11/10/2026
🌍 𝐓𝐄𝐓𝐈𝐊𝐀𝐒𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐃𝐄𝐌𝐎𝐊𝐑𝐀𝐒𝐈𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 𝟐.𝟎: 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀.
👥 Ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Faritra Itasy sy ny Faritra Nouvelle-Aquitaine any Frantsa, dia nanatanteraka fifanakalozana iraisam-pirenena ny Faritra Itasy, ny 04 ka hatramin’ny 12 Oktobra 2026. Nandray anjara tamin’izany ireo tanora avy amin’ny Faritra Fatick sy Diourbel any Sénégal, ny Faritra Nouvelle-Aquitaine any Frantsa ary ny Faritra Itasy eto Madagasikara, ao anatin’ny tetikasa « Tanora sy Demokrasia Ifotony » (Jeunesse & Démocratie Locale).
🌍 Ity fihaonana iraisam-pirenena ity dia sehatra iray ahafahan’ny tanora mifampizara traikefa, mifanakalo fomba fanao tsara ary miara-mandinika ireo olana sy fanamby atrehiny. Anisan’ny lohahevitra nifantohana ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka eny ifotony, ny fampiroboroboana ny maha olom-pirenena vanona sy tompon’andraikitra, ary ny fiarovana ny tontolo iainana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.
🇲🇬 Nandritra ny fandraisana ireo tanora, Ramatoa RAMAHAVALISOA Hanitra Eliane, Lehiben’ny Faritra Itasy, dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny fanomezana sehatra sy andraikitra ny tanora, mba hahafahan’izy ireo mandray anjara mavitrika amin’ny raharaham-pirenena sy ny fampandrosoana eny ifotony, manamafy ny maha olom-pirenena tompon’andraikitra azy ary mandray anjara amin’ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana.
🍃Raha toa ka ny tanora avy ao amin’ny Kaominina Arivonimamo I sy Analavory no nandray anjara tamin’ny andiany voalohany, dia ny Kaominina Soavinandriana sy Anosibe Ifanja kosa no voafantina tamin’ity andiany ity. Ezahina ny hanohizana sy hanitarana ny tetikasa amin’ireo Kaominina hafa eto amin’ny Faritra Itasy, mba hahafahan’ny tanora maro kokoa misitraka izany.
🙏 Mankasitraka ny Faritra Nouvelle-Aquitaine, ny Faritra Fatick sy Diourbel ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’ny fanohanana sy ny fanatanterahana izao fihaonana izao.