Mpanazava Fjkm Betela Toamasina

Mpanazava Fjkm Betela Toamasina Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mpanazava Fjkm Betela Toamasina, Youth Organization, Tanambao V, Toamasina.

04/07/2026

Tsy hoe akory manadino i Cheftaine fa.........🍂

Tsy nandry Alina, tsy tafandrimandry ireto Beazinay ireto nanao montage, nanao créativité, nanao ezaka rehetra tamin'ity fifaninanana nokarakarain'ny Foibe Mpanazava Eto Madagasikara ity ho an'ny Sampana maitso Mpanazava 🔥

Tsy nisy na dia fanampiana avy aty aminay Mpiandraikitra ny fanatanterahana ny Projet rehetra fa tena hoe talenta sy ezaka nataony Beazina daholo ireo 🔥

Androany izahay Mpiandraikitra dia maneho fisaorana anareo fa tena hoe " Fière " mañana anareo 🥹🫶🥰.

Dia na dia tsy tafiditra anatin'ireo ho solotena nasionaly Ary ianareo dia tadidio foana hoe : " Nahay Zavatra vaovao sy nitombo fahalalana ianareo tanatin'ireny fanomanana ireny 🥰". Ary ny ezaka nataonareo dia efa tena mendrika tokoa aminay.🙏🫂♥️

Sombiny amin'ny vidéo isan-tsokajy ihany ireo.

❤️ Arahabaina ny ray rehetra 🤗Andro iray manokana anio hankasitrahana an-dry dada, noho ny fitiavana tsy mitaky valiny, ...
21/06/2026

❤️ Arahabaina ny ray rehetra 🤗

Andro iray manokana anio hankasitrahana an-dry dada, noho ny fitiavana tsy mitaky valiny, ny ezaka tsy hita maso, ny sorona maro nataon'izy ireo.

☘️ Mety tsy ho voalaza matetika, fa tena sarobidy aminay zanaka, aminay reny ny fisianareo 🩷

Misaotra amin’ny fitarihana, amin’ny fiarovana, amin’ny teny feno fahendrena ary tamin’ny fonareo feno fitiavana.

🙏 Enga anie Andriamanitra hanome anareo fahasalamana, hery ary fifaliana betsaka.

Ho ela velona ianao, ho tahian’i Jehovah mandrakariva ny dada rehetra ❤️

Sary indrana..

18/06/2026

Izahay Sampana Mpanazava sy Tily Eto amin'ny Fjkm Betela dia manasa antsika rehetra ho tonga hanohana sy handray anjara amin’ny varotra lehibe izay karakarainay ny 25 Jona ho avy izao.✨🔥

🍽️ Ho maro sy matsiro ny sakafo sy ny zava-pisotro ho hitanareo, ka manasa anareo izahay mba hiara-hifaly sy hifampizara fotoana mahafinaritra.

🎯 Ny vola azo amin’ity hetsika ity dia ho fanohanana ny Lasin-jobily sy ny Fihaonambe izay hatao any Moramanga sy Ambatondrazaka ary Toliara.

💙 Ny fahatongavanareo sy ny fanohananareo no hery manosika anay!

📅 25 Jona
🕓 Manomboka amin’ny 4 ora tolakandro
📍 Eo alohan’ny Arena Sport Toamasina, ampitan’ny Extra Pizza

🥳 Tongava maro, ento ny namana sy ny fianakaviana, fa vonona ny handray anareo am-pitiavana izahay❤

Youth Organization

Miarahaba ny Reny rehetra amin'izao Fety ny Reny izao ✨❤Miarahaba manokana ny Reny mitaiza sy mikolokolo anay ato amin'n...
31/05/2026

Miarahaba ny Reny rehetra amin'izao Fety ny Reny izao ✨❤

Miarahaba manokana ny Reny mitaiza sy mikolokolo anay ato amin'ny fikambanana🙏
Misaotra teo foana tamin'ny fanohanana anay, na tao anatiny alahelo na an-kafaliana dia teo foana, na mora na mafy dia mijoro hatrany ho anay 🥺​

Amin'izao Fety natokana ho an'ny Reny izao dia hoy izahay hoe : " Sambatra be izahay manana an'ise ❤ ", Mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo🙏 fa Andriamanitra anie homba sy hiaro, hanome hery sy fahasalamana hatrany amin'izay rehetra ataon'ise. Tinay be ise Présidente ❤😘

Misaotra Misy 🥺​🫶​

Filohan'ny Komitim-pivondronana SAMPATI FJKM BETELA TANAMBAO V TOAMASINA Veromamy Herilalaina Radonirina ❤❤❤

🎂26 MEY 1952 - 26 MEY 2026🎂👉Feno 74 Taona omaly ny nitondran'ny Fiangonana ny anarana hoe:  🙏Misaotra antsika rehetra na...
27/05/2026

🎂26 MEY 1952 - 26 MEY 2026🎂
👉Feno 74 Taona omaly ny nitondran'ny Fiangonana ny anarana hoe:
🙏Misaotra antsika rehetra nahatsiaro izany fotoan-dehibe teo amin'ny tantaran'ny Fjkm Betela Tanambao V izany.

🔷Ny Taona 1930 no niorina tao Tanambao V ny Fiangonana tranohazo ka " no anarany tamin'izany. Tsy mbola teo amin'ny toerana misy azy ankehitriny io fa tery ampitan'ny score bazary kely ankehitriny io.

🔷 : Nanomezana ny anarana hoe (Gen.28: 19). Teo amin’ny fametrahana ny Vato fehizoro no nametrahana ny tavoahangy misy ny SORATRA lehibe hoe: ”.
Anarana nalaina avy amin’ny Soratra Masina ny hoe BETELA. Teny hebreo roa mikambana izy io: “BET “ izay midika hoe: TRANO ary “ EL “ izay manana ny hevitra hoe:” ANDRIAMANITRA “. Ary avy amin’io no nipoiran’ny Teny hebreo hoe “ELOHIM “na Andriamanitra. Raha atambatra ireo teny roa ireo dia TRANON’ANDRIAMANITRA no dikany (Gen.28: 17b).
Ny Misionera BONZON Charles, Directeur de la Mission Protestante de Paris no nitarika tamin'izany fametrahana ny vatofehizoro izany; eo amin'ny toerana misy azy ankehitriny io ary Fiangonana tranovato no hatsangana.
26 mey : Fahatsiarovana ny fametrahana ny vatofehizoro ny nanorenana ny fiangonana tranovato amin'ny toerana misy azy ankehitriny no sady fahatsiarovana ny nitondrana ny anarana hoe

🔷 : teo vao lany tamin'ny fivorian'ny mpihevi-draharaha fao ovaina Fjkm Betela Tanambao V ny anaran'ny Fiangonana. Pasteur SAONINA no mpitandrina tamin'izany. Napetraka ny takelabato misy ny soratra hoe « FJKM BETELA TANAMBAO V » eo amin'ny tilikambo ivelany manoloana ny arabe.

🙏Misaotra an'i Pasteur Saonina nanoratra ny Boky mirakitra ny tantaran'ny Fiangonana.

Source : Fjkm Betela Tanambao V

20/05/2026

🙅‍♀️ VOHOKA ALOHA LOATRA 🤰🏻

TIAVO NY TENANAO ; HAJAO NY VATANAO
OMANY DIENY IZAO NY HO AVINAO SATRIA MBOLA MARO IREO NOFY MIANDRY ANAO 🥰





Indrana 🤗❤

RODORODO MIAVOTRA 🔥 Ho velona tokoa, hamiratra tokoa, ho taniketsa tokoa ary tena ho mendrika ny anarana hoe Mpanazava ❤...
17/05/2026

RODORODO MIAVOTRA 🔥

Ho velona tokoa, hamiratra tokoa, ho taniketsa tokoa ary tena ho mendrika ny anarana hoe Mpanazava ❤

Alefa Fokonolona RAMOMA 🔥🔥🔥

Izahay Sampana Mpanazava sy Tily eto amin'ny Fjkm Betela dia manasa anareo handray anjara amin'ny " Gâteau Fête des mère...
16/05/2026

Izahay Sampana Mpanazava sy Tily eto amin'ny Fjkm Betela dia manasa anareo handray anjara amin'ny " Gâteau Fête des mères " ho fanohanana ireo Beazina hamonjy " Fihaonambe SAMPATI any Ambatondrazaka ny volana Aogositra ".

Ireo Mpikambana rehetra manana billet ho antsika rehetra handray anjara 🤗

Afaka miditra hafatra miafina ihany koa ❤

" Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny Fitiavana." ❤Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa vita soa ny fifaninanana va...
14/05/2026

" Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny Fitiavana." ❤

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa vita soa ny fifaninanana vako-drazana izay no karakarain'ny Synodam-paritany Sp31 anio.

Misaotra ny Komitim-pivondronana sy ny Fmt2s ary ireo Ray Aman-Dreny tamin'ny fanohanana anay.

Misaotra ny Ray Aman-Dreny Joséa Jaonirina Rabearivelo tamin'ny Tononkira sy ny feony🙏

Misaotra ny Mpiandraikitra sy ny Beazina rehetra 🔥

Ho an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra ! ❤

Fivondronana maminay Fjkm Betela Tanambao V 🔥❤

Address

Tanambao V
Toamasina

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mpanazava Fjkm Betela Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share