Vatosoa

Vatosoa Ny fiainana dia fitambarana fotoana tsara sy fahafahana – andeha isika hankafy azy rehetra

Lohateny: Tsara toerana ny TanyRaha omena “adiresy”  ny Tany, dia toy izao:Ny Vahindanitra Mivolondronono no “fireneny”....
05/03/2026

Lohateny: Tsara toerana ny Tany

Raha omena “adiresy” ny Tany, dia toy izao:

Ny Vahindanitra Mivolondronono no “fireneny”.
Ny Rafi-masoandro (ny Masoandro sy ireo planeta manodidina azy) no “tanànany”.
Ary ny lalana izoran’ny Tany manodidina ny Masoandro no “lalana” misy azy.
Midika izany fa tsara toerana tokoa ny Tany. Efa voaporofon’ny mpahay siansa izany noho ny fandrosoan’ny astronomia sy ny fizika.

1. Toerana ao amin’ny vahindanitra
Ao amin’ny faritra tena mety tsara ao amin’ny Vahindanitra Mivolondronono no misy ny rafi-masoandro. Tsy any afovoany loatra izy io, nefa koa tsy any amin’ny sisiny loatra.
Araka ny fanazavan’ny mpahay siansa, io faritra io no faritra azo iainana.
Ao no ahitana zavatra simika ilaina amin’ny fiainana.
Raha any amin’ny sisiny loatra kosa dia vitsy ireo akora ilaina.
Raha any afovoany loatra indray dia mety hampidi-doza satria misy taratra mahery sy manimba.
Noho izany dia azo lazaina fa eo amin’ny toerana tena mety tsara no misy ny rafi-masoandro.

2. Ny lalana izoran’ny Tany
Tena mety koa ny lalana izoran’ny Tany manodidina ny Masoandro. Manodidina ny 150 tapitrisa kilaometatra eo ho eo ny halaviran’ny Tany amin’ny Masoandro.
Izany halavirana izany no mahatonga ny Tany ho:
tsy mafana loatra,
tsy mangatsiaka loatra,
ka azo iainana tsara.
Ankoatra izany, mitovitovy amin’ny faribolana ny lalana izorany. Noho izany dia tsy miova be ny halaviran’ny Tany amin’ny Masoandro mandritra ny taona.

3. Ny anjara toeran’ny Masoandro
Zava-dehibe ihany koa ny Masoandro.
Mety tsara ny haben’ny Masoandro.
Tsy miovaova be ny angovo sy ny hafanana alefany etỳ an-tany.
Izany no mahatonga azy ho kintana tena mety amin’ny fiainan’ny Tany.

4. Ny anjara toeran’ny Volana
“Mpifanolo-bodirindrina” tsara ho an’ny Tany ny Volana. Manodidina ny ampahefatry ny savaivon’ny Tany ny savaivony, ka lehibe kokoa noho ny ankamaroan’ny volana hafa ao amin’ny rafi-masoandro.
Zava-dehibe ny anjara asan’ny Volana satria:
izy no mahatonga ny fiakaran’ny ranomasina (marée),
manampy amin’ny fitoniana amin’ny fihodinan’ny Tany.
Raha tsy teo ny Volana dia mety hihilangilana be ny Tany, ka hiteraka korontana amin’ny toetrandro sy ny ranomasina.

5. Ny fitongilanana sy ny fihodinan’ny Tany
Mitongilana 23,4° eo ho eo ny Tany. Noho izany:
antonony ny hafanana eto an-tany,
samy manana ny toetrany ny faritra samihafa,
ary misy ny fizaran-taona.
Antonony tsara koa ny hafainganam-pihodinan’ny Tany amin’ny tenany. Izany no mahatonga ny halavan’ny andro sy ny alina ho mety tsara.
Raha niadana kokoa ny fihodinany dia ho lava loatra ny andro, ka ho mafana be ny lafiny iray ary ho mangatsiaka be ny lafiny iray.
Raha haingana loatra kosa ny fihodinany dia ho fohy loatra ny andro, ary mety hiteraka rivotra mahery sy olana hafa.

✅ Famintinana:
Amin’ny ankapobeny dia hita fa tsara toerana sy voalanjalanja tsara ny Tany: ny toerana misy azy ao amin’ny vahindanitra, ny halaviran’ny Masoandro, ny fisian’ny Volana, ary ny fihodinany. Izany rehetra izany no mahatonga ny Tany ho toerana mety amin’ny fiainana.

Anisan’ireo planeta mihodina manodidina ny Masoandro ny Tany. Izy no fahadimy amin’ny habe raha ampitahaina amin’ireo pl...
02/03/2026

Anisan’ireo planeta mihodina manodidina ny Masoandro ny Tany. Izy no fahadimy amin’ny habe raha ampitahaina amin’ireo planeta hafa, ary fahatelo amin’ny filaharana manomboka eo amin’ny Masoandro.
Miendrika bola ny Tany, saingy somary fisaka kely eny amin’ny tendrony roa (Avaratra sy Atsimo). Araka ny sary azo avy amin’ny zanabolana, dia tsy tena boribory tanteraka ny vohon’ny Tany.
Manodidina ny 5,98 × 10²⁴ kg eo ho eo ny lanjan’ny Tany. Ny velarany kosa dia manodidina ny 510 000 000 km². Raha refesina eo amin’ny ekoatera, dia mahery kely ny 40 000 km ny manodidina azy, ary manodidina ny 12 750 km ny savaivony.
Rakotry ny ranomasina eo amin’ny 71% eo ho eo ny velaran’ny Tany, ka manodidina ny 149 000 000 km² sisa no tany maina azo iainana.

Mihodina amin’ny tenany ny Tany, ary izany fihodinany izany no mahatonga ny andro sy alina. Maharitra 24 ora ny andro iray. Midika izany fa raha mahita ny Masoandro eo amin’ny toerana iray eny amin’ny lanitra ianao, dia 24 ora eo ho eo no handalovany vao miverina indray eo amin’io toerana io.
Ny taona kosa dia mifandray amin’ny fihodinan’ny Tany manodidina ny Masoandro. Ny faharetan’ny taona iray dia 365 andro, 5 ora, 48 minitra ary 46 segondra eo ho eo.
Mitongilana 23° 27ʹ ny Tany eo am-pihodinany manodidina ny Masoandro. Izany fitongilanana izany no antony mahatonga ny fisian’ny fizaran-taona samihafa.
Araka ny tombanan’ny mpahay siansa, misy vato sasany eto an-tany izay efa 3 500 tapitrisa taona eo ho eo ny taonany. Ny Tany manontolo kosa dia tombanana ho 4 000 ka hatramin’ny 4 500 tapitrisa taona eo ho eo, na mety mihoatra aza.

FIZARANA FAHATELO FARANY INONA NO ILANA NY VOLA?Diso hevitra ireo mihevitra fa ny vola irery no mahasambatra sy mampilam...
28/02/2026

FIZARANA FAHATELO FARANY

INONA NO ILANA NY VOLA?
Diso hevitra ireo mihevitra fa ny vola irery no mahasambatra sy mampilamin-tsaina. Izany no antsoina hoe “famitahan’ny harena”. Tsy ny vola no loharanon’ny tena fahasambarana.
Na izany aza anefa, zava-dehibe eo amin’ny fiainana andavanandro ny vola. Izy no ahafahantsika mamaly ny filàna fototra toy ny sakafo, fitafiana, trano fonenana, fitsaboana, ary fianarana. Mila vola koa isika hikarakarana sy hiarovana ny fianakaviantsika.

AHOANA NO HAMPIASANA NY VOLA?
Tokony hampiasaina amim-pahendrena sy amim-pitandremana ny vola. Ireto misy torohevitra hanampy anao:
Manaova teti-bola.
Soraty daholo ny vola miditra sy mivoaka mandritra ny iray volana, na kely na be. Ho hitanao amin’izany izay tena mandany vola sy izay tsy dia ilaina loatra.

Ataovy lisitra ny fandaniana tsy maintsy atao.
Soraty tsirairay ireo (hofan-trano, jiro, rano, sakafo, sns.) ary asio ny vola tokony ho lany isam-bolana.

Zarazarao avy hatrany ny vola raisinao.
Rehefa mandray karama dia alefaso amin’ny sokajy samihafa (na valopy samy hafa) arakaraka ny fandaniana voafaritra.

Mahaiza mianina.
Aza mividy zavatra tsy takatry ny volanao, ary ialao ny fividianana tampotampoka tsy voahevitra.

Ovao izay azo ovaina.
Ohatra, raha mandany vola be ny misakafo any ivelany, dia andramo mahandro ao an-trano matetika kokoa.

Manaova tahiry.
Manangòna vola ho an’ny ho avy na ho an’ny zava-dehibe mety hitranga tampoka.

Aza tia mitrosa, indrindra raha misy zanany.
Mety hitondra olana sy enta-mavesatra ara-bola izany.

Miezaha ho tia manome.
Tsara ny mizara amin’ny hafa arakaraka izay vitanao.

AHOANA NO FIHEVERANAO NY VOLA?
Zava-dehibe ny mandinika ny toe-tsaintsika momba ny vola.
Manontania tena hoe:

Mahihitra ve aho?

Mahatonga ahy manambony tena ve ny vola ananako?

Mandainga na mamitaka olona ve aho mba hahazoana vola?

Olona tia miresaka vola sy fananana foana ve no safidiko ho namana?

Vola foana ve no ao an-tsaiko?

Tia vola loatra ve aho ka misy fiantraikany amin’ny fahasalamako sy ny fifandraisako amin’ny fianakaviako izany?

Raha mahatsikaritra fa misy amin’ireo mihatra aminao, dia miezaha manitsy tena. Aza avela hibahan-toerana ao am-ponao ny fitiavam-bola.

Aza atakalo vola ny namanao, ny fianakavianao, ary ny fahasalamanao.

Rehefa mahay mandanjalanja sy mampiasa vola amim-pahendrena ianao, dia ho hita fa voafehinao ny vola — fa tsy ianao no fehezin’ny vola.

FIZARANA FAHAROA: OLANA SY FIJERY DISO MOMBAN'NY VOLAOLANA EO AMIN’NY VOLAFandre matetika ny hoe: “Ny vola no hozatry ny...
27/02/2026

FIZARANA FAHAROA: OLANA SY FIJERY DISO MOMBAN'NY VOLA

OLANA EO AMIN’NY VOLA
Fandre matetika ny hoe: “Ny vola no hozatry ny fiainana.”
Misy fahamarinany izany, satria ilaina tokoa ny vola amin’ny fiainana andavanandro: hividianana sakafo sy akanjo, handoavana hofan-trano, hividianana trano, ary hanefana adidy maro samihafa.

Hoy ny mpanao gazety iray:
“Tena ilaina eo amin’ny fiaraha-monina ny vola. Raha tsy ampiasaina amin’ny fifanakalozana intsony izy, dia ao anatin’ny iray volana monja dia hiady saina sy hisahotaka ny olona.”

VOAFETRA NY VITAN'NY VOLA
Na dia ilaina aza ny vola, dia misy fetra ny heriny.

Hoy ilay poety norvezianina Arne Garborg:
“Ny sakafo no voavidim-bola, fa tsy ny fahazotoan-komana;
ny fanafody, fa tsy ny fahasalamana;
ny fandriana tsara, fa tsy ny torimaso;
ny fahalalana, fa tsy ny fahendrena;
ny haingo, fa tsy ny hatsaran-tarehy;
ny harena, fa tsy ny fitiavana;
ny fahafinaretana, fa tsy ny fifaliana;
ny olom-pantatra, fa tsy ny namana;
ny mpanompo, fa tsy ny olona mendri-pitokisana.”
Mazava àry fa tsy mahavidy ny zava-drehetra ny vola.

NY TENA OLANA: FITIAVAM-BOLA
Ho afa-po eo amin’ny fiainana ny olona iray raha tsy ataony ho zava-dehibe indrindra ny vola.

Marihina mazava:
❌ Tsy ny VOLA no RATSY
⚠️ Fa ny FITIAVAM-BOLA no mampidi-doza.

Raha tia vola loatra ny olona iray dia mety ho simba ny fifandraisany amin’ny namany sy ny havany.
Misy ohabolana Malagasy milaza hoe:

“Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.”

TOETRAN'NY OLONA TIA VOLA LOATRA
Be fanahiana :Mety tsy hahita tory noho ny ahiahiny amin’ny harenany.
Tsy mety afa-po: Te hahazo bebe kokoa foana.
Mety hanao zava-dratsy: Toy ny misoloky, mamitaka, mangalatra, na manao fihetsika mampidi-doza hafa.

Vokatry ny olana ara-bola ao an-tokatrano
Araka ny fanadihadiana ataon’ny mpikaroka, dia olana ara-bola matetika no mahatonga mpivady hisaraka. Amin’ny olona sasany, ny vola dia lasa zava-dehibe kokoa noho ny voadim-panambadiana, na indraindray noho ny ainy mihitsy aza.

FOMBA FIJERY DISO MOMBA NY VOLA
Indraindray, ny fomba FIJERINTSIKA ny VOLA dia mety HAHATONGA antsika HITSARA DISO ny hafa.
Ohatra:
Ny mpanankarena mety hieritreritra fa kamo ny olona iray raha mahantra izy.
Ny mahantra indray mety hihevitra fa tia tena na tia vola loatra ny olona iray raha manankarena izy.
Ireo fomba FIJERY ireo dia mety HITERAKA FITSARANA AN-TENDRONY sy tsy fifankahazoana eo amin’ny samy olona.

Inona àry no tokony hotadidintsika?
Aza MANAKIANA ny olona noho ny FANANANY VOLA — na kely izany na be.
Tsy ny HABETSAHAN'NY VOLA ananan’ny olona no tena OLANA, fa ny TOE-TSAINY manoloana izany.
Satria:
Misy olona manam-bola nefa manetry tena sy malala-tanana.
Misy kosa manana vola kely nefa mety hanana toe-tsaina tsy mety.

Famintinana
Ny vola dia fitaovana fotsiny.
Ny toetra sy toe-tsaina no tena mamaritra ny maha-olona.

Ny olona mahay mandanjalanja dia tsy mametraka ny fitokisany amin’ny vola irery. Fantany fa fitaovana ilaina ny vola, saingy tsy izy no mamaritra ny tena hasarobidin’ny fiainana.

25/02/2026
FIZARANA VOALOHANY Lohateny: NY NIANDOHAN’NY VOLAFanazavana:Taloha be, tsy mbola nisy vola tahaka ny ankehitriny. Ny olo...
25/02/2026

FIZARANA VOALOHANY

Lohateny: NY NIANDOHAN’NY VOLA

Fanazavana:
Taloha be, tsy mbola nisy vola tahaka ny ankehitriny. Ny olona dia nampiasa takalo mba hividianana na hanakaloana zavatra. Izany no fomba fividianan-javatra tranainy indrindra.
Matetika, biby fiompy no natao takalo, toy ny omby na ondry.
Avy amin’ny teny latinina hoe pecus izay midika hoe “omby” no niavian’ny teny hoe pecunia, izay nadika hoe “vola”.
Midika izany fa nifandray akaiky tamin’ny biby fiompy ny niandohan’ny vola.
Na izany aza, tsy mora ny mitondra na manakalo biby fiompy sy sakafo isaky ny mividy zavatra.
Noho izany, nanomboka nampiasa metaly sarobidy toy ny volamena sy volafotsy ny olona.
Efa tamin’ny taona 2018 Talohan’i Kristy (TK) no nampiasaina ho vola ireo metaly ireo.
Tsy mbola vola madinika tahaka ny ankehitriny anefa izy tamin’izany, fa natao ho vaingany, na peratra, na brasele, na zavatra hafa, ary efa nisy lanjany voafaritra tsara.
Tsara ho fantatra fa amin’ny teny hebreo, ny teny nadika hoe “vola” dia midika ara-bakiteny hoe “volafotsy.”
Matetika, nolanjain’ny mpividy ilay metaly rehefa natao takalo, mba hahazoana antoka fa mitovy lanja amin’ny zavatra vidiana izy.

Lohateny: FIANDOHAN’NY VOLA MADINIKA
Fanazavana:
🔹 Fiandohany
Heverina fa tamin’ny manodidina ny 700 Talohan’i Kristy (T.K.) no nipoitra ny vola madinika voalohany. Tamin’izany fotoana izany dia efa nanomboka namolavola metaly ho boribory kely misy marika manokana ny olona, mba hanamora ny fifanakalozana sy ny fividianana entana.
🔹 Sandany
Tsy tena fantatra mazava ny sandan’ny vola fahiny amin’ny vola ampiasaintsika ankehitriny, na dia ezahina avadika ho dolara aza. Samy hafa mantsy ny lanja sy ny toe-karena tamin’izany fotoana izany, ka sarotra ny mampitaha azy amin’ny vanim-potoana ankehitriny.
🔹 Vokatry ny fampiasana vola
Mahasoa ny vola satria manamora ny varotra sy ny fifanakalozana, ary manampy amin’ny fandrindrana ny fiainana andavanandro.
Kanefa, mety hiteraka olana koa izy raha ampiasaina amin’ny fomba tsy mety. Noho izany, ilaina ny fahendrena sy ny fahaiza-mitantana azy.
👉 Ireo lafiny ireo no hazavaina sy horesahina bebe kokoa ato

Abonnéo ny pejy dia partagéo 🙏 mankasitraka

🔎 FAMPIDIRANA: NY VOLA EO AMIN’NY FIAINANAAnisan’ny zava-dehibe eo amin’ny fiainan’olombelona ny vola.Ilaina ny vola ami...
24/02/2026

🔎 FAMPIDIRANA: NY VOLA EO AMIN’NY FIAINANA

Anisan’ny zava-dehibe eo amin’ny fiainan’olombelona ny vola.
Ilaina ny vola amin’ny filàna andavanandro: sakafo, akanjo, trano, ary adidy maro samihafa.
Maro no milaza fa “ny vola no hozatry ny fiainana”.
Misy fahamarinany izany, nefa ilaina koa ny mandinika:
Inona no tena anjara toerana tokony hananan’ny vola eo amin’ny fiainantsika?
📚 Tsy ho ela dia handinika sy hianatra bebe kokoa momba ny “VOLA” isika.

🔴 INONA NO ATAO HOE NAMANA? Ny NAMANA  dia olona iray manan-danja eo amin’ny fiainantsika.Izy afaka MANAMPY ANTSIKA HO F...
22/02/2026

🔴 INONA NO ATAO HOE NAMANA?

Ny NAMANA dia olona iray manan-danja eo amin’ny fiainantsika.
Izy afaka MANAMPY ANTSIKA HO FALY SY HO AFA-PO amin’ny fiainana andavan’andro.
Raha manana NAMANA TSARA isika, dia misy VOKANY TSARA eo amin’ny fiainantsika izany, ary MIHATSARA NY TOETRANTSIKA.

Ny TENA NAMANA dia:
🔴 TIA AMIN’NY FOTOANA REHETRA 🔴
🔴 TSY MANDÀ NA DIA MISY OLANA AZA 🔴
🔴 RAHALAHY NATAO HANAMPY AMIN’NY FOTOAN-TSAROTRA 🔴

Ankehitriny dia MANDROSO BE NY TEKNOLOJIA , ka MORA KELY NY MAHAZO NAMANA AN-JATONY NA AN’ARIVONY AO AMIN’NY INTERNET 🔴.
Ampidirinao ho isan’ny “namanao” fotsiny izy, dia efa voasoratra ao anaty lisitra. Raha tsy tianao intsony dia esorinao amin’ny tsindry iray monja — dia tsy “namanao” intsony izy.
Saingy mampiseho zavatra iray izany: BETSAKA NO MANANA “CONTACT”, FA VITSY NO MANANA TENA NAMANA 🔴.

Mety hiaiky ianao fa 🔴 ILAINA NY TENA NAMANA 🔴 eo amin’ny fiainana.
Ny tena namana dia tsy vitan’ny hoe voatahiry ao anaty telefaonina na ordinatera fotsiny, fa olona 🔴 MIARA-MIZARA FIFALIANA SY FAHORIANA, olona AZO ITOKISANA SY IANTEHERANA amin’ny fotoana rehetra.

Tsy ho azo ho azy anefa izany raha MANAMPY ANARANA FOTSINY AO ANATY LISITRA isika.
Mila fifandraisana lalina, mila fahatokisana, mila fitiavana marina.
Koa andeha isika hanontany tena:

🔴 HOATRA NY AHOANA NY ATAO HOE TENA NAMANA?
🔴 INONA NO TOKONY HATAONAO MBA HO NAMANA TSARA IANAO?
🔴 AHOANA NO ATAO MBA HAHARETANA NY FINAMANANA?

Ireo fanontaniana ireo no hanampy antsika hahatakatra fa ny tena finamanana dia tsy isa ao anaty tambajotra, fa FIFANDRAISANA VELONA SY MAHARITRA

🔴 ZAVA-DEHIBE NY MAHAY MIFIDY NAMANA

TENA ILAINA NY MAHAY MIFIDY NAMANA, satria mety HIDIRAN-DOZA ISIKA RAHA NAMANA DRATSY NO IARAHANTSIKA.

Ny namana dia misy fiantraikany amin’ny toetrantsika sy ny fanapahan-kevitra raisintsika.

🔴 INONA NO ATAO HOE TENA NAMANA? 🔴

Tsy ampy ny manao olona ho namana satria fotsiny hoe mitovy ny zavatra tianareo na mitovy ny fialam-boly ankafizinareo.
Ny tena namana dia mihoatra lavitra noho izany.

🔴 INONA AVY NY TOETRA TOKONY HANANAN’NY NAMANA TSARA?

🔴 TIA AMIN’NY FOTOANA REHETRA
Tsy mivadika, be fitiavana, tsara fanahy, ary tia manome.

🔴 AZO ATOKISANA
Vonona hanampy rehefa misy olana, tsy mandao amin’ny fotoan-tsarotra.

🔴 AZO IANTEHERANA
Mikarakara toy ny rahalahy na anabavy mpiraitampo, indrindra rehefa sendra zava-tsarotra.

🔴 MAHASAHY MITENY NY MARINA
Tsy misalasala manoro hevitra raha hitany fa mety hanao zavatra tsy mety na handray fanapahan-kevitra ratsy ianao.

🔴 FITIAVANA TSY MITADY VALINY
Tsy manao soa mba hahazo tambiny, fa maneho fitiavana amin’ny asa sy fihetsika.

Noho izany, ny tena namana dia tsy olona iarahana mihomehy sy milalao fotsiny, fa OLONA MIKAJY NY HAHASOAN’NY NAMANY ary mijoro miaraka aminy amin’ny fotoana rehetra.

21/02/2026

Inona no atao hoe : Tena Namana
Araho ny pejy abonnéo dia partagéo

Address

Tanambao
Toamasina
501

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vatosoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share