DRJS Vatovavy Ofisialy

DRJS Vatovavy Ofisialy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DRJS Vatovavy Ofisialy, Youth Organization, Maison des Jeunes Ex Capj Mananjary, Mananjary.

FIKAONANDOHAM-PIRENEN'NY TANORA Nanomboka omaly 29 jolay ny fikaonandohan'ny tanora izay tanterahina aty Antananarivo ar...
30/07/2026

FIKAONANDOHAM-PIRENEN'NY TANORA

Nanomboka omaly 29 jolay ny fikaonandohan'ny tanora izay tanterahina aty Antananarivo ary manana solon-tena manatrika izany ny tanora avy amin'ny distrika telo mandrafitra ny faritra Vatovavy.

Ny tolakandro taorian'ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy, avy hatrany dia niroso tamin'ny atrikasa izay nanamafisana ireo tolo-kevitra avy any ifotony ny ekipa isam-paritra.

Telina sy sitraka no atolotra an'i Ministรจre de la Jeunesse et des Sports izay angady nananana sy vy nahitana izao hetsika izao, eo ihany koa Andriamatoa Fenosoarimanana Benjamin talem-paritra ny Drjs Vatovavy izay ao anaty tsy fahasalamana (mirary fahasalamana feno ho azy) amin'izao fotoana izao anefa dia tsy misahatra manolo-kevitra sy miantso ny ekipa izay nandeha nisolo tena ny faritra.

Hiezaka ny tanora izay misolo tena antsika ary mampanantena fa tsy hisy latsaka na ovaina ny hevintsika izay avy any amin'ny Kaominina sy ny faritra fa ho ampitaina tanteraka aty amin'ny Nasionaly.

TARANJA BEACH SOCCER Ireto ekipa ireto no solon-tenan'ny Faritra Vatovavy hamonjy ny fifaninana Natsionaly any Manakara ...
23/07/2026

TARANJA BEACH SOCCER

Ireto ekipa ireto no solon-tenan'ny Faritra Vatovavy hamonjy ny fifaninana Natsionaly any Manakara izay manomboka amin'ny 29 Jolay ho avy izao.
โ˜… Ho fanohanana azy ireo dia nanome fanampiana ny Talen'ny Drjs Vatovavy mba hanamorana ny fiatrehana izany fifaninana lehibe izany.
โœ“ Tehaka sy telina no hatolotra ho an'ireo rehetra mahalala-tanana ka nanolotra fanampiana ho an'ireto tanorantsika izay hiady ho voninahitry Vatovavy, Ary entanina ihany koa isika Mbola te hanampy mba hanome azy ireo.

โœ… Ho tsara mandroso, tsara miverina eh ! Batao, ho ento Mody aty ny amboara ๐Ÿ‘Š

Ho antsika zatovolahy latsaky ny 18 taona mpankafy baolina kitra indray izao      โšฝ๐Ÿ‘ŠโšฝTOURNOI DE VACANCEโšฝ๐Ÿ‘Šโšฝ Mbola mitohy ...
20/07/2026

Ho antsika zatovolahy latsaky ny 18 taona mpankafy baolina kitra indray izao

โšฝ๐Ÿ‘ŠโšฝTOURNOI DE VACANCEโšฝ๐Ÿ‘Šโšฝ
Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin'ny lalao fifaninana baolina kitra izay karakarain'ny Drjs Vatovavy. Koa aza tara fa amin'ny 26 Jolay ho avy izao no farany.

โœ“ Saram-pandraisana anjara : 35.000Ar/ekipa

FIHAONAN'ANDRIAMATOA MINISITRY NY ASA, FAMPANANANA ASA, SY NY ASAM-PANJAKANA TAMIN'IREO TANORA ATO AMIN'NY FARITRA VATOV...
18/07/2026

FIHAONAN'ANDRIAMATOA MINISITRY NY ASA, FAMPANANANA ASA, SY NY ASAM-PANJAKANA TAMIN'IREO TANORA ATO AMIN'NY FARITRA VATOVAVY, KAOMININA AMBONIVOHITRY MANANJARY.

Sitraka sy telina no atolotra ho an' Andriamatoa Denis Franconio Mac Minisitry ny asa, fampananana asa, sy ny asam-panjakana izay tonga taty Mananjary nihaino sy nitafata niaraka tamin'ny tanora.

โœ“ Ity fihaonana ity izay niresahana sy nifanakalozana ara-kevitra ny olana misy, ny hetaheta, ary ny filan'ny tanora ato anatin'ny Faritra Vatovavy momba ny asa, ny fiofanana arak'asa Ary ny fandraharahana.
โœ“ Anisany tombony lehibe ho antsika ato amin'ny faritra Vatovavy ity fihaonana tamin' Andriamatoa Minisitra ity satria dia efa diangana lehibe sahady nahafahana nampita ny hevintsika nandritra ny Fakan-kevitra (fikaonandoha)izay natao.

Androany tolakandro ity fotoana ity, izay hanasana antsika Tanora lahy sy vavy rehetra mba ho tonga.Toerana : PicadowAmi...
17/07/2026

Androany tolakandro ity fotoana ity, izay hanasana antsika Tanora lahy sy vavy rehetra mba ho tonga.

Toerana : Picadow
Amin'ny 03:00ora

FIOFANANA FANAMAFISANA FAHAIZA-MANAO AMIN'NY FIFANDRAISANA โ˜… Ho fanamafisana ny fahaiza-manao amin'ny fifandraisana dia ...
16/07/2026

FIOFANANA FANAMAFISANA FAHAIZA-MANAO AMIN'NY FIFANDRAISANA

โ˜… Ho fanamafisana ny fahaiza-manao amin'ny fifandraisana dia nomena ofana ireo mpisehatra amin'ny serasera sy ny fanentanana ara-tsosialy ato amin'ny faritra Vatovavy, izay notanterahina nandritra ny telo Andro lasa teo (13-14-15 Jolay) tao amin'ny Kaominina Ranomafana.
โ˜… Ofana izay notohanan'ny UNFPA Madagascar sy ny
โœ“ Ny DRJS Vatovavy no nanokatra sy namarana izany atrik'asa izany tamin'ny Fomba ofisialy.
โœ“ Ny tanjon'ity atrik'asa ity dia ny : hanatsarana ny fahaiza-manao ara-teknika sy stratejika Ary indrindra ny fomba fiasa ho an'ireo mpisehatra amin'ny fanovana ara-tsosialy sy ara-pitondran-tena, indrindra amin'ny sehatra ara-pahasalamana sy ny zo ara-pananahana
โœ“ Ankasitrahana feno ny ekipa avy ao amin'ny 'ny fahasalam-bahoaka nitarika izany ofana izany.

Ministรจre de la Jeunesse et des Sports


Drjs Vatovavy

โšฝ ๐•๐ˆ๐ƒร‰๐Ž ๐๐‘๐Ž๐‰๐„๐‚๐“๐ˆ๐Ž๐ โ€“ ๐Œ๐€๐๐€๐’๐€-๐ƒ๐€๐‹๐€๐๐€ ๐Œ๐Ž๐๐ƒ๐ˆ๐€๐‹ 2026๐Ÿ‡ช๐Ÿ‡ธ ๐™€๐™Ž๐™‹๐˜ผ๐™‚๐™‰๐™€ ๐Ÿ†š ๐Ÿ‡ซ๐Ÿ‡ท ๐™๐™๐˜ผ๐™‰๐˜พ๐™€Vonona hiara-hiaina ny hafanan'ny manasa-dalana ana...
13/07/2026

โšฝ ๐•๐ˆ๐ƒร‰๐Ž ๐๐‘๐Ž๐‰๐„๐‚๐“๐ˆ๐Ž๐ โ€“ ๐Œ๐€๐๐€๐’๐€-๐ƒ๐€๐‹๐€๐๐€ ๐Œ๐Ž๐๐ƒ๐ˆ๐€๐‹ 2026
๐Ÿ‡ช๐Ÿ‡ธ ๐™€๐™Ž๐™‹๐˜ผ๐™‚๐™‰๐™€ ๐Ÿ†š ๐Ÿ‡ซ๐Ÿ‡ท ๐™๐™๐˜ผ๐™‰๐˜พ๐™€

Vonona hiara-hiaina ny hafanan'ny manasa-dalana anao an?

Manasa ny mpankafy baolina kitra rehetra ny ๐™๐™–๐™ง๐™ž๐™ฉ๐™ง๐™– ๐™‘๐™–๐™ฉ๐™ค๐™ซ๐™–๐™ซ๐™ฎ hanatrika ny vidรฉo projection amin'ny lalao manasa-dalana hifanandrinan'i ๐™€๐™จ๐™ฅ๐™–๐™œ๐™ฃ๐™š sy ๐™๐™ง๐™–๐™ฃ๐™˜๐™š.

๐Ÿค Hetsika karakarain'ny ๐™๐™–๐™ง๐™ž๐™ฉ๐™ง๐™– ๐™‘๐™–๐™ฉ๐™ค๐™ซ๐™–๐™ซ๐™ฎ, miaraka amin'ny fiaraha-miasan'ny:
โ€ข ๐˜ฟ๐™๐™…๐™Ž โ€“ Direction Rรฉgionale de la Jeunesse et des Sports
โ€ข ๐˜ฟ๐™๐˜พ๐˜พ โ€“ Direction Rรฉgionale de la Communication et de la Culture
โ€ข ๐˜ฟ๐™๐™‹๐™Ž โ€“ Direction Rรฉgionale de la Population et des Solidaritรฉs

๐Ÿ“ Toerana: ๐˜พ๐˜ผ๐™‹๐™… ๐˜ผ๐™ฃ๐™–๐™ก๐™–๐™ฃ๐™Ÿ๐™–๐™ซ๐™ž๐™™๐™ฎ, ๐™ˆ๐™–๐™ฃ๐™–๐™ฃ๐™Ÿ๐™–๐™ง๐™ฎ
๐Ÿ“… Daty: ๐™๐™–๐™ก๐™–๐™ฉ๐™– 14 ๐™…๐™ค๐™ก๐™–๐™ฎ 2026
๐Ÿ•™ Ora: ๐™ˆ๐™–๐™ฃ๐™ค๐™ข๐™—๐™ค๐™ ๐™– ๐™–๐™ข๐™ž๐™ฃ'๐™ฃ๐™ฎ 10 ๐™ค๐™ง๐™– ๐™–๐™ก๐™ž๐™ฃ๐™–

Tongava maro hiara-hijery, hiara-hientana ary hankafy ny lalao ao anatin'ny rivo-piainana feno hafanam-po! Ento ny namanao sy ny fianakavianao.

๐™๐™ž๐™™๐™ž๐™ง๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ข๐™–๐™ž๐™ข๐™–๐™ž๐™ข-๐™ฅ๐™ค๐™–๐™ฃ๐™– !

Fintina an-tsary ny fanolorana marim-pankasitrahana ho an'ireo mpandray anjara ara-panatanjahantena rehetra nandritra ny...
27/06/2026

Fintina an-tsary ny fanolorana marim-pankasitrahana ho an'ireo mpandray anjara ara-panatanjahantena rehetra nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena teto Mananjary

FINTINA AN-TSARY NY HETSIKA ANDROANYAmin'izao ankatoky ny fetin'ny fahaleovan-tena izao dia Mbola mitohy ireo hetsika ma...
25/06/2026

FINTINA AN-TSARY NY HETSIKA ANDROANY

Amin'izao ankatoky ny fetin'ny fahaleovan-tena izao dia Mbola mitohy ireo hetsika maro entina hankalazana sy hanomezana fifaliana an'ireo vahoaka.

Androany, dia ny :
โ˜… Semi-marathon izay niainga avy eo amin'ny croisement Marovahy - Fahatongavana manoloana ny biraon'ny Population
โ˜… Cyclisme izay niainga avy eo amin'ny croisement Tsiatosika - Fahatongavana manoloana ny biraon'ny Population
โ˜… Relais pรฉdestre garรงons -15ans (par Fokontany)
โ˜… Relais pรฉdestre hommes senior (par Fokontany)
โ˜… Final Football -15ans (Garรงons)

Ampiralahiana sy am-pitiavana tanteraka no nanatanterahana izany kilalao izany.

Niavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena tamin'ity,amin'ny maha sady iray volan'ny ankizy ny volana jiona dia nandray an...
22/06/2026

Niavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena tamin'ity,amin'ny maha sady iray volan'ny ankizy ny volana jiona dia nandray anjara gny zamadinika tamin'ity ary agnisany ny lalao baolina kitra ho any lilay latsaky ny 15 taona.
Ho any Zaza viavy latsaky ny 15 taona misy ny ballon prisonnier ka entagnina anareo zazaviavy isaky ny fokontany,eo ihany koa ny relais ho any zamadinika lilay latsaky ny 15 taona izay atao @25 juin @9 ora maraina.Lilay 12 isaky ny fokontany no ilaina.
Ny any olon-dehibe izay efa mahazatra ny SEMI MARATHON miainga MAROVAHY, CYCLISME miainga amin'ny croisement TSIATOSIKA,ny RELAIS miainga eo amin'ny travaux izay samy eo amin'ny BIRAON'NY FARITRA VAOVAO aby ny fahatongavan'ireo fifaninanana rehetra ireo.
Ny COURSE LAKANA sy KOROTIKA GANAGANA ny andron''ny 26 jiona,tonga de egny andovosira ny 26 juin vita MATSO ny fifaninanana ka tonga de egny misotratra agnarana,fa ny fifaninanana rehetra ankoatra an'ireo dia aty ex CAPJ ny fanoratana agnarana ka amin'ny alarobia 24 jiona ny farany fanoratana agnarana.
Isaorana zareo avy ao amin'ny FARITRA izay notarihiny Ramatoa Talen'ny Kabinetra sy ny ekipany Ary ny Talen'ny Jono sy Toe-karena manga Sady solontenan'ny Ministeran'ny Asa sy ny Fampanan'asa Ary ny Asam-panjakana tonga nagnotrogna ny lalao androany.
Ho any tanindrazana๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ๐Ÿ™๐Ÿ™โค๏ธโค๏ธ

Address

Maison Des Jeunes Ex Capj Mananjary
Mananjary
317

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRJS Vatovavy Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share