09/07/2026
𝗙𝗔𝗡𝗗𝗘𝗩𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗺𝗶𝗿 𝗠𝗢𝗛𝗔𝗠𝗔𝗗 𝗔𝗯𝗱𝗮𝗹𝗹𝗮𝗵 𝗣𝗶𝘁𝘆
Tontosa soa amantsara ny fandevenana Ray aman-dRenitsika izay natao teto Ampasikely (Nosy-Faly) androany 09 Juillet 2026.
Maro ireo namana tonga nanotrona ny fianakaviana avy teto Nosy-Be na mpino islam izany na tsia. Nisy ihany koa, ny solontenan'ny Djamaat Tawhid avy any Ambanja.
Taorian'ny fanaovana soalat anlal maity teto amin'ny Masjid Ampasikely (Nosy-Faly) dia niroso avy hatrany tamin'ny fandevenana azy tamin'ny fasanan-drazany.
🤲Tompotsika Allah anie hanao ny fasany ho zaridaina iray amin'ireo zaridainan'ny paradisa...amiiine🤲