Faritra ITASY

Faritra ITASY "Itasy vonona ka tsy maintsy mandroso"

08/08/2026
🌱MITOHY NY FIAROVANA NY TONTOLO IANINA ETO AMIN'NY FARITRA ITASY🌱  πŸ‘‰Ny Faritra Itasy izay tarihan-dRamatoa Lehiben'ny Fa...
08/08/2026

🌱MITOHY NY FIAROVANA NY TONTOLO IANINA ETO AMIN'NY FARITRA ITASY🌱

πŸ‘‰Ny Faritra Itasy izay tarihan-dRamatoa Lehiben'ny Faritra RAMAHAVALISOA Hanitra Eliane,dia manao vaindon-draharaha amin'ny fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana. Nanankinana izany tamin'ny alalan'ny famindram-pitantanana ireo Vondron'Olona Ifotony na ny VOI, izy ireo no manatanteraka mivantana ireo asa mifandraika amin'ny fiarovana ny harena voajanahary tantanany.

πŸ“ŒArak'izany dia nisy ny Atrik'asa niarahana tamin'ny mpiara-miombon'antoka ny "ONG SAHA" izay tohanan'ny fandaharan'Asa FANAINGA+ ny Zoma 07 Aogositra 2026 tao Antseranantsoa Miarinarivo, ho fametrahana ny fomba fiaraha-mientana eo amin'ny VOI sy ny TAFOMIHAAVO,ny Kaominina, miaraka amin'ireo Sampan-draharaha misahana ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (DREDD) eto amin'ny Faritra Itasy.

🎯 Misokatra mandrakariva Lehiben'ny Faritra amin'ny fiaraha-miasa amin'ny rehetra mifandraika amin'ny fampandrosoana, singanina manokana amin'izany ireo mpiara-miombon'antoka, mba hisian'ny fahombiazana amin'ny fanatanterana ny tetik'asa sy hampiroboroboana ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.

πŸŽ€ π—™π—”π— π—£π—œπ—‘π——π—₯𝗔𝗠𝗔𝗠-π—•π—’π—Ÿπ—” 𝗧𝗦𝗬 π— π—œπ—¦π—¬ 𝗭𝗔𝗑𝗔-π—•π—’π—Ÿπ—” 𝗛𝗒 𝗔𝗑'π—œπ—₯π—˜π—’ 𝗧𝗔𝗑𝗒π—₯𝗔 𝗠𝗣𝗔𝗑𝗗π—₯𝗔𝗛𝗔π—₯𝗔𝗛𝗔 π—˜π—§π—’ π—”π— π—œπ—‘'𝗑𝗬 𝗙𝗔π—₯π—œπ—§π—₯𝗔 π—œπ—§π—”π—¦π—¬ πŸŽ€  ⚑Mitohy ny tetikasam...
04/08/2026

πŸŽ€ π—™π—”π— π—£π—œπ—‘π——π—₯𝗔𝗠𝗔𝗠-π—•π—’π—Ÿπ—” 𝗧𝗦𝗬 π— π—œπ—¦π—¬ 𝗭𝗔𝗑𝗔-π—•π—’π—Ÿπ—” 𝗛𝗒 𝗔𝗑'π—œπ—₯π—˜π—’ 𝗧𝗔𝗑𝗒π—₯𝗔 𝗠𝗣𝗔𝗑𝗗π—₯𝗔𝗛𝗔π—₯𝗔𝗛𝗔 π—˜π—§π—’ π—”π— π—œπ—‘'𝗑𝗬 𝗙𝗔π—₯π—œπ—§π—₯𝗔 π—œπ—§π—”π—¦π—¬ πŸŽ€

⚑Mitohy ny tetikasam-pampandrosoana ety anivon'ny Faritra Itasy.Androany 04 Aogositra 2026 dia nanatanteraka dinikasa tamin'ireo tanora mpandraharaha misitraka izany fampindramam-bola izany ny Lehiben'ny Faritra Itasy RAMAHAVALISOA Hanitra Eliane.

✍️Izany moa dia vokatry ny fiaraha-miombon'antoky ny Faritra Itasy sy ny Faritra Nouvelle Aquitaine.Izao fampindramam-bola izao moa dia averina tsy misy zana-bola.

πŸ‘₯Ireo tanora mpandraharaha ireo moa dia avy amin'ireo Distrika telo mandrafitra ny Faritra Itasy,ary maherin'ny roapolo izy ireo no voafantina taorian'ny fanombanana ny antontan-taratasy.Efa nandalo fiofanana sy fanohanana ara-tekinika nandritra ny enim-bolana izy ireo.

🎯Nambarany ihany koa fa zava-dehibe ny fanohanana ny tanora, satria tafiditra ao anatin'ny politikan'ny Fanjakana izany.Namporisika sy nananatra ireo tanora mpisitraka ihany koa izy mba ho tompon'andraikitra,haneho fahamatorana amin'ny sehatry ny fandraharahana,ary hitondra avo ny voninahitry ny Faritra Itasy amin'ny alalan'ny fahombiazan'ny tetikasany.

πŸšœπ™ƒπ˜Όπ™‰π™Šπ™ˆπ˜½π™Šπ™†π˜Ό 𝙉𝙔 π™€π™π™π˜Ώπ™€π™Ž 𝙉𝙔 π™π˜Όπ™‰π˜Όπ™ˆπ˜½π™Šπ˜Όπ™π˜Όπ™‰-π˜Ώπ˜Όπ™‡π˜Όπ™‰π˜Ό π™ˆπ˜Όπ™ˆπ™‹π™„π™π™Šπ™ƒπ™” 𝙉𝙔 π™†π˜Όπ™Šπ™ˆπ™„π™‰π™„π™‰π˜Ό π˜Όπ™π™„π™‘π™Šπ™‰π™„π™ˆπ˜Όπ™ˆπ™Š - π™ˆπ˜Όπ™‰π˜Όπ™‡π˜Όπ™‡π™Šπ™‰π˜Ώπ™Š π™„π™•π˜Όπ™” π™ˆπ™„π™π™€π™π™” 38 π™†π™„π™‡π™Šπ™ˆπ™€π™π˜Όπ™π™π˜Ό 🚜...
04/08/2026

πŸšœπ™ƒπ˜Όπ™‰π™Šπ™ˆπ˜½π™Šπ™†π˜Ό 𝙉𝙔 π™€π™π™π˜Ώπ™€π™Ž 𝙉𝙔 π™π˜Όπ™‰π˜Όπ™ˆπ˜½π™Šπ˜Όπ™π˜Όπ™‰-π˜Ώπ˜Όπ™‡π˜Όπ™‰π˜Ό π™ˆπ˜Όπ™ˆπ™‹π™„π™π™Šπ™ƒπ™” 𝙉𝙔 π™†π˜Όπ™Šπ™ˆπ™„π™‰π™„π™‰π˜Ό π˜Όπ™π™„π™‘π™Šπ™‰π™„π™ˆπ˜Όπ™ˆπ™Š - π™ˆπ˜Όπ™‰π˜Όπ™‡π˜Όπ™‡π™Šπ™‰π˜Ώπ™Š π™„π™•π˜Όπ™” π™ˆπ™„π™π™€π™π™” 38 π™†π™„π™‡π™Šπ™ˆπ™€π™π˜Όπ™π™π˜Ό 🚜

✨Nisy ny dinikasa nataon-dRamatoa RAMAHAVALISOA Hanitra Eliane, Lehiben'ny Faritra Itasy sy ireo Ben'ny Tanàna voakasiky ny tetikasa fanamboaran-dalana Arivonimamo mankany Manalalondo izay mirefy 38 kilometatra.

πŸ›»Efa ela ny fitarainan'ny mponina eny anivon'ireo Kaominina ireo amin'ny faharatsian'ny lalana ka mananosarotra ny fivezivezen'ny mponina indrindra ny famoaham-bokatra,izay iaraha-mahalala fa sompitry ny vary sy ovy iny Faritra atsimon'ny Distrikan'Arivonimamo iny.

πŸ‘‰Izany dia vokatry ny fiaraha-miasan'ny Faritra Itasy amin'ireo mpiara-miombon'antoka dia ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo ary ny tetikasa FSRP.

πŸ“ŒNotsindrian-dRamatoa Lehiben'ny Faritra fa mbola fandaminana ny monba ny fahafahana manatanteraka ny tetikasa na "Γ©tudes" no atao amin'izao dingana voalohany izao

✍️Izany moa no natao dia ny fanatanterahana ny fandaharanasa ny fitondrana Fanavaozana ny amin'ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara.Ny "bureau d'études MEC" no misahana izany fanadihadiana izany,ka rehefa azo ny vokatra dia miroso amin'ny dingana manaraka indray.

🀲Naneho ny hafaliany sy ny fahavononany hiara-hiasa amin'ny Fitondram-panjakana moa ireo Ben'ny Tanàna Arivonimamo, Amboanana, Alakamisikely, Antenimbe ary Manalalondo,ary koa vonona hifanome tanana sy hanentana ny vahoaka eny ifotony mba hanamora ny fanatanterahana izany.

✨Zava-dehibe ho an'ireo mpisehatra amin'ny fandraharahana ny fanamafisana ny fahaiza-manao.  πŸ“ŒNotanterahina ny 28 ka hat...
01/08/2026

✨Zava-dehibe ho an'ireo mpisehatra amin'ny fandraharahana ny fanamafisana ny fahaiza-manao.

πŸ“ŒNotanterahina ny 28 ka hatramin'ny 30 Jolay 2026 tao amin'ny HΓ΄tel Paulownia Ampefy ny Fiofanan'ireo Mpanofana momba ny ''Norme, QualitΓ© ary Labellisation'' niarahana tamin'ny Bureau des Normes de Madagascar (BNM).

⚑ Nisitraka izany ny:ny STD, ny ivontoeram-panofanana arak'asa ,ny fikambanana, ny Koperativa ary ireo mpisehatra amin'ny famokarana sy fanodinana ny vokatra.

🎯Ny tanjona dia ny hanatsara ny kalitaon'ny vokatra sy ny tolotra ary koa hampitomboana ny fifaninanana eo amin'ny tsena, ary hanohanana ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny fandraharahana eto amin'ny Faritra Itasy.

πŸ‘‰Ny mpiara-miombon'antoka dia:ny PNUD,ny BNM, ny Faritra Itasy ary ny CCI Itasy..

🏘️FAMETRAHANA VATO FOTOTRA NY "LYCEE D'ENSEIGNEMENT GENERAL AMPEFY"🏘️  ⚑Anisan'ny sehatra raisin'ny fitondram-pankana ho...
31/07/2026

🏘️FAMETRAHANA VATO FOTOTRA NY "LYCEE D'ENSEIGNEMENT GENERAL AMPEFY"🏘️

⚑Anisan'ny sehatra raisin'ny fitondram-pankana ho zava-dehibe,ary heverina hanamafisana sy hanorenana ny fampandrosoana eto anivon'ny Firenena ny fanabeazana sy ny fampianarana ny zanaka malagasy.

πŸ“ŒNanamafy izany tokoa ny Kaominina Ampefy satria, napetrako androany Zoma 31 Jolay 2026 ny vato fototra hanorenana voalohany ny "LycΓ©e d'Enseignement GΓ©nΓ©ral" ao amin'ny Kaominina Ampefy,Distrika Soavinandriana, Faritra Itasy.

πŸ‘‰Tonga nanatrika izany ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Itasy izay nisolo tena an-dRamatoa Lehiben'ny Faritra Itasy.Nanotrona izany fotoana izany ihany koa ireo Solontenam-panjakana eto anivon'ny Faritra.

🀲Ny Faritra Itasy dia vonona hifanome tanana sy hifanampy araka izay azo atao amin'izao fanasoavana ny taranaka izao.

πŸ™MAHAVITΓ€ SOA TOMPOKOπŸ™

πŸ€BASKET BALL U16πŸ€  πŸ‘‰Nanatrika ny famaranana ny fiadiana ny tompon-daka rezionaly "Basket ball"latsaky ny 16 taona  Ramat...
30/07/2026

πŸ€BASKET BALL U16πŸ€

πŸ‘‰Nanatrika ny famaranana ny fiadiana ny tompon-daka rezionaly "Basket ball"latsaky ny 16 taona Ramatoa Lehiben'ny Faritra Itasy ny Alakamisy 30 Jolay 2026, izay natao tao amin'ny renivohitry ny Faritra Itasy.

⚑Ho an'ny zazavavy dia ny V2BA Arivonimamo no nandrombaka ny amboara,raha ny DREAM TEAM NEW HOOP avy ao Arivonimamo ihany ho an'ny zazalahy.Izy ireo indray no hisolo tena ny Faritra Itasy amin'ny fiadiana ny tompon-daka nasionaly izay atao any Ambositra.

πŸ™Nirary fahombiazana ho azy ireo sahady Ramatoa RAMAHAVALISOA Hanitra Elina, lehiben'ny Faritra Itasy ary koa nanome tso-drano azy ireo ny hisian'ny vokatra tsara lavitra noho ny efa vita,ary ny mba hitondrana ny amboara hiverina aty amin'ny Faritra Itasy.

πŸ“ŒNankahery sy nampirisika ireo ekipa rehetra nandray anjara ihany koa izy amin'ny fanohizana ny ezaka efa natao!Nisy koa ny fanentanany ny tanora mba ho tia fanatanjahan-tena fa ao anatin'ny vatana salama no ahitana ny saina matsilo,ary koa anisan'ny fiadiana ny fidorohana zava-mahadomelina ny fanaovana izany.

πŸ™FANOMEZANA TSO-DRANO NY ATLETA SOLOTENAN'NY FARITRA ITASY HIATRIKA NY FIFANINANANA NASIONALY πŸ™  ✨Tanterahina manomboka ...
30/07/2026

πŸ™FANOMEZANA TSO-DRANO NY ATLETA SOLOTENAN'NY FARITRA ITASY HIATRIKA NY FIFANINANANA NASIONALY πŸ™

✨Tanterahina manomboka ny Zoma 31 Jolay ny fifaninanana nasionaly izay atao ao amin'ny kianjan'Alarobia Antananarivo,ary maharitra roa erinandro izany.

πŸ‘‰Amin'ny maha Renin'ny Faritra Itasy an-dRamatoa RAMAHAVALISOA Hanitra Elina dia nanome TSO-DRANO ny Atleta solotenan'ny Faritra Itasy izy ary koa nirary azy ireo mba hahita vokatra tsara ho reharehan'ny Faritra Itasy.

πŸ“ŒAmin'io fotoana io ihany koa no hifantenana ny ho solotenan'i Madagasikara amin'ny lalaon'ny Nosy izay atao any Comore amin'ny taona 2027.

πŸƒMarihina moa fa miisa 62 izy ireo ho hiatrika ny fifaninanana.

⚽FANAMBOARANA KIANJA FILALAOVAM-BAOLINA AO SOAVINANDRIANA ITASY⚽  🀲Ho famahana ny olana noho ny tsy fisian'ny Kianja fil...
25/07/2026

⚽FANAMBOARANA KIANJA FILALAOVAM-BAOLINA AO SOAVINANDRIANA ITASY⚽

🀲Ho famahana ny olana noho ny tsy fisian'ny Kianja filalaovam-baolina izay efa an- taonany maro tao amin'ny renivohitry ny Distrika Soavinandriana,dia tonga nidina ifotony Ramatoa RAMAHAVALISOA Hanitra Eliane, Lehiben'ny Faritra Itasy sy ny avy ao amin'ny Fiadidiana ny Repoblika nijery ifotony ny toerana hametrahana ny Kianja filalaovam-baolina ao an-toerana.

πŸ‘‰Izany tetikasa iarahan'ny Faritra Itasy sy ny Fiadidiana ny Repoblika.

FANAOVANA TOMBANA NY TETIKASA MAHAVOTRA  ✨Tonga nanao ny fanombanana (évaluation)  teto amin'ny Faritra Itasy ny mpanao ...
23/07/2026

FANAOVANA TOMBANA NY TETIKASA MAHAVOTRA

✨Tonga nanao ny fanombanana (évaluation) teto amin'ny Faritra Itasy ny mpanao tombana(évaluateur)ny tetikasa MAHAVOTRA , niaraka tamin'ireo teknisianina ato amin'ny Faritra.

⚑Nifantoka tamin'ny fanombanana ny zava-bita, ny tombontsoa ary ny fiantraikan'ny tetikasa teo amin'ny Faritra ny fifanakalozan-kevitra. Anisan'ny Tetikasa nahitana vokatra tsara sy nahomby ary nahazoan'ny Faritra ITASY tombotsoa ity Tetikasa ity, anisan'izany ny
fiantraikany ara-toekarena amin'ny fanatsarana ny fidiram-bolan'ny tantsaha sy ny fampitomboana ny vokatra,
ny fiantraikany ara-tsosialy amin'ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fiaraha-miasan'ireo mpisehatra,
ny fiantraikany ara-tontolo iainana amin'ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny fampifanarahana amin'ny fiovan'ny toetr'andro.

πŸ“ŒMarihina fa efa tafapetraka eto amin'ny Faritra ITASY ihany koa ny "Groupe de travail agroΓ©cologie"

πŸ‘‰Nandritra izany dia nangataka ny Faritra Itasy ny mba hitohizan'ny Tetikasa MAHAVOTRA, noho ny lanjan'ny vokatra sy ny tombontsoa entiny amin'ny fampandrosoana maharitra ny Faritra.

Address

HΓ΄tel De La RΓ©gion Itasy
Miarinarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Faritra ITASY posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share