21/07/2026
🙏⚽️Tontosa soa aman-tsara ny Alahady lasa teo ny fifaninanana baolina kitra izay nokarakarain'ny M3TV.🏆⚽️
▶️Manolotra fisaorana sy fankasitrahana feno ho an'ireo olona manan-kaja rehetra tonga nanome voninahitra ity hetsika ity izahay, ka isan'izany ny VPAN Afakandro christian , ny solontenan'ny Commune Urbaine De Majunga ,ny president fokotany maro ary ny Filoha AGBM Assy Koffi Olomide 🏆🙏
▶️Maneho fisaorana manokana ho an'ny Fondateur AGBM Mr ASSY , noho ny fanolorany omby matavy sy ondry ho amboara, izay nandray anjara lehibe tamin'ny fahombiazan'ny fifaninanana 🏆🔥
▶️Isaorana manokana ihany koa ny ekipa M3TV🎥 rehetra noho ny fikarakarana sy ny ezaka lehibe nataony tamin'ny fanatanterahana ity hetsika ity. Tsy adino ny Airtel Madagascar , izay nanohana tanteraka izany, isaorana ihany koa i Seleks'tone, izay nanafana sy nampiala voly ny lanonana tamin'ny seho nataony. Tsy adino ihany koa ny Animateur TOKY 🇲🇬
▶️Farany, misaotra indrindra anareo rehetra tonga nanatrika, nanohana ary nandray anjara. Ny fahatongavanareo sy ny fiaraha-mientanareo no nahatonga ity hetsika ity ho fahombiazana.🎉
🙏❤️Mankasitraka antsika rehetra ary manantena ny hihaona indray amin'ny hetsika manaraka.❤️🙏
🎉🏆