fa fotoananao izao: hanapahana ny fatotra, handringanana ny asan’ny fahavalo, hanaperana ny fahorina sy ny ozona amin’ny fiainanao, hoy Jesosy, fa Izy tsy miova omaly sy anio ary MANDRAKIZAY.
Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.

TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.

Info-line: +261346591293
Ou viens directement en message privé

📍Fiangonana Shine Tanambao Verrerie




01/10/2025

BE ALERT! WHAT YOU SEE HAPPENING AROUND THE GLOBE ARE SIGNS THAT JESUS IS COMING BACK SOON.

Ianao dia tena tian’i Jesosy ary ny any ilainy dia ianao koa misafidy hitia Azy.Ny tena fitiavana dia manaraka porofo ma...
12/09/2025

Ianao dia tena tian’i Jesosy ary ny any ilainy dia ianao koa misafidy hitia Azy.
Ny tena fitiavana dia manaraka porofo mazava amin’ny fihetsikao, fiteninao. Ary ny tena fitiavana dia miteraka fiadanam-po, fiadanan-tsaina, mahatonga antsika ho creative , mameno antsika amin’ny fifaliana ary mamoaka ny tsara any anatitsika. Ny vaovao mahafaly dia mihoatra alavitra noho izany ny vokatsoa ateriky Jesosy . Ary ny vaovao mahafinaritra dia misy zavatra goavana maro ateriky ny fitiavanao Azy.
Tsarovy mandrakizay fa Jesosy dia tia anao fony mbola mpanota ianao, Izy ilay tia anao ankehitriny ary tia anao mandrakizay, ka raha hino ianao ny hiaina anatin'izany fitiavana izany ka hamaly izany amin’ny fitiavanao Azy dia ho asehony anao ny vokatra maro sy goavana aterak'izany
Ka tongava ianao amin’ny maha ianao anao
Tsy anavahana na iza na iza
Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.
Info-line: +261346591293
Ou viens directement en message privé
📍Fiangonana Shine Tanambao Verrerie




Sitrapon’Andriamanitra ianao hanana fiainana tsara.Ity volana ity dia fotoana hanarenana ireo rava sy potika teo amin’ny...
05/09/2025

Sitrapon’Andriamanitra ianao hanana fiainana tsara.
Ity volana ity dia fotoana hanarenana ireo rava sy potika teo amin’ny fiainanao. Mety very hevitra ianao anio kanefa mitrakà, miarena indray fa tonga ilay Mpamonjy hanavotra anao, ary hanafaka anao. Ka na inona na inona mamatotra, na inona na inona mety simba noho ireo zava-miseo, vonona Izy hanova izany.

Ity no volana tsara indrindra ho anao, ity ny volan’ny fandresana, fitahiana, fahalebiazana, fahombiazana, fanambinana ho anao amin’ny lafim-piainanao rehetra.
Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO

TA VIE NE SERA PLUS JAMAIS LA MÊME CAR DIEU VA LA CHANGER.

Info-line: +261346591293
Ou viens directement en message privé

📍 Eglise Shine Verrerie




Happy birthday to you Pastor🎉🎊🎉! We are joyful  with you today, and we are grateful to have a man of God who leads with ...
30/08/2025

Happy birthday to you Pastor🎉🎊🎉! We are joyful with you today, and we are grateful to have a man of God who leads with wisdom and loves the Lord like you do. You are a blessing to us, and we believe that God will take you far, very far! Wishing you a joyful celebration, Sir! We love you, 💞💞🎊🎉

Address

Tanambao , Verrerie
Toamasina
501

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Young For Christ - Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share