20/09/2022
⛔ Izy no ANRIANATARATRA Jule Josaphat, nianatra tao amin'ny sekoly Saint Louis de Gonzague Mandrisoa Ivato izy teo aloha. Araka ny hita amin'ny sary dia albinos izy na "Personnes atteintes d'Albunisme". Avy amina fianakaviana sahirana, tsy voakarakaran'ny reniny intsony, ary efa azo lazaina ho "abandonner" mihitsy aza izy. Ry "Masera" no nandray an-tanana ny fikarakarana sy ny fianarany fa mbola nipetraka tao amin'ny reniny ihany anefa izy na dia naniry ny hampiantrano azy ihany ry "Masera" satria ry kilasimandry zazavavy ihany no raisina ao.
Kinanjo, efa telo herinandro izao no tena narian'ny reniny tanteraka izy, tsy manana toerana hiantranoana, ary tsy afaka nanohy ny fianarany intsony.
Amin'izao dia i Mr Soja Fulgence (Président National Association Albinos Madagascar) no nandray an-tanana ny fikarakarana sy ny fampiantranoana azy ary niezaka nitady vahaolana manoloana ny toe-draharaha ary ao amin'ny renin'i Mr Fulgence izy izao. Isaorana ry "Masera" fa mbola afaka handray sy hanohy ny fikarakarana azy saingy tsy afaka ny hampiantrano azy noho izy ireo zazavavy no raisiny ho kilasimandry (izany hoe manao kilasimody izy).
❌Eo amin'ny lafiny fianarany kosa anefa no nisedrana olana satria ny sekoly tsy miankina iray ao amin'ny Zap Talatamaty-Cisco-Ambohidratrimo-DREN Analamanga, dia nanda hatramin'ny farany ny handray azy; araka ny nolazain'ny avy ao amin'ny sekoly dia manahy ny "image"-sekoly izy, "izay ankizy iray vé no hamoizanay mpianatra maro", "sao dia hifindra io fa aleo hiandry fivoriana dia hotapahina miaraka amin'ny ray aman-dreny", "moa ny sekolinay koa tsy nivonona ny handray Zaza varira zany mihitsy" [ialana tsiny raha tsy maintsy nolazaina ny anaran'ilay sekoly satria tena mampalahelo ny zava-misy].
✔️Isaorana etoana ny "Lycée privée Érudit" Ivato, nanaiky nandray azy soa aman-tsara rehefa nohazavaina ny zava-misy sy ny momba ny olona varira"Personnes atteintes d'Albunisme" fa tsy areti-mifindra izy io fa kosa tsy fahatomombanana teo am-piforonana (anomalie génétique) ary ny olombelona tsy ankanavaka dia mety hisehoan'io avoaka.
Araka izany dia miantso ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena, ny Fivondronamben'ny Sekoly tsy miankina, mba handray ny anjara tandrify manoloana ny toe-javatra toy izao, raha ny toe-draharaha toy izao dia tena mampalahelo no mahamenatra, ny sekoly natao hanabe sy hanefy ho olombanona indray no manana fototra ijoroana toy izao.
Soso-kevitra: Fanolorana fiofanana ny Mpampianatra.
©️ Association Albinos Madagascar