Tandrifi Mahajanga

Tandrifi Mahajanga Tanora Andrin’ny Fanorenana Ifotony

🧹𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐎𝐁𝐄 ⏰Sabotsy 20 JONA 2026 @ 7 ora sy sasany  maraina ny fotoana eo amin'ny Bazar Tsararano.🧹𝐒𝐚𝐦𝐢𝐚 𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐦...
19/06/2026

🧹𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐎𝐁𝐄

⏰Sabotsy 20 JONA 2026 @ 7 ora sy sasany maraina ny fotoana eo amin'ny Bazar Tsararano.

🧹𝐒𝐚𝐦𝐢𝐚 𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚.

Ao anatin’ny hetsika fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora, ny Fikambanana Tanora ANDRIn'ny Fanorenana Ifotony(TANDRI...
18/06/2026

Ao anatin’ny hetsika fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora, ny Fikambanana Tanora ANDRIn'ny Fanorenana Ifotony(TANDRIFI) miaraka amin’ny CCJ Mahajanga I dia manasa anao hanatrika fotoam-pizarana traikefa sy fifanakalozan-kevitra miaraka amin’Andriamatoa Julien RANDRIAMAHAFALY, Sekretera Jeneralin’ny CCJ Mahajanga I sady Filoha teo aloha tao amin’ny Fikambanana Art Malagasy.

Hifantoka amin’ny lohahevitra “Business, Talenta ary Traikefa” ity fotoana ity, ka hanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanovàna ny talenta ho sehatra mamokatra, ny fandraharahana, ny fanangonana traikefa ary ny fampiasana izany ho fitaovana enti-manangana hoavy matihanina sy maharitra.

📅 Zoma 19 Jona 2026
🕒 Amin’ny 03 ora tolakandro
📍 Biraon’ny Fokontany Mahavoky Avaratra

Fotoana iray ahafahan’ny tanora mianatra, mifanakalo hevitra ary maka aingam-panahy avy amin’ny traikefa sy ny lalan-kizoran’ny mpandahateny.

08/06/2026

🇲🇬 JEUNESSE MALAGASY, LE MOMENT EST VENU.

Nous ne pouvons plus nous contenter de dénoncer.
Nous ne pouvons plus rester spectateurs face à la pauvreté, à la corruption et à l’injustice.

🔥 TANDRIFI MADAGASIKARA est né de la jeunesse et pour la jeunesse,afin de construire un véritable changement, à partir de la base.

Si vous croyez que :
✔️ Madagascar peut changer
✔️ La jeunesse a un rôle central à jouer
✔️ Vous êtes un acteur, pas un simple observateur

👉 REJOIGNEZ TANDRIFI MADAGASIKARA

✊ Une jeunesse qui change
🏗️ Une jeunesse qui transforme
🇲🇬 Une nation qui se relève

-🇲🇬 RY TANORA MALAGASY, FOTOANA IZAO.

Tsy afaka mitaraina mandrakizay isika.
Tsy afaka mijery fotsiny intsony ny fahantrana lalina, kolikoly, fanilikilihana ary tsy rariny.

🔥 TANDRIFI MADAGASIKARA dia natsangan’ny ny TANORA ho an’ny OLOM-PIRENENA indrindra fa ny TANORA,ho an’ny fanovana tena izy, miainga eny ifotony.

Raha mino ianao fa:
✔️ Afaka miova i Madagasikara
✔️ Manan-danja ny andraikitry ny olom-pirenena indrindra ny Tanora.
✔️ Tsy mpijery ianao fa mpisehatra ary manao ny anjara TANDRIFI anao.

👉 MIDIRÀ AO AMIN’NY TANDRIFI

✊ Tanora miova
🏗️ Tanora manova
🇲🇬 Firenena miarina

📩 Soraty « TANDRIFI » eo amin'ny commentaire na midira Mp !

TANDRIFI Boeny| Fidinana ifotony sy ny fihainoana mivantana ny tanora.Ny Alarobia 20 Mey 2026 dia niara-nanatontosa fidi...
23/05/2026

TANDRIFI Boeny| Fidinana ifotony sy ny fihainoana mivantana ny tanora.

Ny Alarobia 20 Mey 2026 dia niara-nanatontosa fidinana ifotony teny amin’ny fokontany Tsararano Ambany sy Tsararano Ambony ny TANDRIFI Boeny ;ONDH Boeny, ny CCJ ;ny Club Fongotra avy amin'ny TI ary ny CAJAC. Io fidinana ifotony io dia natao ho familiana ny antson'ny CCJ Mahajanga I.

Izany indrindra no anton'izao fidinana ifotony izao: manantona akaiky ny tanora sy ny mponina, mihaona ny ahiahy sy ny olana sedrain'izy ireo, mijery ny zava-misy eny antoerana Ary manamafy ny fifandraisana eo amin'ny rafitra tanora sy ny fiarahamonina.

Naneho ihany koa ny fahavononany hiara-hiasa sy hitondra vahaolana manoloana ireo olana eny ifotony ny Conseil Communal des Jeunes (CCJ). Aminay mpitarika fikambanana Tanora ANDRIn'ny Fanorenana ifotony (TANDRIFI) dia ilaina ny fidinana eny ifotony tahak'izao sy mba hihainoana mivantana ny tanora fa indrindra ireo avy amin'ny fokontany ambany tanana,mba ahafahana mitondra marina ny hetahetany sy mandray anjara amin'ny Fampandrosoana ny fiarahamonina.

Tanora ANDRIn'ny Fanorenana ifotony (TANDRIFI). Conseil Communal de la Jeunesse CCJ Mahajanga I 2025-2027. ONDH Boeny
Transparency International Initiative Madagascar.


fans

Fisaorana no atolotra hoan'ny Président CCJ-Conseil Communale de la Jeunesse sy ny tomponandraikitra American Corner Mah...
17/05/2026

Fisaorana no atolotra hoan'ny Président CCJ-Conseil Communale de la Jeunesse sy ny tomponandraikitra American Corner Mahajanga tamin'ny fanomezana ny fiofanana nandritrany telo andro izay nomena anay tanora mpitarika fikambanana eto Mahajanga mba hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefa entina hampandrosoana ny fikambanana sy hanatsarana ny fifandraisana amin'ny ireo izay olona taritina.

Isany nisitraka izany fiofanana izahay solontena membre de bureau TANDRIFI(Tanora ANDRIn'ny Fanorenana Ifotony).Manantena sy mahatoky izahay fa dingana lehibe hoan'ny mpitarika ny fisitrahana ny fiofanana tahaka izao.

🎯 Ireto modules ireto no novoizina nandritrany izany ka ny fanolorana Certificat no namaranana ny fotoana.

📗Finding jour way
📗Gestion efficace des Associations
📗 Communication ans influence
📗 Utilisation efficace des outils IA
📗From Idea to project,
From project to Ex*****on
📗 Leadership for community impact, Taking Action

Mino sy matoky izahay fa hitondra fiovana lehibe @ ntsika mpitarika fikambanana iny fiofanana nomena antsika sy hitondra fahombiazana amin'ny sehatry ny asa iandraiketana sy fampandrosoana ny tanora manodidina.

Tontosa soamatsara ny fiofanana momba ny fiompiana!🐔Faly izahay ato amin'ny Fikambanana "TANDRIFI" (Tanora Andrin'ny Fan...
27/04/2026

Tontosa soamatsara ny fiofanana momba ny fiompiana!🐔

Faly izahay ato amin'ny Fikambanana "TANDRIFI" (Tanora Andrin'ny Fanorenana Ifotony) mampahafantatra anareo fa tontosa soamatsara ny fiofanana momba ny fiompiana akoho (Poulet de chair sy Akoho gasy) teto amin’ny EPP Tsararano Ambony.

Izao hetsika izao dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny TANDRIFI sy ny ekipa mpampiofana avy amin’ny "LFL". Mankasitraka sy misaotra azy ireo manokana izahay tamin’ny fizarana traikefa maimaimpoana ho an’ireo vahoaka liana amin’ny fampandrosoana ny fiompiana.

Dingana voalohany ihany izao! Manomboka izao dia hitohy hatrany ny fanomezana fiofanana samihafa izay natao hampiakarana ny fari-piainan’ireo vahoaka eny ifotony. Vonona hatrany ny TANDRIFI hanampy sy hanohana anareo izay te hivoatra.

📌 Filamatra : "Discipline - Vision - Responsabilité "

📢 FIANTSOANA HO AN’IREO TOMPON’ANDRAIKITRAManentana sy miantso am-panetren-tena ireo tompon’andraikitra voakasika izahay...
23/04/2026

📢 FIANTSOANA HO AN’IREO TOMPON’ANDRAIKITRA

Manentana sy miantso am-panetren-tena ireo tompon’andraikitra voakasika izahay mba hijery akaiky sy handinika ny zava-misy ao amin’ny Maison du Quartier Tsararano Ambony.

Toerana iray manan-danja lehibe ho an’ny fiaraha-monina sy ny tanora izy ity, ka mendrika ny ho voakarakara sy hatsaraina mba hahafahany manohy mitondra soa ho an’ny rehetra.

Manantena izahay fa hisy fandraisana andraikitra haingana sy mahomby, ho fanarenana sy fitandroana ity fotodrafitrasa ity, satria ny hoavin’ny tanora sy ny fampandrosoana ny fiaraha-monina no miankina amin’izany.

🤝 Andao hiara-hientana, hiaro ary hanatsara ny fananana iombonana !

Ao anaty commentaire ny horonantsary👇🏾👇🏾👇🏾

17/04/2026
Ny fikambanana "TANDRIFI" (Tanora Andrin'ny Fanorenana Ifotony) dia nandray anjara mavitrika tamin’ny atrikasa "Rencontr...
16/04/2026

Ny fikambanana "TANDRIFI" (Tanora Andrin'ny Fanorenana Ifotony) dia nandray anjara mavitrika tamin’ny atrikasa "Rencontre avec les décideurs", nokarakarain’ny "Centre Arrupe Madagascar" teto Mahajanga.

Tanjona tamin'izany ny hanamafisana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny tanora sy ireo tompon’andraikitra mba hampiroboroboana ny fandraisan'anjaran'ny olom-pirenena amin'ny fampandrosoana.

Niditra an-tsehatra tamin’izany:
-Ny Sekretera Jeneraly ao amin’ny Prefektioran’i Mahajanga.
-Ny Filohan’ny Mpanolotsaina Monisipaly.
-Ny Tale misahana ny Raharaha ara-toekarena.

Izao fihaonana izao dia manaporofo fa ny fifampiresahana mivantana no fanalahidin'ny fananganana hetsika mahomby ho an’ny fiaraha-monina. Ny TANDRIFI dia vonona hatrany ho andrin'ny fampandrosoana eny ifotony! 🇲🇬

✨ Atrikasa fampahafantarana momba ny SLC ✨  📍 Notanterahina teto Mahajanga ny atrikasa iray nampahafantarana lalina ny S...
15/04/2026

✨ Atrikasa fampahafantarana momba ny SLC ✨

📍 Notanterahina teto Mahajanga ny atrikasa iray nampahafantarana lalina ny SLC (Structure Locale de Concertation), rafitra ara-dalàna sy sehatra ihaonan’ireo mpisehatra samihafa ao anatin’ny fiarahamonina iray 🤝

🎯 Tanjona : hanamafisana ny fifampiresahana sy ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana eny ifotony

👥 Ny Centre Arrupe Madagascar no nikarakara sy nitarika ity atrikasa ity, ka nanazava tamin’ny antsipiriany ny andraikitra sy ny maha zava-dehibe ny SLC amin’ny fitantanana sy ny fandraisana fanapahan-kevitra eny ifotony

💪 Anisan’ireo nandray anjara mavitrika ny tanora avy amin’ny TANDRIFI Boeny, maneho hatrany ny fahavononany handray anjara amin’ny fampandrosoana sy hiaro ny tombotsoan’ny fiarahamonina

🌱 Ny SLC dia sehatra iray lehibe manamafy ny fifandraisana eo amin’ny olom-pirenena sy ny tompon’andraikitra, mitondra vahaolana iombonana ho amin’ny fampandrosoana maharitra

📸 Ireo sary dia mampiseho ny fizotry ny atrikasa

✨ Atelier de présentation du SLC ✨

📍 Un atelier de présentation approfondie du SLC (Structure Locale de Concertation) s’est tenu à Mahajanga 🤝

🎯 Objectif : renforcer le dialogue et la collaboration entre les acteurs locaux pour un développement durable

👥 Organisé et animé par le Centre Arrupe Madagascar, cet atelier a permis de mieux comprendre le rôle et l’importance du SLC dans la gouvernance locale et la prise de décision

💪 Les jeunes de TANDRIFI Boeny ont également participé activement, démontrant leur engagement à contribuer au développement et à défendre les intérêts de la communauté

🌱 Le SLC constitue un espace clé pour rapprocher les citoyens et les décideurs, et construire ensemble des solutions durables

📸 Retour en images sur cet atelier enrichissant

Address

Mahajanga
401

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tandrifi Mahajanga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share