Générations Ho an'i Madagasikara Atsinanana

Générations Ho an'i Madagasikara Atsinanana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Générations Ho an'i Madagasikara Atsinanana, Nonprofit Organization, Toamasina.

08/06/2026
Fetin’ny Reny MalagasyHo ela velona ny reny Malagasy!Hajainay sy tiavinay mandrakariva, satria ianareo no fo sy fanahy m...
31/05/2026

Fetin’ny Reny Malagasy
Ho ela velona ny reny Malagasy!

Hajainay sy tiavinay mandrakariva, satria ianareo no fo sy fanahy mitondra ny firenena ho amin’ny hoavy tsara kokoa.

Ny Générations Ho an’i Madagasikara (G.H.M.) dia mankalaza amin-kafanam-po ny Fetin'ny reny rehetra manerana ny Nosy — na eny ambanivohitra, na eny an-tanàn-dehibe.

Manaova fety sambatra ianareo ❤️🇲🇬

27/05/2026

Marina izany, tokony mahay ny hiram-pirenena Malagasy

17/05/2026

Tsendriky nisy Merina Directeur ny Secren e!
La vanille zegny alefa andafy fa tsy hoanigny a Madagasiakara eto. Karaha hita loayra marque de faiblesse ntsika magniliky faute aux autres! Na atsika eto fo zalahy mifagnagadra karaha raha nahazo Maire igny.
Na ahitry ny Katy hoanintsika fo mbola tsy haintsika magnary izy 😇😇😇.
Atsika mahavanga La bière folo fa tsy maha efa Écolage ny zanakantsika, mahavanga Katy isanandra fa zanaka ntsika mianatra amy Epp tsy magnano kiraro.
Tsoha atsika diso kajy fa na misy Passeport atsika tsisy Visa !!! Ambassade de France tsy hifindra a Dizgo. Américain tsy hanangana Ambassade a Diego, Russie koa karaha zegny. Fagnontaniagna araiky fo amabrako eto lba valia anaro ato. Azovy ny mitana Économie eto Madagasikara ??????, koa haintsika zegny tokony agny zahavagna ny famahagna izy, Société, Hôtel maventy eto Madagasiakara azovy aby ny tompony???????. Mba alifasa lavitry hely ny vision ntsika. Baba ntsika koa manambola vadiny maro be avy eo ny zaza tsy araka. Koa manambola atsika malegny mampianatra zaza mampiasa vola be aleontsika magnano.la vie tsy karakaha magnano investissement amny zanaka ampianarigny amny école tsra😇😇😇. Ny mahagaga na Opérateur na Artiste mila ao Tana fo mopetraka tsy mody aty mba mampandroso faritry nazy. Atsika mitady vola marandraigny après midi ef midoko mihina katy hariva vono dozy.
Ny fampandrosoagna haiko dia miantomboko aminolo tsiaraikiaraiky fa tsy miambigny fanjakana, fanjakana zegny resaka lalagna, hôpital, école sns zegny anjarany.
Aza atao Laboratoire Firenena ntsika fa mba zahava antsendriky vatagnanao mametraha question hely mba ino raha ataoko hampandroso zaho izay vao magnodidigny anao, na namantsika losoloso hely mbola vitantsika mamoriky izy. Ny fihezahany tsiaraikiaraiky no haiko mampandroso fa tsy fizahagna ninolo.
Io na Etat Fédéral na Province autonome na décentralisation Effective koa tsy misy ilay volonté hiala amny Corruption, népotisme, resaka MAFIA, io tsy raha mandeha zegny.

13/05/2026

13 Mey 1972 - 13 Mey 2026

Andro nitsanganan’ny vahoaka Malagasy ho amin’ny fahamarinana sy ny fahaleovan-tena marina. Nandà ny rafitra nifehy sy ny tsy rariny ara-tsosialy ny tanora sy ny mpianatra, nitaky fanovana lalina ho an’ny firenena.

Ankehitriny, 54 taona aty aoriana, mitohy ny ady. Ny Gen Z dia mitondra indray ny feon’ny tanora, ny vahoaka izay maniry fiovana, saingy zavatra hafa sy mifanohitra tamin'ny fitakiana no miseho ankehitriny.

Ny tolona omaly sy anio dia mitovy tanjona : fahamarinana, fiovana, fahaleovan-tena.
Fa mbola mitoetra ny fanontaniana : Iza no tena mahazo tombony amin’ny tolona rehetra izay nisy teto amin'ny firenena?

Androany, tsaroantsika ny tantara, ary averintsika ny hafatra :
Madagasikara dia tsy anay irery, tsy an'ny tanora irery, ary tsy an’ny mpanararaotra, tsy an'ny mpanao politika goaika antitra, fa an'ny vahoaka Malagasy, an'ny Taranaka.

Mitohy ny Tolona mandrapahatonga any amin'ny fanovana tena izy.
Tsy mila ireo rafitra mbola mijoro nanimba sy nandetika lalina anaty kizo ny firenena.
Aok'izay ny kolikoly sy ny fanjakazakan'ny tsy maty manota sy ny MAFIA.

Refondation tena izy ho an'ny Taninjanaka ✊🇲🇬

13/05/2026

ANTSO FANAIRANA HO AN'NY TOMPONAN'ANDRAIKITRA!

Tsy jamba angamba na marenina ianareo tompon'andraikitra ka tsy hahita na tsy haheno ny hetsika Antso sy Kaikaika ataon'ny vahoaka Malagasy mikasika ny Jiro sy Rano tato ho ato izay?

Miha-mahazo vahana ny fahatapahana lava reny tompoko raha toa ka tsy fantatrareo izany!

Ho avy ny Fanadinam-panajakana maro samihafa tsy ho ela, anisan'ny mila izany Jiro izany ny mpianatra Malagasy fa sao sanatria hanao toy ny teo aloha ka "Labozia" no entina hiatrehana fanadinana. Tena hifonana kosa fa tsy nifanarahana tamin'ny Tolona izany...

Ny mpiasa tena, ny orinasa madinika sy salantsalany, ny orinasa lehibe sns... miankina amin'ireo fotodrafitr'asa ireo ny fotompivelomany ka JEREONAREO MAIKA IZANY.

MILA PLANINA MAZAVA, MILA TATITRA MAZAVA NY ASA VITA, MBOLA MANDEHA, ARY NY MBOLA HO ATAO!

Manao Antso avo aminareo izahay fa toa makany amin'ny tsy izy ilay fanarenana sy Fanavaozana! Matoa napetraka eo ianareo dia natao hitondra vahaolana fa tsy vomaika hanampy ny olana efa misy.
Ka raha tsy mahavita dia aleo tsy misoratena ho mahavita fa omeo ny hafa mahavita hanao azy!

✊🇲🇬 MITOHY NY TOLONA - FIRAISANKINA HO AN'NY TANINJANAKA.

Address

Toamasina

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Générations Ho an'i Madagasikara Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share