06/01/2025
AHOANA NO AHAFANTARANA NY FITIAVANA MARINA SY NY FITIAVANA FITAKA?
Izay matoky ny fony dia adala, fa izay mandeha amin'ny fahendrena no afa-miala.
OHABOLANA 26 : 28.
Olombelona isika ka mety ho voafitaka, mety diso fijery koa indraindray ka mba tena hamantatana ny marina dia ireto misy fomba 7:
1- MANONTANY OLO MANODIDINA AZY SY OLONA AKAIKY ANAO.
Tokony hanontanianao ireo olona akaiky azy, hoe ahoana tsara izy io?
Ataovy mitovy olona hividy tany ka ny voisin no alaina atao vavolombelona. Ireo manko mahafantatra ny tena zava-misy marina eo.
2-NY IRAY AMAN-DRENY NA ZOKY IRAY TAMPO.
Ireo no tsy hanome vato mafana sady efa misy expérience momba amour mihoatran'ny efa hitanao ka tsara ny maka ny hevitra avy aminjareo momba olo tianao.
3- MBOLA TSY AZO ANTOKA RAHA BIKA IHANY NO MAHATAITRA AZY.
N'y fitiavana tsy izy dia mifantoka amin'ny bika ary ny maso no mibaiko azy fa tsy ny saina. Io fitiavana amin'ny maso io anefa dia mikendry firaisana aranofo fotsiny.
4- MAHARITRA NY FITIAVANA TENA IZY
Ny olona tsy tena tia dia mora leo, zavatra kely tsisy dikany dia efa mampisaraka. Tsy misalasala mandroaka.
5- MAMPIAKATRA NY FIAINANAO.
Tsy mikotaba fianaranao izy ary manampy anao aza no ataony. Mba mahatsiaro anao izy. Miantso anao matetika, manontany hoe: aiza anao dia ino ataonao ao.
6- MAHENO SAMBATSAMBATRA IANAO.
Raha fijaliana ronofotsiny no iainanao dia izay no porofo fa tsy tena tiany anao. Miezaka ny mampifalifaly anao izy raha tena tia.
7- MIREHAREHA MANANA ANAO IZY.
Te hitondra anao any amin'ny namany, havany izy. Tsy miafinafina izy miaraka aminao. Ary na faly izy na misy olana dia ambarany anao daholo.
Numéro 1 manko anao aminazy.
Asio j'aime sy partage mba ho hotan'ny namantsika.
Bisous.