ONG AJLDM

ONG AJLDM devellopement local

FAMPIOFANANA HO AN’NY BEN’NY TANÀNA SY MPANOLotsAINA AO AMIN’NY KAOMININA MANODIDINA NY FARITRA AROVANA MANDROZONontante...
26/08/2026

FAMPIOFANANA HO AN’NY BEN’NY TANÀNA SY MPANOLotsAINA AO AMIN’NY KAOMININA MANODIDINA NY FARITRA AROVANA MANDROZO

Nontanterahina ny 24 sy 25 Aogositra 2026 ny fampiofanana natokana ho an’ireo Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina ao amin’ireo Kaominina 3 manodidina ny Faritra Arovana Mandrozo, dia ny Andranovao, Tambohorano ary Veromangy.

Ny fiofanana dia nifantoka tamin’ny lalàna mifehy ny fitsinjaram-pahefana, indrindra ny fahefana sy andraikitry ny Kaominina, ary ny fahasamihafan’ny andraikitry ny Ben’ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina eo amin’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka.

Niresahana ihany koa ny lalàna sy fitsipika mifehy ny Faritra Arovana, ary ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary, mba hahafahan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina mandray anjara feno amin’ny fitantanana sy fiarovana ny harena voajanahary.

Ity hetsika ity dia natao araka ny tolo-kevitry ny COS (Comité d’Orientation et de Suivi) Regionaly, izay nanasongadina ny filàna hanamafy ny fahalalana sy ny fandraisan’anjaran’ireo Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin’ny fitantanana ny harena voajanahary sy ny Faritra Arovana.

Ny hetsika natao tao Mandrozo dia dingana voalohany amin’ny fanatanterahana izany tolo-kevitra izany. Kendrena ny hanohizana izany amin’ireo Kaominina voakasiky ny Faritra Arovana hafa eto amin’ny Faritra Melaky, mba hahafahan’ireo olom-boafidy eo anivon’ny Kaominina mandray anjara bebe kokoa amin’ny fitantanana sy fiarovana ny harena voajanahary.

🎯 Tanjona lehibe: hanamafy ny fahalalan’ireo Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina momba ny andraikiny, ny fahefany ary ny anjara toerana tokony horaisiny amin’ny fitantanana ny Faritra Arovana sy ny harena voajanahary, araka ny lalàna.

The Peregrine Fund | DREDD | COS Regionaly

Fandraisana anjara tamin’ny Fihaonambe nasionalin’ny Fiaramonimpirenena momba ny sehatry ny fitrandrahanaNandray anjara ...
21/08/2026

Fandraisana anjara tamin’ny Fihaonambe nasionalin’ny Fiaramonimpirenena momba ny sehatry ny fitrandrahana

Nandray anjara tamin’ny Fihaonambe nasionalin’ny Fikambanana Sivily momba ny sehatry ny fitrandrahana eto Madagasikara, izay natao ny 20 sy 21 Aogositra 2026 tao Antananarivo, ny ONG AJLDM, izay nosoloin Atoa Marindia Jérémy tena.

Ny fandraisana anjara dia maneho ny fahavononan’ny AJLDM amin’ny fampiroboroboana ny fitantanana mangarahara, tompon’andraikitra ary mampandray anjara ny rehetra amin’ny harena voajanahary eto Madagasikara.

CONCERTATION RÉGIONALE INDÉPENDANTE ET INCLUSIVE DE LA SOCIÉTÉ CIVILE – MELAKY👉 Andriamatoa IAVILAHY JEAN CHRYSOSTOME, a...
08/08/2026

CONCERTATION RÉGIONALE INDÉPENDANTE ET INCLUSIVE DE LA SOCIÉTÉ CIVILE – MELAKY

👉 Andriamatoa IAVILAHY JEAN CHRYSOSTOME, avy ao amin’ny ONG AJLDM, no voatendry ho Mpandrindra ny Fifampidinihana Iombonan’ny Fiarahamonim-pirenena eto amin’ny Faritra Melaky.

📅 Hotanterahina ny 18, 19 ary 20 Aogositra 2026, eto Maintirano, ka handraisan’ireo distrika dimy mandrafitra ny Faritra Melaky anjara.

🤝 Fifampidinihana tena iombonana sy tsy manavaka, izay hanomezana sehatra ny vehivavy, ny tanora, ny olona manana fahasembanana, ny olon-dehibe ary ireo sehatra rehetra misy eo anivon’ny fiarahamonina.

🎯 Tanjona ny hahafahan’ny rehetra mandray anjara sy maneho ny heviny ao anatin’ny fanorenana indray an’i Madagasikara, ka hamolavolana vina iombonana ho an’ny hoavy.

🌱 Taranaka sy sehatra samihafa, feo iombonana ho an’ny hoavin’i Madagasikara.

📍 Kaominina Ambanivohitra MaromavoNotanterahina teto amin'ny Kaominina Ambanivohitra Maromavo ny fiofanana natokana ho a...
08/07/2026

📍 Kaominina Ambanivohitra Maromavo

Notanterahina teto amin'ny Kaominina Ambanivohitra Maromavo ny fiofanana natokana ho an'ny Ben'ny Tanàna sy ireo Mpanolotsaina Kaominaly momba ny fizarana andraikitra sy ny fahefana araka ny lalàna manankery, mba hanamafisana ny fitantanana mangarahara sy mahomby eo anivon'ny kaominina.

Taorian'izany dia notanterahina avy hatrany ny Session Extraordinaire niarahan'ny Ben'ny Tanàna sy ny Filankevitra Kaominaly, nandinihana ireo tetikasa laharam-pahamehana ho fampandrosoana ny kaominina, ary nijerena manokana ny raharaha mahakasika ny fitrandrahana vato ao amin'ny carrière Manga Miraratsy. Nifantoka tamin'ny tamberimbidy ara-dalàna tokony ho azon'ny kaominina sy ny vahoaka avy amin'izany fitrandrahana izany ny dinika, mba hahazoana antoka fa mitondra tombontsoa ho an'ny fampandrosoana eo an-toerana ny harena voajanahary.

Nohamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa stratejika eo amin'ny ONG AJLDM sy ny Kaominina Ambanivohitra Maromavo, ho fanohanana ny fitantanana tsara, ny fampandrosoana maharitra ary ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana eo an-toerana.

Na dia isan'ireo kaominina mbola miatrika fanamby maro ao amin'ny Distrikan'i Maintirano aza i Maromavo, dia hita taratra ny finiavana hametraka paikady maika sy maharitra ho fampandrosoana ny kaominina sy hanatsarana ny fiainan'ny mponina.

Notanterahina teto amin'ny Kaominina Ambanivohitra Bekopaka ny atrikasa famantarana ireo tetikasa kaominaly ho an'ny Kao...
03/07/2026

Notanterahina teto amin'ny Kaominina Ambanivohitra Bekopaka ny atrikasa famantarana ireo tetikasa kaominaly ho an'ny Kaominina Ambanivohitra Bekopaka, Tsiandro ary Antsalova, izay ao anatin'ny faritry ny Valan-javaboarin'i Tsingy de Bemaraha. Nifototra tamin'ireo tamberim-bidy azon'ireo kaominina ireo ny atrikasa, ka niarahana namaritra sy nandrindrana ireo tetikasa laharam-pahamehana hoentina mampandroso ny kaominina tsirairay. Nandray anjara mavitrika tamin'izany ny solontenan'ny fanjakana, ny kaominina, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombon'antoka rehetra voakasika.

🌍🌿 Miarahaba antsika rehetra ao amin’ny fianakavian’ny fiarovana ny tontolo iainana eto Melaky 🌿🌍📅 5 Jona – Andro Manera...
05/06/2026

🌍🌿 Miarahaba antsika rehetra ao amin’ny fianakavian’ny fiarovana ny tontolo iainana eto Melaky 🌿🌍
📅 5 Jona – Andro Maneran-tany ho an’ny Tontolo Iainana
🌱 Natokana ho an’ny Climate Action
🌾 Famerenana amin’ny laoniny ny tany,
🚫 Fampijanonana ny fahasimban’ny tany ho lasa karankaina,
💚 Ary fanohanana ny fitomboany hiverina ho maitso 🌳

“Tokony hiomana amin’ny sosokevitra matotra sy mivaingana entina mandritra ny concertation nationale ireo mpitrandraka h...
29/05/2026

“Tokony hiomana amin’ny sosokevitra matotra sy mivaingana entina mandritra ny concertation nationale ireo mpitrandraka harena voajanahary rehetra, na eo amin’ny sehatry ny harena ankibotany , ala, na harena an-dranomasina.

Ireo rojopihariana ireo dia anisan’ny fototry ny toekarena sy ny fampandrosoana eny ifotony, kanefa mbola ahitana tsy fitovian’ny tombotsoa, fanararaotana, ary tranga maro mampanjaka kolikoly sy tsy mangarahara.

Ilaina noho izany ny fifampiresahana nasionaly tena misokatra sy fandraisana andraikitra iarahan’ny fanjakana, ny mpandraharaha, ny fiarahamonim-pirenena ary ny vondrom-bahoaka ifotony, mba hametrahana rafitra mazava, mangarahara ary mahasoa ny rehetra.

Ny harena voajanahary dia tsy tokony hahasoa olom-bitsy ihany, fa tokony ho lova iombonana mitondra fampandrosoana maharitra, asa, ary fiainana mendrika ho an’ny vahoaka Malagasy.”

✨ VALIDATION RÉGIONALE DU PAP – FARITRA MELAKY ✨Notanterahina tamim-pahombiazana ny validation régionale ny PAP eto aniv...
28/05/2026

✨ VALIDATION RÉGIONALE DU PAP – FARITRA MELAKY ✨
Notanterahina tamim-pahombiazana ny validation régionale ny PAP eto anivon’ny Faritra Melaky.
Nampiavaka ity fotoana ity ny fiaraha-mientana sy fifampidinihana teo amin’ireo mpisehatra rehetra, nahitana ny solontenan’ny Faritra Melaky, ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue Melaky, ireo Ben’ny Tanàna voakasika, ireo Solombavambahoaka voafidy ao anatin’ireo distrika telo manana ranomasina: Antsalova, Maintirano ary Besalampy, ireo solontenan’ny fiarahamonim-pirenena (société civile), ary ireo vondron’ny fikambanan’ny mpanjono rehetra ato amin’ny Faritra Melaky.
🌊 Dingana lehibe izao ho fanamafisana ny fitantanana maharitra ny sehatry ny jono sy ny fampandrosoana ny toekarena manga.
🤝 Maneho ihany koa izany ny firaisankina sy ny fahavononan’ireo mpisehatra rehetra hiaro sy hampandroso ny harena an-dranomasina ho tombontsoan’ny taranaka ankehitriny sy ny taranaka fara mandimby.




🌟 VOAMAMI AO ANDRÉA: MITOMBO HATRANY NY ISAN'NY MPIKAMBANA!Tsy mijanona ny ezaka! Mihamaro hatrany ireo mponina liana sy...
25/04/2026

🌟 VOAMAMI AO ANDRÉA: MITOMBO HATRANY NY ISAN'NY MPIKAMBANA!
Tsy mijanona ny ezaka! Mihamaro hatrany ireo mponina liana sy manapa-kevitra hiditra ho mpikambana ao amin'ny VOAMAMI (GEC) ato amin'ny Kaominina Ambanivohitra Andréa.
Porofon'ny fahombiazan'ity rafitra ity ny fahavitrihan'ny mponina manatona sy mandray anjara mavitrika. Rehefa maro ny mientana, dia mora ny miara-mandroso! 💎

Address

Maintirano-tanambao Nord
Maintirano
413

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ONG AJLDM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share