30/11/2025
𝗦𝗲𝗵𝗮𝗽𝗶𝗵𝗮𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗻𝗷𝗼 𝗮𝘁𝘆 𝗠𝗲𝗻𝗮𝗯𝗲.
Ny alarobia 26 novambra farany teo no nivoaka tao amin’ny Filan-kevitry ny Ministra ny fankatoavana ny fampitana am-bava mikasika ny fanaovan-tsonia eo amin’i Madagasikara sy i Sina, mahakasika ny mankany amin’ity firenena ity.
Nanomboka tamin´ny taona 2016 no efa nisy mpandraharaha nisehatra amin´ny fanangonana, fanodinana voanjo korany ho lasa voanjo madio, ary fanondranana voanjo teto Menabe. Manamafy ny fisian´ny tsenamboanjo any Sina arak´izany io fanaovantsonia io.
Isany fepetra takiana amin´ireo Mpanondrana voanjo ny fanànana Agrement sanitaire, araka ny voalzana´nyDidimpanjakana laharana 18.080/2017, mikasika ireo taratasy fanamarinana ara-fiantohana sy ara-pahasalamana ilaina amin’ny fanondranana zavamaniry sy vokatra avy amin’ny zavamaniry.
Orinasa mpanondrana voanjo miisa 02 amin´ireo 08 miasa eto an toerana no efa manana anio agrement io, vokatry ny fiaraha miasa ny DRIC - Menabe sy ny Direction des Protections des Vegetaux eo anivon´ny Ministeran´ny Fambolena sy Fiompiana.
Na izany aza, mila ezaka manokana ny fanatsarana ny kalitaon´ny voanjo vokatra eto an toerana, satria maro ny firenena afrikanina, ireo ny ilanh andrefana no mpamoka boanjo, ary mandefa voanjo any sina avokoa.