08/03/2026
🩷 08 Martsa – Andro fankalazana ny fanajana ny Zon'ny Vehivavy 🩷
Amin’ity andro manokana ity dia manome voninahitra ireo vehivavy monina manodidina ny faritra arovana Maromizaha izahay, indrindra ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana HANITRINIALA, MIHARY, FINARITRA, KANTO ary RIANALA.
Noho ny heriny, ny fahasahiany ary ny firaisankinany dia manana anjara toerana lehibe ireo vehivavy ireo amin’ny fiainan’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina, ary koa amin’ny fiarovana ny ala Maromizaha
✊ Ity andro ity dia mampahatsiahy ihany koa fa manana zo ny vehivavy: zo handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra, zo hahazo fanabeazana, zo hiasa, zo haneho hevitra ary zo handray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina misy azy.
✊ Miara-mandroso mankany amin’ny fahaleovantena izy ireo ary lasa ohatra tsara ho an’ny taranaka ho avy.
👏 Mirehareha izahay amin’ireo vehivavy mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina sy ny fiarovana ny alanay sarobidy. 🌿✨
-------------------------------------------
🇫🇷
🩷 08 Mars – Journée internationale des droits des femmes 🩷
En cette journée spéciale, nous rendons hommage aux femmes vivant autour de l’aire protégée de Maromizaha, spécialement les membres des associations HANITRINIALA, MIHARY, FINARITRA, KANTO et RIANALA.
Par leur force, leur courage et leur solidarité, ces femmes jouent un rôle essentiel dans la vie de leurs familles, de leur communauté et dans la protection de notre forêt.💚
✊ Cette journée est aussi un rappel important : les femmes ont des droits : le droit de participer aux décisions, le droit à l’éducation, le droit de travailler, le droit de s’exprimer et le droit de contribuer pleinement au développement de leur communauté.
✊ Ensemble, elles avancent vers plus d’autonomie et deviennent une source d’inspiration pour les générations futures.
👏 Nous sommes fiers et fières de ces femmes engagées pour le développement local et la conservation de notre précieuse forêt. 🌿✨