07/04/2025
🤫Raha sendra ny échec (na faharesena), dia tsara ny mandray izany ho lesona, fa tsy ho fahaverezana tanteraka. Ireto misy zavatra azonao atao:
👉🏼1-Atsaharo aloha ny fanelingelenana
Raha vao resy ianao, dia raiso aloha ny fotoana handinihana . Aza manery ny tenanao hanohy avy hatrany.
👉🏼2-Diniho ny antony
Maninona no tsy nety? Inona no diso? Rehefa mahita ny antony dia azonao sorohina amin'ny manaraka izany.
👉🏼3-Miomàna indray
Ampiasao ilay zavatra niainanao mba hanatsaranao ny fahaizanao. Ny olona mahomby dia matetika efa resy imbetsaka vao tafakatra.
👉🏼4-Aza kivy, fa miezaka
Tsy mahomby ny rehetra amin’ny voalohany. Fa ny manohy no mahatonga anao ho ambony.
👉🏼5-Miezaha hijery lavitra
Ny échec dia sombiny kely amin'ny làlana lavitra mankany amin'ny tanjonao.