09/06/2026
🎉 FIARAHABANA NAHATRATRA NY TAONA VAOVAO 2026 ISAKIN'NY FOKOTANY 🎉
▶️ Efa manomboka amin'ny fomba ofisialy ny fiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2026 isam-pokontany, hetsika karakarain'ny Association AGBM. 🎉
▶️ Ny fokontany Manjarisoa no nanokatra izany lanonana izany tamin'ny asabotsy lasa teo. 🥰
▶️ Nanohy ny hetsika kosa ny fokontany Mahavoky sy Tsaramandroso tamin'ny alahady lasa teo, tao anatin'ny hafaliana sy firaisankina. 🔥🎉
▶️ Fankasitrahana manokana no atolotra ny Filohan'ny Association AGBM, Atoa ASSY, noho ny ezaka sy ny fanatanterahana ireo vina sy teny napetrany ho fampandrosoana ny fikambanana sy ny fiarahamonina. ❤️
▶️ Isaorana ihany koa ireo mpikambana rehetra ao amin'ny AGBM sy ireo vahoaka tonga nanatrika sy nanohana ny hetsika. 😊
▶️ Mbola hitohy fiarahabana isam-pokontany, ka mbola ho avy ny anjaran'ireo fokontany hafa manerana an'i Mahajanga. 😊
🎊 Mirary taona 2026 feno fahombiazana, fahasalamana, firaisankina ary fandrosoana ho an'ny rehetra! 🎊