Fédération Fihame Melaky

Fédération Fihame Melaky FIharoa Hampitombo gny Ala honko sy ala maiky ary ranovory ato MElaky

30/03/2026
Mirary soa ho an'ny VOI LOVAIN-JAFY sahady ny Federasiona FIHAME Melaky hahavita ny adidy miandry antsika
29/03/2026

Mirary soa ho an'ny VOI LOVAIN-JAFY sahady ny Federasiona FIHAME Melaky hahavita ny adidy miandry antsika

Tontosa soamantsara androany faha 25 Febroary 2026 ny fambolena honko (restauration des Mangroves) ny VOI ALA MAITSO ao ...
25/02/2026

Tontosa soamantsara androany faha 25 Febroary 2026 ny fambolena honko (restauration des Mangroves) ny VOI ALA MAITSO ao Ampasimandroro mpikambana ao amin'ny Fédération Fihame Melaky.

🌱 Vihin-konko (propagules) miisa 18 Koveta no novolena (manodidina 18.000 propagules) izay mahatratra manodidina ny 3ha eo no vita izay novolena tao antsinanan'ny Port Maintirano; izao asa izao dia anatiny Drafi-trasa🗞️ ny VOI ALA MAITSO ny Taona 2026 ity📅.

🏃‍♂️ Hita fa tena navitrika ny mpikambana ao amin'ny VOI ALA MAITSO sy ny Mpirotsaka antsitra-po ny Fédération FIHAME nanatanteraka izany fambolena honko 🌱 izany.

🙏Isaorana Tanteraka ny BLUE VENTURES MAINTIRANO izay nanamora sy nanampy ny VOI ALA MAITSO amin'ny fanatanterahana izany.🙏

🌱 🌱

Fanamafisana ny fahaiza-manao ny ireo Mpirotsaka antsitra-po ny Federasiona FIHAME.Tontosa omaly 18 Febroary 2026 ny fan...
19/02/2026

Fanamafisana ny fahaiza-manao ny ireo Mpirotsaka antsitra-po ny Federasiona FIHAME.

Tontosa omaly 18 Febroary 2026 ny fanamafisana fahaiza-manao voalohany amin'ny taona 2026 ny ireo Mpirotsaka antsitra-po ny Federasiona FIHAME.
Ireto avy ny loha-hevitra navoitra tao: Fampahafantarana ny mikasika ny Federasiona FIHAME sy ny asa iandraiketany. Fanamafisana ny ato hoe Mpirotsaka antsitra-po na volontariat. Fanamafisana traikefa momban'ny VOI na Vondron'Olona Ifotony.

Natao izao mba hanamafisana fahaiza-manao sy traikefa ny Tanora, hampidirana ny Tanora mba hiditra amin'ny sehatry ny Tontolo Iainana sy ny zava-boary.

🌱Tanora miaro ny Natiora🌱

Mba fantatrao vé fa manana anjara asa lehibe ny faritra Mando
04/02/2026

Mba fantatrao vé fa manana anjara asa lehibe ny faritra Mando

03/02/2026
Nahavita andrana amin'ny fambolena honko🌱 ireo mpirotsaka antsitra-po ny Fédération FIHAME ny androany faha 27 Janoary 2...
27/01/2026

Nahavita andrana amin'ny fambolena honko🌱 ireo mpirotsaka antsitra-po ny Fédération FIHAME ny androany faha 27 Janoary 2026 tolak'andro tany amin'ny toerana ANDALANDA.

Izany dia hatratra 600m² ny toerana voavoly, izay miisa 579 vihina honko (propagules) ahitana ny 3 Tangandahy sy 576 Tangambavy, olona miisa 7 no nanao ny andrana ka 2 ny vehivavy ary 5 kosa ny lahy.

Tsara ho marihina fa mbola andrana miendrika fampianarana no natao ho tohin'ny fiofana mikasika ny ala honko izay natao.

🙏

📣 ANTSO HO AN’NY MPILATSAKA ANTSITRAPO – FIHAMENy Federasiona FIHAME dia miantso mpilatsaka an-tsitrapo eto Maintirano h...
15/01/2026

📣 ANTSO HO AN’NY MPILATSAKA ANTSITRAPO – FIHAME

Ny Federasiona FIHAME dia miantso mpilatsaka an-tsitrapo eto Maintirano hanohana ny asa ataony amin’ny fitantanana sy fitondrana ifotony, fitovian-jo ary fiarovana ny tontolo iainana, sady manampy sy mitarika ny tanora hiomana amin’ny ho aviny eo amin’ny asa.

👥 Mombamomba: tanora mazoto sy vonona hanolo-tena
🎓 Fanamafisana fahaiza-manao, fanoroana lalana
🤝 Asa an-tsitrapo

📩 Liana ve ianao?
➡️ Manantona ny Birao ny FIHAME ao Andranovoribe amin'ny Tranon'ny Akily Betanatanana

👉 !

Address

Andranovoribe
Maintirano
413

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fédération Fihame Melaky posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share