Fanilon'I Madagasikara Toamasina

Fanilon'I Madagasikara Toamasina fanilon'i Madagascar Toamasina

đŸ•Šïž Tsy maty ny skoto fa miala sasatra.Miala amin’ny lasy eto an-tany izy,ary mankany amin’ny Lasy Lehibe Mandrakizay,iza...
23/03/2026

đŸ•Šïž Tsy maty ny skoto fa miala sasatra.
Miala amin’ny lasy eto an-tany izy,
ary mankany amin’ny Lasy Lehibe Mandrakizay,
izay andraisàn’ny Tompo azy manodidina ny afo izay tsy mety maty.
Amin’alahelo lehibe no ilazanay aminareo fa nodimandry i Tonia Sarah, mpikambana ato amin’ny Paroasy Masimbavy Terezy .
Ny nofo mangatsiakany dia ao amin'ny Terrain Lemalade Ambohijafy
Miara-miory amin’ny fianakaviany sy ny havany izahay amin’izao fahoriana izao.
Mirary fiononana feno ho an’ny Fanilo Masimbavy Terezy sy ny Diosezy Toamasina manontolo.
Tongavasoa any amin’ny lasy mandrakizay Tonia. 😭 đŸ•Šïž
Enga anie Andriamanitra handry am_piadanana n'y Fanahiny đŸ™đŸ»
Mandria am-piadanana Tonia leona .

Taorian’ny rivodoza GEZANI, mihetsika am-pitiavana sy fahafoizan-tena ny tanora  ao amin’ny Fanilon'i Madagasikara Diose...
26/02/2026

Taorian’ny rivodoza GEZANI, mihetsika am-pitiavana sy fahafoizan-tena ny tanora ao amin’ny Fanilon'i Madagasikara Diosezy Toamasina đŸ’Ș✹. Voaofana amin’ny fenitry ny fanampiana vonjy taitra miaraka amin’ny Medair izy ireo ary vonona hanohana sy hanome fanantenana ho an’i Tamatave 💙.


AprĂšs le cyclone GEZANI, les jeunes Fanilon'i Madagasikara Diosezy Toamasina se mobilisent avec cƓur et dĂ©termination đŸ’Ș✹. FormĂ©s aux standards de l’aide humanitaire avec Medair, ils sont prĂȘts Ă  soutenir et redonner espoir Ă  Tamatave 💙.

🌍100 taona sahady !🏕Ny lohahevitra tamin’ity taona ity dia :« Our Friendship » (Ny finamanantsika / Notre amitiĂ©) — mank...
22/02/2026

🌍100 taona sahady !🏕
Ny lohahevitra tamin’ity taona ity dia :
« Our Friendship » (Ny finamanantsika / Notre amitiĂ©) — mankalaza ny finamanana izay mampiray antsika maneran-tany. 💛
Na dia teo aza ny fahasarotana, izahay Fanilon’i Madagasikara Diosezy Toamasina dia nankalaza izany andro lehibe izany teny amin’ny paroasy tsirairay.
Natomboka tamin’ny Lamesa Masina ny fankalazana, narahina asa soa sy fizarana tsiky, izay hita taratra amin’ireto sary ireto.
Mankasitraka indrindra ireo Skoto Zazavavy Malagasy izahay izay nahatsiaro sy nanohana anay. Mbola mangataka hatrany ny fiombonanareo sy ny fanohananareo amin’ny dianay.
Araka ny tenin’i Olave Baden-Powell :
« Ny skoto Zazavavy dia mitondra finamanana manerana izao tontolo izao. »
Ary hoy i Baden-Powell :
« Miezaha hamela ity tontolo ity ho tsara kokoa noho izay nahitanao azy. »
⚜ Vonona lalandava. Miray fo lalandava.
💙 Happy World Thinking Day !
──────────
🌍 JOURNÉE MONDIALE DE LA PENSÉE – 100 ans dĂ©jĂ  !
Le thÚme de cette année était :
« Our Friendship » (Notre amitiĂ© / Ny finamanantsika) — une cĂ©lĂ©bration de la fraternitĂ© et de l’amitiĂ© qui nous unit Ă  travers le monde. 💛
MalgrĂ© les difficultĂ©s, nous, Fanilon’i Madagasikara Diosezy Toamasina, avons cĂ©lĂ©brĂ© cette belle journĂ©e dans chaque paroisse.
La célébration a commencé par la Sainte Messe, suivie de bonnes actions et de partages de sourires, comme le montrent ces photos.
Nous adressons nos sincĂšres remerciements Ă  nos sƓurs Skoto Zazavavy Malagasy qui ont pensĂ© Ă  nous et nous ont encouragĂ©es. Nous demandons encore votre union et votre soutien dans notre mission.
Comme l’a dit Olave Baden-Powell :
« Le guidisme apporte l’amitiĂ© au monde entier. »
Et Baden-Powell nous rappelle :
« Essayez de laisser ce monde un peu meilleur que vous ne l’avez trouvĂ©. »
⚜ Toujours prĂȘtes, toujours unies.
💙 Happy World Thinking Day !

🌿 Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani
Na dia isan’ireo traboina aza, dia nitsangana sy nandray andraikitra hatrany ...
19/02/2026

🌿 Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani

Na dia isan’ireo traboina aza, dia nitsangana sy nandray andraikitra hatrany ny skoto.
Ny skoto, isan’izany ny Fanilon’i Madagasikara – Diosezy Toamasina, dia nanao fanentanana sy fanadiovana teny amin’ireo toerana samihafa, ho fanampiana ny fiaraha-monina.
Na dia tao anatin’ny fahasahiranana aza, dia nisafidy ny hanompo sy hanampy hatrany izy ireo. 💚
Ny skotisma dia fanompoana.
Ny skotisma dia firaisankina.
Ny skotisma dia fitiavana ny hafa.
Mirehareha aminareo izahay.
Hiara-hitsangana isika rehetra. ✹
—
🌿 Aprùs le passage du cyclone Gezani

MalgrĂ© qu’ils soient eux aussi sinistrĂ©s, les scouts ont rĂ©pondu prĂ©sents.
Les scouts, y compris Fanilon’i Madagasikara – Diosezy Toamasina, ont menĂ© des actions de sensibilisation et de nettoyage sur les diffĂ©rents sites, avec courage et esprit de service.
Ils ont choisi d’aider, de servir et de soutenir la communautĂ©, mĂȘme dans leurs propres difficultĂ©s. 💚
Le scoutisme est un engagement.
Le scoutisme est un service.
Le scoutisme est une fraternité.
Fiers de nos scouts.
Ensemble, nous nous relùverons. ✹

đŸŒŒ Fetin’i Masimbavy AgnĂšs đŸŒŒMankalaza ny fetin’ny Olomasina mpiaro ny Hanitriniala – sampana  mavo 🌿💛Mba ho tahaka azy iz...
21/01/2026

đŸŒŒ Fetin’i Masimbavy AgnĂšs đŸŒŒ
Mankalaza ny fetin’ny Olomasina mpiaro ny Hanitriniala – sampana mavo 🌿💛

Mba ho tahaka azy izy ireo :
🙏 matanjaka amin’ny finoana
đŸ€ madio fo
đŸ”„ sahy mijoro amin’ny marina
✹ mahatoky amin’ny fanompoana
Amin’ny ohatra navelany, azo antoka ny taranaka mpandimby đŸŒ±đŸ”„
ary mitoetra ho velona sy mamiratra ny fanahin’ireo Hanitriniala 💛✹

🙏 Vavaka
Ry Masimbavy AgnĂšs đŸ€
tariho sy arovy ny Hanitriniala 🌿
omeo fo madio sy finoana mafy izy ireo 🙏
ampaherezo hanohy ny lalana navelanao đŸ”„
mba ho taranaka mpandimby matanjaka sy mahatoky đŸŒ±âœš
Amen🙏💛

Fanilo fitaratra, fahazavan’izao tontolo izao đŸ•ŻïžđŸŒMandritra izao vanim-potoana  Fiaviana izao , izahay Fanilon'I Madagasi...
24/12/2025

Fanilo fitaratra, fahazavan’izao tontolo izao đŸ•ŻïžđŸŒ
Mandritra izao vanim-potoana Fiaviana izao , izahay Fanilon'I Madagasikara Toamasina dia nizara fitiavana sy asa soa đŸ€
tany amin’ny pĂ©diatrie ao amin’ny hĂŽpitaly BĂȘ Toamasina đŸ„đŸ‘¶
Na dia kely aza ny ataontsika, lehibe eo imason’Andriamanitra âœšđŸ•Šïž

🌟 Fanilo fitaratra, fahazavan’izao tontolo izao. 🌟Ilay Zaza teraka tao anaty fahatsorana sy fanetren-tena ✹ no fahazavan...
17/12/2025

🌟 Fanilo fitaratra, fahazavan’izao tontolo izao. 🌟
Ilay Zaza teraka tao anaty fahatsorana sy fanetren-tena ✹ no fahazavan’izao tontolo izao 🌍💡
Nandritra ity "rĂ©collection "ity ,izay natao tao amin'ny Paroasy Sainte Croix ,n'y alahady 14 dĂ©cembre ,đŸ™đŸ€,dia niverina tamin’ny fototra izahay ary tsapantsika fa ny fahazavana dia tsy avy amin’ny hery fa avy amin’ny fitiavana â€ïžđŸ”„

Amin’ny maha Fanilon’i Madagasikara anay đŸ‡ČđŸ‡ŹđŸ•Żïž,
dia antsoina izahay ho vavolombelon’izany hazavana izany 🌈
hazavana mitondra fihavanana đŸ€, fanajana 🌿, fanantenana đŸŒ± ary fanompoana 💞
entintsika manazava izao tontolo izao 🌍✹, manomboka eto amin’ny tanintsika đŸ‡Č🇬💛

Mankasitraka Masera roa Vavy zoky am-panahy ny Fanilon'I Madagasikara Toamasina nifampizara taminay đŸ™đŸ»â™„ïžâ™„ïž.

✹ « Ny Fiaviana 2025 dia manokatra lalana ho antsika hitoetra miambina sy hatoky tanteraka : Tompo no ho avy hanavao ny ...
08/12/2025

✹ « Ny Fiaviana 2025 dia manokatra lalana ho antsika hitoetra miambina sy hatoky tanteraka : Tompo no ho avy hanavao ny fiainantsika, hanazava ny dian-kombatsintsika ary hanadio ny fontsika. » ✹
📖 « Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo ny andro na ny ora. » (Mt 25,13)

📘 Fandaharam-potoanan’ny RĂ©collection – Sainte Croix :
â›Ș 07h00 – Lamesa : fidirana amin’ny fotoam-piandrasana amin’ny alalan’ny Eokaristia.
đŸ•Šïž 09h00 – RĂ©collection : fotoana fihainoana, fisaintsainana ary fibebahana anaty.
🙏 11h30 – Firavana : fitsofan-drano sy fiverenana amin’ny fiadanana.

📱Manasa antsika Fanilo rehetra (Beazina , Mpiandraikitra,Tonia ,Filoha ,FATRA,Vona Iray )

🌿 Fampahatsiahivana ny fihaonambe GLACC — IndĂ©so ny Fiovagna 🌍✹Misaotra betsaka anareo rehetra tonga sy nandray anjara t...
01/12/2025

🌿 Fampahatsiahivana ny fihaonambe GLACC — IndĂ©so ny Fiovagna 🌍✹
Misaotra betsaka anareo rehetra tonga sy nandray anjara tamin’ny Sabotsy 🙏💚
Nampahery sy nanentana ny Fanilon’i Madagasikara đŸ”„ ary nampiakatra ny feon’ny tanora vehivavy ✹ ireo tanora vehivavy telo nandray fitenenana.
Misaotra manokana ny Association Étoiles du DĂ©veloppement ✹ sy ny Association WBTS đŸ€ noho ny fandraisana sy ny fanohanana, ary indrindra fa amin’ity fotoana voalohany hiara-misalahy ity.
Ity hetsika ity dia manamarika ny fanombohan’ny fiara-miasa maharitra, ao anatin’ny ady iombonana ho an’ny tranobe iombonana — ny planeta itodihantsika rehetra sy an’ny taranaka ho avy 🌍💚.
Mankasitraka ny herinareo, ny fanontanianareo ary ny fandraisan’anjaranareo 🌟
Andao hiara-mihetsika hanohy hiaro sy hitandro ny tontolo iainantsika 💚🌿

📾 Sombin-tsary manamarika ity fotoana manan-tantara ity


🌿 Retour sur notre belle confĂ©rence GLACC — IndĂ©so ny Fiovagna 🌍✹
Un immense merci Ă  toutes celles et ceux qui ont participĂ© ce samedi 🙏💚
Nos trois jeunes femmes engagĂ©es ont portĂ© la voix des Fanilon’i Madagasikara đŸ”„ et inspirĂ© les jeunes femmes ✹.

Un remerciement particulier Ă  l’Association Étoile de dĂ©veloppement ✹ et Ă  l’Association WBTS đŸ€, pour cette premiĂšre occasion de travailler ensemble et pour leur soutien prĂ©cieux.
Cet Ă©vĂšnement marque le dĂ©but d’une collaboration durable, inscrite dans une lutte commune pour notre maison commune 🌍💚, notre planĂšte et celle des gĂ©nĂ©rations futures.
Merci pour votre prĂ©sence, vos Ă©changes et votre engagement 🌟
Continuons Ă  avancer ensemble pour protĂ©ger notre environnement 💚🌿

📾 Retour en images sur ce moment fort


CONFÉRENCE : INDESO NY FIOVAGNA — GLACC(Girl-Led Action on Climate Change)📅 Sabotsy 29 Novambra🕘 amin’ny 09 ora maraina📍...
27/11/2025

CONFÉRENCE : INDESO NY FIOVAGNA — GLACC
(Girl-Led Action on Climate Change)
📅 Sabotsy 29 Novambra
🕘 amin’ny 09 ora maraina
📍 Petit SĂ©minaire Androranga
Manasa antsika Fanilo rehetra ❀, ny tanora ary izay rehetra liana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izahay mba hanatrika ity fihaonambe manokana ity.
Ny tanjona dia ny hanabe sy hanentana, indrindra fa ny ankizivavy sy vehivavy, mba handray anjara mavitrika amin’ny tolona hiatrehana ny fiovan’ny toetrandro 🌍.Hizara ny traikefany sy ny fikatrohany ireto tanora vehivavy mpandahateny ireto :
✹ RAZAFINTSIHORINA JosĂ©phine Emmanuela – Coordinatrice GLACC, Diosezy Toamasina
✹ VELONTODY Marie Francisca – Filohan’ny Association Étoiles du DĂ©veloppement
✹ RAMBELOARILANTO Mbolatiana Ornela – Mpikambana, Association WBTS

Tongava maro !
👉 Hahazo fahalalana
👉 Hahazo aingam-panahy
👉 Hahatonga antsika hihetsika sy handray andraikitra

"Hiaro ny tontolo iainantsika isika rehetra. Hiara-mihetsika, hiara-baiko,ho henoina feon-tsika . "💚

🌿 CONFÉRENCE : INDESO NY FIOVAGNA — GLACC 🌿
(Girl-Led Action on Climate Change)
📅 Samedi 29 Novembre
🕘 À 09h
📍 Petit SĂ©minaire Androranga
Nous invitons chaleureusement les Fanilo, les jeunes, et toutes les personnes sensibles Ă  l’environnement Ă  assister Ă  cette confĂ©rence spĂ©ciale.
L’objectif est de sensibiliser et encourager, en particulier les filles et femmes, à s’engager activement dans la lutte contre le changement climatique 🌍.

Trois jeunes femmes inspirantes partageront leurs expériences :
✹ RAZAFINTSIHORINA JosĂ©phine Emmanuela – Coordinatrice GLACC, DiocĂšse Toamasina
✹ VELONTODY Marie Francisca – PrĂ©sidente, Association Étoiles du DĂ©veloppement
✹ RAMBELOARILANTO Mbolatiana Ornella – Membre, Association WBTS

Venez nombreux !
👉 Pour apprendre
👉 Pour s’inspirer
👉 Pour agir ensemble

"ProtĂ©geons notre planĂšte. Ensemble, faisons entendre nos voix." 💚

24/02/2025

"Ny tantarantsika "đŸ€â™„ïž

💛 22 Febroary 2025
Andron'ny Fifampahatsiarovana 💛

💚 Hetsika haitaky tao amin'ny CSJT Toamasina ,niarahan'ny Skotisma Zazavavy Malagasy .
Lahasa niarahana tamin'ny beazina rehetra FIM(Fanilon'I Madagasikara )_MEM(Mpanazava Eto Madagasikara)_KiM(Kiadin'I Madagasikara) 💚

♄ Mamy ny fiarahana, Hiroborobo hatrany anie n'y Skotisma Zazavavy ♄

La joie du scoutisme đŸ„°đŸ‘­

🍀Ry Fifankatiavana o đŸŽč😍 â™„ïžđŸ€Andro ray sisa dia Tonga ny Andron'ny Fifampahatsiarovana 💓Isika Diosezy Toamasina no mandray...
20/02/2025

🍀Ry Fifankatiavana o đŸŽč😍 ♄

🍀Andro ray sisa dia Tonga ny Andron'ny Fifampahatsiarovana 💓
Isika Diosezy Toamasina no mandray ny hietsika Nasionaly amin'ity ,koa manasa antsika rehetra hanatrika ny lanonana 😍

🍀Ny Skoto Zazavavy Malagasy dia faly manasa antsika rehetra hiara-hankalaza aminay io Andro manan-danja aminay io .
Ny Toerana dia ao amin'ny CSJT Cité Procops,en face CEG Ratsimilaho ,ny sabotsy 22febroary 2025 manomboka amin'ny 09 ora Maraina.

🕘Fandaharam_potoana 🍀

đŸŒ€ïžMaraina :Vavaka 🙏
Seremonia 🍀
Lahasa haitaky sy Fanentanana "Ankizilavy matanjaka amin'ny fanjarian_tsakafo "👭đŸ’ȘđŸ„—
Fiaraha miala hetaheta đŸč

☀Tolakandro :Lahasa ho an'ny beazina ❀

Ndao hiara _hankalaza akiaaaaaa đŸ‘­â€ïžđŸ€

Address

Toamasina

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fanilon'I Madagasikara Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share