AFriyan Vatovavy

AFriyan Vatovavy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from AFriyan Vatovavy, Youth Organization, MANANJARY, Mananjary.

📌CONCERTATION RÉGIONALE DES JEUNES.Nisokatra omaly Talata ary mbola nitohy anio Alarobia 10 Jona 2026 tao amin’ny Grande...
10/06/2026

📌CONCERTATION RÉGIONALE DES JEUNES.
Nisokatra omaly Talata ary mbola nitohy anio Alarobia 10 Jona 2026 tao amin’ny Grande Salle St Augustin Mananjary ny Concertation Régionale des Jeunes ho an’ny Faritra Vatovavy.

👉Hetsika lehibe izay mampivondrona ireo tanora sy ireo mpisehatra samihafa mba handinihana sy hifanakalozana hevitra manodidina ny fampandrosoana ny Tanora.

▶️Anisan’ny lohahevitra lehibe nifantohan’ity fifanakalozan-kevitra ity ny sehatra dimy lehibe mitondra ny fandraisan’anjaran’ny Tanora dia ny lafiny : Social, Politique , Gouvernance, Environnement, Économie et emploi.

👉Ao anatin’izany, mandray anjara mavitrika amin’ity sehatra ity izahay, amin’ny fanamafisana ny feon’ny Tanora sy ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fanapahan-kevitra mahakasika ny hoaviny indrindra ny ezaka ataon’ny AFRIYAN Vatovavy amin’ny fampiroboroboana sy fiarovana ny zon’ny Tanora eo amin’ny sehatry ny Fahasalamana Ara-pananahana sy Ara-piterahana (SDSR), amin’ny alalan’ny:

âś… fanamorana ny fahazoana vaovao marina sy azo antoka,
âś… fanohanana ny fahazoana tolotra ara-pahasalamana manara-penitra,
✅ ary ny famoronana tontolo ahafahan’ny Tanora mahafantatra sy misitraka tanteraka ny zony.

▶️Heverinay fa Ny fampahafantarana, ny fihainoana ary ny fanomezana sehatra ny Tanora no fototry ny fananganana taranaka tompon’andraikitra sy afaka mitondra fiovana tsara ho an’ny fiarahamMinistère de la Jeunesse et des SportsorUNFPA MadagascarscAfriyan Madagasikarakarakara

ADY AMIN'NY ARETINA ONGOBE SY BONGABENy fahasalamana no harena sarobidy indrindra. Mba hahatratrarana ny tanjona hanafoa...
03/06/2026

ADY AMIN'NY ARETINA ONGOBE SY BONGABE

Ny fahasalamana no harena sarobidy indrindra. Mba hahatratrarana ny tanjona hanafoanana ny aretina ongobe sy bongabe, dia manentana ny mponina rehetra hisoratra anarana sy hanatona ny CSB akaiky azy fa hisy fandidina bongabe maimaimpoana sy fitsaboana ongobe maimaimpoana tsy ho ela.

📍 Manatòna ny CSB akaiky anao ary misorata anarana dieny izao.

🤝 Andao hiara-hisalahy amin'ny ady amin'ny aretina ongobe sy bongabe ho fananganana fiarahamonina salama sy matanjaka.






🔵 AFRIYAN VATOVAVY : Nandray anjara mavitrika tamin’ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao sy fivoriam-paritra.Ny 28 sy ...
30/05/2026

🔵 AFRIYAN VATOVAVY : Nandray anjara mavitrika tamin’ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao sy fivoriam-paritra.

Ny 28 sy 29 Mey 2026 lasa teo dia nandray anjara tamin’ny Atrik'asa roa lehibe notanterahina tao amin’ny Salle Bénédictine Teto Mananjary ny solontenan’ny Tanora AFRIYAN Vatovavy.

1)-📌 Atrikasa fanamafisana fahaiza-manao momba ny serasera mifandraika amin’ny Fahasalamana sy ny Zo Ara-pananahana ary Ara-piterahana (SDSR), izay natao hanatsarana ny fahalalana sy ny fahaizan’ireo mpandray anjara amin’ny fampitana hafatra mahomby sy fanentanana eny anivon’ny fiarahamonina.

2) - 📌 Fivoriam-paritra fandrindrana (Réunion de Coordination Régionale) ao anatin’ny Projet Joint United Nations Regional Sexual and Reproductive Health and Rights Fund – Madagascar, sehatra iray nampivondrona ireo mpiara-miombon’antoka handinika ny zava-bita sy handrindra ny hetsika ho avy.
Ireo hetsika ireo dia nokarakarain’ny Projet 2gether 4 srhr miaraka amin’ireo sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana mpiara-miombon’antoka, dia ny World Health Organization (OMS), UNICEF, UNFPA, ary UNAIDS.
👊Amin’ny maha-tambajotran’ny tanora azy, dia manamafy hatrany ny fahavononany ny AFRIYAN Vatovavy handray anjara amin’ny sehatra fampandrosoana samihafa, indrindra ireo mifandraika amin’ny fahasalaman’ny tanora, ny zo ara-pananahana sy ara-piterahana, ary ny fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fampandrosoana maharitra.

🇲🇬✨ Ny tanora no hery hanovana an’i Madagasikara!Tonga ny fotoana hanehoantsika firaisankina, handray andraikitra ary h...
09/05/2026

🇲🇬✨ Ny tanora no hery hanovana an’i Madagasikara! Tonga ny fotoana hanehoantsika firaisankina, handray andraikitra ary hampandroso ny faritra sy ny firenena. 💪🔥
📍 Concertation Communale de la jeunesse de Mananjary.

🗓️ 14 Mai 2026 à Mananjary
“Saina tanora, mila antsika tanora i Madagasikara!” 🇲🇬❤️ Aoka ny feontsika ho re, ary ny hevitsika hitondra fiovana tsara ho an’ny hoavy.


25/04/2026

🎥 TSIAHY AN-TSARY | FANENTANANA MOMBA NY FAHADIOVANA MANDRITRA NY FADIMBOLANA
Indro atolotra an-tsary ny ampahany tamin’ny hetsika fanentanana momba ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana, notanterahin’ny ekipa Afriyan Vatovavy nandritra ny roa andro teto amin’ireo sekoly eto Mananjary.
Hetsika natao hanabeazana sy hanohanana ireo tovovavy mba hiaina amim-pahasalamana ny fiovam-batany.

🤝 Misaotra ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo rehetra nandray anjara.

🔴 TOHINY : FANENTANANA MOMBA NY FAHADIOVANA MANDRITRA NY FADIMBOLANA Teto MANANJARYTaorian’ny fanombohana ny hetsika oma...
24/04/2026

đź”´ TOHINY : FANENTANANA MOMBA NY FAHADIOVANA MANDRITRA NY FADIMBOLANA Teto MANANJARY

Taorian’ny fanombohana ny hetsika omaly, dia notohizana sy nofaranana androany Zoma 24 Aprily 2026 tao amin’ny CEG Tsiatosika, ao amin’ny CR Tsiatosika, Distrikan’i Mananjary, ny fanentanana momba ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana, notanterahin’ny ekipa Afriyan Vatovavy.
Ireo ankizivavy mpianatra avy amin’ny kilasy 6ème, 5ème ary 4ème no nisitraka manokana ity fampahafantarana ity, izay nifantoka tamin’ny:

🔹 fahalalana ny fiovan’ny vatana mandritra ny fadimbolana
🔹 fitandroana ny fahadiovana sy ny fahasalamana
🔹 fihetsika mendrika sy fitandremana tokony arahina
🔹 torohevitra hanampiana ny tovovavy hiaina izany.

Mba hampiavaka ny fotoana sy hanamafisana ny fahazoan’ireo mpianatra ny hafatra dia nisy ihany koa ny kilalao fanontaniana sy valiny, nahafahan’ireo ankizivavy nandray anjara mivantana. Ireo nahavaly tsara sy nandray anjara mavitrika dia nahazo kit fanomezana, ho fanohanana azy ireo amin’ny fitandroana ny fahadiovany andavanandro.
Ity hetsika ity dia tanterahina ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Afriyan Madagasikara miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, dia ny Ministère de la Jeunesse et des Sports, UNFPA Madagascar, Softex, Banque AFG, ary ny avy amin’ny Ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène, miaraka amin’ny fanohanan’ny Ministère de l’Éducation Nationale sy ireo tompon’andraikitra eny ifotony.

🙏 Mankasitraka manokana ireo rehetra niara-nisalahy sy nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ity hetsika fanabeazana sy fanohanana ny tanora ity.
Isaorana ihany koa ny amin'ny fanohanana ety ifotony.

FANENTANANA MOMBA NY FAHADIOVANA MANDRITRA NY FADIMBOLANATontosa androany Alakamisy maraina 23 Avril tao amin’ny CEG Tsa...
23/04/2026

FANENTANANA MOMBA NY FAHADIOVANA MANDRITRA NY FADIMBOLANA
Tontosa androany Alakamisy maraina 23 Avril tao amin’ny CEG Tsaravary sy CEG Mananjary ny hetsika fanentanana sy fampahafantarana momba ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana, notanterahin’ny Afriyan Vatovavy, tao anatin’ny ezaka ho fanatsarana ny fahasalamana sy ny fahalalan’ny tanora.
Nandritra izany dia nozaraina tamin’ireo mpianatra ny: 🔹 ny mombamomba ny fadimbolana sy ny fiovana entiny
🔹 ny fihetsika sy fitandremana tokony hatao mandritra izany
🔹 ireo torohevitra sy fikafika manampy ny tovovavy hiaina izany amim-pahasalamana sy amim-pahatokisana
Ity hetsika ity dia tanterahina miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany, ahitana ny Ministère de la Jeunesse et des Sports, UNFPA Madagascar, Softex, Banque AFG, ary ireo solontena avy amin’ny Ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène, miaraka amin’ny fanohanan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fanabeazana sy ny fokontany.
Isaorana manokana ireo rehetra niara-nientana sy nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ity hetsika manan-danja ity.
📍 Mbola hitohy rahampitso ao amin’ny CEG Tsiatosika ny fanentanana.

21/04/2026
09/04/2026

Address

MANANJARY
Mananjary

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when AFriyan Vatovavy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share