27/03/2026
🌍 Adin’ny iray ho an’ny Tany (Earth Hour) tao Sambava : manomboka amin’ny asa mivaingana, ary ny ankizy sy ny tanora no lohalaharana.
25-03-26, taty Sambava, tsy tamin’ny kabary no nanombohan’ny fankalazana. Nanomboka tamin’ny asa fanadiovana, tamin’ny fahalalana vaovao mahakasika ny tontolo iainana, tamin’ny tanora mavitrika nampita ny fahaizany, ary tamin’ny fiaraha-mientana ho an’ny Tany izany.
Tao amin’ny EPP Soavinandriana, maherin’ny 530 ireo mpandray anjara niara-nientana tamin’ity fankalazana ity. Mpianatra liana handalina fahalalana vaovao, mpampianatra, Lamoty Conservation , notohanan’ny fitalevam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy sy ny ekipan’ny WWF ao Sambava.
Anisan’ny natao tamin’izany ny fanadiovana manodidina ny sekoly, ny fananganana zaridaina misy voninkazo, ny fanabeazana momba ny tontolo iainana, ary ny fampahafantarana momba ny fihetsika maitso sy ny fanodinana fako. Mazava ny hafatra : efa mpandray anjara amin’ny fiovana ny ankizy.
Tamin’ny alalan’ity hetsika ity dia nahafantatra ny tantaran’ny 20 taonan’ny Earth Hour ny mpianatra, ny maha zava-dehibe ny ala sy ny faritra arovana, ary indrindra ilay hafatra fototra: “manomboka amin’ny fihetsika tsotra, tsy akiandriandry ny fiarovana ny natiora.”
Ary mba haharetan’ny fandraisana andraikitra mihoatra noho ny andro iray monja, dia nisy fitaovana natolotra ny sekoly hoenti-mikarakara ny zaridaina: dabam-pako, fanondrahana voninkazo, angady ary rateaux.
Satria mino izahay fa ny famolavolana ny ankizy amin’ny fitiavana sy fiarovana ny tontolo iainana dia miatomboka dieny izy kely.
Ary ianao, inona no ataonao amin’ity Adin’ny iray ho an’ny Tany (Earth Hour) 2026 ity?