28/04/2026
JMJ SEOUL 2027
Nivoaka ofisialy ny anaran'ireo Olomasina mpiaro ny JMJ iraisam-pirenena ho tanterahina any Sรฉoul - Korea atsimo ny 03-08 Aogositra 2027.
Ireto avy izany
๐๐ ๐๐๐๐ง ๐๐๐ฎ๐ฅ ๐๐: Ray mpanorina ny JMJ.
๐๐ ๐๐ง๐๐ซ๐ฬ ๐๐ข๐ฆ ๐๐๐๐ ๐จ๐ง: Pretra katรดlika kรดreana voalohany. Maty martiry teo amin'ny faha-25 taonany izy, ary ohatra velona amin'ny herim-po sy ny fijoroana ho vavolombelona amin'ny finoana eo an-toerana.
๐๐ ๐
๐ซ๐๐ง๐ฬง๐จ๐ข๐ฌ๐-๐๐๐ฏ๐ข๐๐ซ ๐๐๐๐ซ๐ข๐ง๐ข: Mpiaro ny mpifindra monina. Voafidy izy noho ny fahafoizan-tenany ho an'ny mahantra sy ny zotom-pony tamin'ny asa misionera.
๐๐ ๐๐จ๐ฌ๐ฬ๐ฉ๐ก๐ข๐ง๐ ๐๐๐ค๐ก๐ข๐ญ๐: Olona nampijaliana sy namidy ho andevo nefa nanjary relijiozy. Ny fiainany dia mariky ny fahafahana, ny famelan-keloka, ary ny fanantenana manoloana ny fijaliana.
๐๐ ๐๐๐ซ๐ฅ๐จ ๐๐๐ฎ๐ญ๐ข๐ฌ: Ilay "apรดstรดlin'ny aterineto" sy ny Eokaristia. Modely ho an'ny fahamasinana amin'ny vanim-potoana ankehitriny izy, indrindra ho an'ny tanora mpampiasa teknรดlojia vaovao.
Manana JMJ roa karakaraina isika ny taona 2027 (JMJ maneran-tany any Korea, JMJ Mada XI any Toamasina) ka samia mivonona amin'ny fanatanterahana izany: ara-panahy, ara-toe-tsaina sy ara-materialy.
VTPM: Vovonan'ny Tanora ny Paroasy Mahavatse
๐๐๐ : ๐๐จ๐ฏ๐จ๐ง๐๐ง'๐ง๐ฒ ๐๐๐ง๐จ๐ซ๐ ๐๐ข๐จ๐ฌ๐๐ณ๐ฒ ๐๐จ๐ฅ๐ข๐๐ซ๐
Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Tanora