04/07/2026
📢 FILAZANA
Vita soa aman-tsara ny fanamboarana ampahan-dalana pavé mampitohy an’i Vavafolo sy Anosy Avaratra tamin’ity 04/07/2026 ity, izay nandraisanay ASSOCIATION TAMA Avaradrano anjara.
Hitanay fa tena ratsy ny lalana teo amin’ny fidirana ao Vavafolo, ka niezahanay natao ho tsara kokoa ho tombontsoan’ny rehetra.
🙏 Mankasitraka indrindra anareo rehetra nanampy tamin’ny ara-pitaovana sy nanohana ny asa.
Manentana antsika mpampiasa lalana mba handeha milamina sy tsy hanao fiara mandeha mafy, satria manimba haingana ny lalana izany.
Mbola mikasa ny hanohy asa izahay, saingy lany vonjimaika ny fitaovana ka miandry fotoana kely indray aloha.
🙏 Misaotra tompoko
ASSOCIATION TAMA Avaradrano