27/07/2026
Itasy
🌿🎉 AKORY ITASY!!! 🎉🌿
✨ FEST'IRAY & FESTIVAL DE L'ÉCOLOGIE 2026 🌍💚
🌟 Fest'Iray – 02 Aogositra 2026
Tongava hiara-hankalaza ny harena sy ny fahasamihafan'ny kolontsaina malagasy ao amin'ny CEG Analavory!
🎭 Mozika sy dihy
🎨 Zava-kanto sy hosodoko
👗 Tao-zavatra
🍛 Sakafo malagasy
🎤 Fanomezana sehatra ireo talenta sy mpanakanto avy eto Itasy sy ny faritra hafa.
Andao hiara-hampivelatra sy hanome lanja ny kolontsaina malagasy ao anatin'ny tontolo feno fifampizarana sy firaisankina.
🌿 Festival de l'Écologie – 03 & 04 Aogositra 2026
Hetsika lehibe natokana ho an'ny fanentanana, fifanabeazana, fampandraisana andraikitra ary haitaky momba ny:
🌍 Fiandrianana ara-tsakafo sy amin'ny tany
⚖️ Rariny ara-toetrandro
🌱 Fiarovana ny tontolo iainana
🤝 Zon'Olombelona sy ny fandraisan'anjaran'ny tanora sy ny vehivavy.
Mandritra ireo roa andro ireo dia hisy:
📘Atrikasa
🎭 Karnavaly
💃 Flashmob
🏕️ Tranoheva sy fampirantiana isan-karazany
🎲 Lalao sy Quizz
🏆 Fanamby sy fifaninanana
🎤 Seho goavana miaraka amin'ireo mpanakanto eto an-toerana sy avy amin'ireo Nosy aty amin'ny Ranomasimbe Indiana.
✨ Telo andro feno fifampizarana, fialamboly, fanabeazana ary fiaraha-mientana ho an'ny rehetra!
📍 Toerana: CEG Analavory
🕘 Fotoana: Mandritra ny tontolo andro
🆓 Maimaim-poana ny fidirana! Tongava maro nama a!!! 💚🌍