Fitaleavam-paritry ny Mponina sy Firaisan-kina Boeny

Fitaleavam-paritry ny Mponina sy Firaisan-kina Boeny Mponina sy ny firaisan-kina eto Boeny

18/04/2026
Akon'ny fahatsiarovana ny andro ny 29 Martsa 2026.
02/04/2026

Akon'ny fahatsiarovana ny andro ny 29 Martsa 2026.

✨ Famoahana ny andiany voalohany amin’ireo vehivavy marefo nofanina ✨Tanterahina omaly ny famoahana ny andiany voalohany...
31/03/2026

✨ Famoahana ny andiany voalohany amin’ireo vehivavy marefo nofanina ✨

Tanterahina omaly ny famoahana ny andiany voalohany amin’ireo vehivavy marefo izay nahavita fiofanana mikasika ny fitantanana ara-bola.Naharitra 2 herinandro ny fiofanana tato amin'ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy Firaisan-kina Boeny .

Vehivavy miisa 30 no nahazo tombontsoa tamin’ity fiofanana ity, izay natao hanamafisana ny fahaiza-manaony amin’ny fitantanana ny vola, ny fandrindrana tetibola ary ny fanombohana asa madinika hahafahana mamorona fidiram-bola maharitra.

🤝 Ity hetsika ity dia notanterahina niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny JCI sy Orange Solidarité, izay samy manohana ny fampiroboroboana ny fahaleovantenan’ny vehivavy.

🎯 Tanjona ny hanampy ireo vehivavy ho matanjaka ara-toekarena sy hahaleo tena amin’ny fiainany andavanandro.

🙏 Fisaorana feno no atolotra ny Ministera mpiahy noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa nahafahana nanatanteraka izao hetsika izao.

👏 Dingana iray lehibe mankany amin’ny fahavitan-tena sy ny hoavy tsaratsara kokoa!

👉Araho hatrany ny pejy ofisialy dia aza adino ny mizara 👆

✨ Mitohy hatrany ny fanohanana ho an’ireo olona manana fahasembanana-Boeny📍 Notanterahina androany maraina ny hetsika fi...
26/03/2026

✨ Mitohy hatrany ny fanohanana ho an’ireo olona manana fahasembanana-Boeny

📍 Notanterahina androany maraina ny hetsika fizarana "Appareils Auditifs" teto amin'ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy Firaisan-kina Boeny Mangarivotra.

🟥Olona manana fahasembanana ara-pandrenesana miisa 6 nisitraka izany, izay avy ao amin'ny Fikambanana Marenina eto Mahajanga.

🎯 Tanjona lehibe:
✔️ Hanatsara ny fahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fiainam-piarahamonina.
✔️ Hanamora ny fifandraisana andavanandro.
✔️ Hampiroborobo ny fitovian-jo ho an’ny rehetra.

💬 Zay olona nangataka ara-taratasy ihany no misitraka ity fanomezana MAIMAIM-POANA AVY amin'ny ministera mpiahy. Ary hoan'ireo Zay maniry hisitraka manantona ao amin'ny biraon'ny fitaleovam-paritry mponina sy firaisan-kina Boeny.

❌Tsy azo amidy na atakalo
👉Hisy naramaha maso Ilay fitaovana ampiasana
👉Olona voamarin'ny mpitsabo no mahazo azy
👉EFA misy pile iray Hafa miaraka aminy ary mora hita eny an-tsena Raha toa ka lany pile na koa manantona aty amin'ny fitaleovam-paritra.

🔁 Mbola hitohy ny hetsika any amin'ny distrika rehetra mandrafitra ny faritran Boeny fa tsy eto Mahajanga I ihany mba ho fanamafisana ny firaisan-kina sy ny fiahiana ara-tsosialy.

Address

Mangarivotra
Mahajanga
401

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fitaleavam-paritry ny Mponina sy Firaisan-kina Boeny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share