Chorale STK Aumônerie protestante befelatanana

Chorale  STK Aumônerie protestante befelatanana IZAO OLONA NOFORONIKO HO AHY IZAO NO HANAMBARA NY FIDERANA AHY....isaia 43.21

https://www.facebook.com/100044398300609/posts/1503404037816192/?app=fbl
17/03/2026

https://www.facebook.com/100044398300609/posts/1503404037816192/?app=fbl

Vita soa ny week-end daholo indray eee !

Ho anay TANORA MASINA Itaosy manokana dia tena nahafinaritra izy tao fa mbola hanaovanay retour eto ihany miaraka amin'ny sary.

Aleo aloha tonga dia ny programa manaraka no hambaranay aminareo :
amin'ny Alahady 22 Martsa 2026 izao, manomboka amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro etsy amin'ny CCESCA Antanimena.

Izany dia tafiditra ao anatin'ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny faha-35 taona nitaizàn'i ANDRIAMORANIAINA Harijaona mivady tanora sy namoronany hira, fantatry ny maro amin'ny hoe M. Naina sy Mme Kezià.

Dia hahafinaritra io hetsika io satria ankoatry ny TANORA MASINA Itaosy izay hanatontosa amin'ny ankapobeny ny fitoriana an-kira, dia vahiny nasaina manokana ihany koa i Rija RAMANANTOANINA.
Ankoatr'izay dia ho eo koa ireo Antoko Mpihira 3 notarihin'i M. Naina hatrizay izay mivondrona ao anatin'ilay atao hoe Chorale JAHAM.

Fandraisana anjara : 10 000 Ar
Fanasana manokana : 40 000 Ar

Tongàva maro àry e ! Efa an-taona maromaro izahay tsy tao amin'ny ESCA Antanimena. Sady LIVE io (tendrena avokoa ny zava-maneno rehetra).

Tahian'i Jesosy daholo o !

08/03/2026

"Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy" Isaia 43 : 21

🎉CONCERT LIVE🎊

🥰Andao hiara-hankalaza an’Andriamanitra amin’ny hira sy fiderana 🎶 miaraka amin’ny JAHAM (Jobily Andriamoraniaina Harijaona mivady sy Antoko Mpihira) : STK Aumônerie Protestante Befelatanana Rantsana Fanantenana FJKM Ambondrona Firaisana Feon'ny famonjena Ambohimpiarenana Fianarantsoa
sy ny Tanora Masina Itaosy🤩
Fotoana manokana hiarahantsika midera, mifaly ary manandratra ny anaran’ny Tompo! 🙌

📅 Daty : Alahady 22 Martsa 2026
📍 Toerana : CCESCA Antanimena
🎟 Tapakila :
• Tapakila tsotra : 10 000 Ar
• Fanasana: 40 000 Ar
• Misy tapakila azo vidiana mialoha
📩 Afaka manatona amin’ny hafatra miafina
👥Manantona Mpikambana JAHAM (Chorale / Komity)
📞 Na miantso : 034 21 961 65

✨ Tongava maro miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana!
🔥 Andao hiaraka hanome voninahitra an’Andriamanitra!🎶

🎵 RINDRA-KIRA LEHIBE – FANKALAZANA NY FAHA-35 TAONA🎵Finaritra tompoko! 👋Ho fitoriana ny Filazantsara sy ho fankalazana n...
04/03/2026

🎵 RINDRA-KIRA LEHIBE – FANKALAZANA NY FAHA-35 TAONA🎵

Finaritra tompoko! 👋

Ho fitoriana ny Filazantsara sy ho fankalazana ny an'Andriamanitra noho ny faha-35 Taona namoronan’ ANDRIAMORANIAINA Mivady hira sy nitaizan’izy ireo tanora, dia faly izahay manasa anareo hanatrika ny rindran-kira ara-pilazantsara izay hiarahana amin'ny
🔥 Tanora Masina Itaosy sy ny
🌟 Chorale Jaham (STK Aumonerie Protestante Befelatanana ; Rantsanana Fanantenana FJKM Ambondrona Firaisana ; Feon’ny Famonjena Ambohipiarenana Fianarantsoa

Ho avy ao koa RIJA RAMANANTOANINA.

🏥 Ny vola azo dia hatokana hananganana Multi-service sy Cyber ao amin’ny hopitaly, hanalana fahasahiranana ireo mpitondra marary.

🎟 Fandraisana anjara:

Tapakila tsotra: 10.000 Ar

Fanasana : 40.000 Ar
Toerana : CCESCA Antanimena. Ora : 2 ora sy sasany tolakandro

Andao hifanome tanana ho voninahitr'Andriamanitra sy ho fanohanana ireo namantsika ao amin'ny hopitaly! ❤️

Samia hotahian’Andriamanitra.

Mofon'aina Alatsinainy 22 AprilyEksodosy 10:21-23[21]Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny t...
22/04/2024

Mofon'aina Alatsinainy 22 Aprily
Eksodosy 10:21-23
[21]Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
[22]Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana,
[23]koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany. Amena

Mofon'aina Alakamisy 11 Aprily Salamo 97:1-6[1]Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro....
11/04/2024

Mofon'aina Alakamisy 11 Aprily
Salamo 97:1-6
[1]Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.
[2]Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany.
[3]Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
[4]Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
[5]Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
[6]Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny. Amena

Mofon'aina Alarobia 10 AprilyJaona 21:1-14[1]Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny mpianatra indray Jesosy teo amoron'...
10/04/2024

Mofon'aina Alarobia 10 Aprily
Jaona 21:1-14
[1]Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny mpianatra indray Jesosy teo amoron'ny Ranomasin'i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany:
[2]Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak'i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.
[3]Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.
[4]Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany.
[5]Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia.
[6]Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano.
[7]Ary hoy ny mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera: Ny Tompo iry . Ary raha ren'i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin'ny ranomasina izy.
[8]Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany.
[9]Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon'arina teo sy hazandrano teo amboniny ary m**o.
[10]Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin'ireo vao azonareo teo.
[11]Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
[12]Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy.
[13]Ary tonga Jesosy, dia nandray ny m**o, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray.
[14]...

21/03/2024
Mofon'aina Alakamisy 21 Martsa1 Korintiana 10:14-21[14]Koa amin'izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.[15]Mite...
21/03/2024

Mofon'aina Alakamisy 21 Martsa
1 Korintiana 10:14-21
[14]Koa amin'izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
[15]Miteny toy ny amin'ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
[16]Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny ran'i Kristy va izany? Ny m**o izay vakintsika, tsy firaisana amin'ny tenan'i Kristy va izany?
[17]Satria iray ihany ny m**o, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany m**o iray izany avokoa.
[18]Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin'ny alitara va?
[19]Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?
[20]Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra (Deo. 32. 17); koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia ianareo.
[21]Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo. Amena

Mofon'aina Talata 19 MartsaMpitsara 2:1-5[1]Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia ...
19/03/2024

Mofon'aina Talata 19 Martsa
Mpitsara 2:1-5
[1]Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
[2]koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
[3]Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
[4]Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
[5]Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah. Amena

Mofon'aina Alahady 17 MartsaAsan'ny Apostoly 3:22-26[22]Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriaman...
17/03/2024

Mofon'aina Alahady 17 Martsa
Asan'ny Apostoly 3:22-26
[22]Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo.
[23]Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo. 18. 15, 19).
[24]Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
[25]Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Gen. 22. 18).
[26]Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona. Amena

Mofon'aina Zoma 15 MartsaGalatiana 3:15-18[15]Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena ata...
15/03/2024

Mofon'aina Zoma 15 Martsa
Galatiana 3:15-18
[15]Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.
[16]Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany.
[17]Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.
[18]Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy. Amena

Mofon'aina Alakamisy 14 MartsaGenesisy 17:9-14[9]Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandri...
14/03/2024

Mofon'aina Alakamisy 14 Martsa
Genesisy 17:9-14
[9]Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
[10]Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
[11]Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
[12]Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao.
[13]Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
[14]Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy. Amena

Address

Hôpital Befelatanana
Mahamasina
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Chorale STK Aumônerie protestante befelatanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share