ACRM Association des Citoyens Responsables de Melaky

ACRM🔥

Organisation à but non lucratif‼️

08/05/2026

Ara -teorika, nanomboka tamin'ny taona 1998 ka hatramin'ny 2007, i Madagascar dia nampiasa ny État régional amin'ny alalan'ny Provinces autonomes (Faritany mizakatena).
Midika izany fa manana traikefa Madagascar amin'ny État régional.
FANATSARANA SY TENA FAMPIHARANA AZY NO TOKONY ATAO AMIN'IZAO.

06/04/2026

Ny Fokontany ve mitondra sata Vondrombahoaka itsinjarampahefana sa Serivisy ny Fanjakana foibe eny Ifotony na (STD)?
Araka andininy faha 3 ao amin'ny lalampanorena IV repobikan'i Madagasikara dia misy telo ny Vondrombahoaka itsinjarampahefana :
Faritany, Faritra ary Kaominina.
Ireo Vondrombahoaka itsinjarampahefana ireo araka lalampanorena dia manana fizakantena ara -pitantanana ny raharahany sy ny fizakantena ara -bola.
Manana mpitantana azy avy ireo Vondrombahoaka itsinjarampahefana ireo ary mandalo fifidianana izany :
Eo amin'ny Kaominina dia :
Ben'ny Tanana
Mpanolotsainy Tanana.
Eo amin'ny Faritra dia Mbola tsy olom-boafidy hatramin'izao.Fa ny lalana mikasika ny Vondrombahoaka itsinjarampahefana dia milaza mazava fa mandrampisian'ny fifidianana eny anivon'ny Faritra dia tendrena vonjimaika amin'ny alalany Didim-panjakana anivon'ny Filankevitra ny minisitra ny lehibe ny Faritra.
Ary eo anivon'ny Faritany dia Mbola tsy tanteraka mandraka ankehitsiny.Izany hoe sady Mbola tsy misy fanendrena no tsy misy fifidianana.

Etsy ankilany, ny Fokontany dia fehezinlny Didim-panjakana laharana faha 2009-890 tamin'ny 02 Jolay 2009 mahakasika ny fomba fandaminana, fiasany, andraikitra ny Fokontany.
Araka ny voalazan'io lalana io dia ny Fokontany no rafitra fototra indrindra amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Ny sefo fokontany dia solotenam-panjakana ao amin'ny Fokontany.
Ny sefo fokontany dia tendren'ny Lehibe ny District avy amin'ny tolo-kevitry ny mponina.
Midika izany fa tsy Vondrombahoaka itsinjarampahefana ireo fokontany raha lalana manankery amin'izao fa isan'ireo Service technique déconcentré de l'État.
Rariny raha Mbola tsy atao fifidianana fa fanendrena no tokony ho misy.
Ao anatiny fikaonandoham-paritra sy firenena no handiniana izany rafitra izany.

05/04/2026

Izahay ato amin'ny Association des Citoyens Responsables de Melaky ACRM dia faly miarahaba antsika rehetra nahatratra izao P***a izao

Enga anie andro nandresen'ny Tompontsika ny fahafatesana no hazontsika fiadanana sy hafaliana lalandava.
Mirary fety sambatra

26/03/2026

ANDAO TSIKA HANOHANA ÉTAT RÉGIONAL NA RÉGION AUTONOME FA IO IHANY NO VAHAOLANA HO AN'I MADAGASCAR.

Address

Tanambao Nord
Maintirano
413

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ACRM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share