DRASA Androy

Call Contact the organization

DRASA Androy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DRASA Androy, Ambohipo Antananarivo, Antananarivo.

🌿🌍 FITSIDIHANA IFOTONY – MANANKOLIVA, BERAKETA ARY TANANDAVA-SARISAMBO FARITRA ANDROY 🌱📍 Notanterahina ny fitsidihana if...
09/10/2026

🌿🌍 FITSIDIHANA IFOTONY – MANANKOLIVA, BERAKETA ARY TANANDAVA-SARISAMBO FARITRA ANDROY 🌱

📍 Notanterahina ny fitsidihana ifotony tany Manankoliva, Beraketa ary Tanandava-Sarisambo, ho fanaraha-maso sy fijerena akaiky ny zava-misy eny an-toerana.

🎯 Ity fitsidihana ity dia natao mba hahafantarana bebe kokoa ny toe-javatra misy, hihainoana ny filàn'ny mponina ary hijerena ireo ezaka sy asa azo hatsaraina ho fampandrosoana maharitra.

🤝 Ny fidinana ifotony no ahafahana mahafantatra ny tena zava-misy sy mametraka vahaolana mifanaraka amin'ny filàn'ny eny an-toerana.

🌱 « 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨, 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐞𝐥𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨 »

📢🌱 ATRIKASA FANAOVANA CAPITALISATION IARAHANA AMIN’NY ONG AINA🤝 Tanterahina ny atrikasa fanaovana kapitalizasiôna iaraha...
09/10/2026

📢🌱 ATRIKASA FANAOVANA CAPITALISATION IARAHANA AMIN’NY ONG AINA
🤝 Tanterahina ny atrikasa fanaovana kapitalizasiôna iarahana amin’ny ONG AINA aty amin'ny distrikan'ny Bekily, izay mikendry ny hanasongadinana ireo traikefa nahomby, hamantarana ny fomba fanao tsara ary hisintonana lesona azo ampiharina amin’ny fampandrosoana ny fambolena sy ny fiompiana.
🌾 Ny fifantohana dia amin’ny fandinihana ireo tantaram-pahombiazana, manomboka amin’ny toe-javatra tany am-piandohana, ny asa natao, ny fiovana hita, ny vokatra azo ary ny lesona azo ampitaina amin’ny hafa.
🎯 Tanjona: Hanamafy ny fifampizarana traikefa, hampiely ireo fomba fanao mahomby ary hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra ho an’ny tantsaha sy mpiompy.
🌱 « 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨, 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐞𝐥𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨 »

🌾 DRASA ANDROY – FANDRAISANA ANJARA AMIN’NY ATELIER MOMBA NY PROJET RÉSILIENCE📍 Besakoa – Distrikan’i Bekily📅 06 Oktobra...
06/10/2026

🌾 DRASA ANDROY – FANDRAISANA ANJARA AMIN’NY ATELIER MOMBA NY PROJET RÉSILIENCE
📍 Besakoa – Distrikan’i Bekily
📅 06 Oktobra 2026
Nandray anjara tamin’ny atelier momba ny fanamafisana ny fitantanana maharitra ny barrage d’Ankily sy ny fametrahana DINA iaraha-manapaka ny DRASA Androy, niaraka tamin’ny CSRGR, CIRASA, Distrikan’i Bekily, PAM, ONG AINA, manampahefana eny an-toerana ary ireo solontenan’ny vondrom-piarahamonina. Tafiditra ao anatin’ny Projet Résilience ity hetsika ity, izay mikendry ny hampaharitra ireo zava-bita sy fotodrafitrasa napetraka ho tombontsoan’ny mponina.
🎯 Tanjona lehibe tamin’ny atelier : fanentanana momba ny fikajiana sy fikojakojana ny barrage d’Ankily, famaritana mazava ny andraikitry ny mpisehatra tsirairay, famolavolana sy fankatoavana ny DINA, fanamafisana ny fanoloran-tenan’ny vondrom-piarahamonina, ary famindrana amin’ny fomba ofisialy ireo asa sy zava-bita FFA ho eo anivon’ireo rafitra maharitra.
Nandritra ny andro dia nifantoka tamin’ny fampahafantarana ireo zava-bita FFA, fanentanana momba ny fitantanana maharitra ny fotodrafitrasa, fifanakalozan-kevitra sy asa anaty vondrona momba ny DINA, fankatoavana ireo fepetra sy fanoloran-tena, ary ny passation officielle ny activités FFA ny hetsika.
🤝 Ny fandraisan’anjaran’ny DRASA Androy dia manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sampan-draharaham-panjakana, mpiara-miombon’antoka ary vondrom-piarahamonina, ho amin’ny fampaharitana ny zava-bita, fanamafisana ny faharetan’ny famokarana ary ny fahaiza-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro.
🌱 « 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨, 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐞𝐥𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨 »

🇲🇬 FIVORIANA CLUSTER SAMS FARITRA ANDROY – 30 SEPTAMBRA 2026Nandray anjara tamin’ny fivorian’ny Cluster SAMS Androy ny D...
03/10/2026

🇲🇬 FIVORIANA CLUSTER SAMS FARITRA ANDROY – 30 SEPTAMBRA 2026

Nandray anjara tamin’ny fivorian’ny Cluster SAMS Androy ny DRASA Androy, izay natao ny 30 septambra 2026 tao Ambovombe, niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpisehatra samihafa amin’ny Fiarovana ara-tsakafo sy ny Fiveloman’ny mponina.

🤝 Nifantoka indrindra tamin’ny :
• fanaraha-maso ireo fanapahan-kevitra sy tolo-kevitra tamin’ny fivoriana teo aloha ;
• fifampizarana ny fivoaran’ireo tetikasa sy hetsika mandeha ;
• fanombanana ny toe-draharaha ara-tsakafo sy ny fiveloman’ny mponina eto Androy ;
• fanamafisana ny fandrindrana sy ny fifampizarana vaovao sy antontan-kevitra ;
• fifanakalozana momba ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra manoloana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fahafatesan’ny biby fiompy.

🌱 Nohamafisin’ny Talemparitra ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo Androy ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fandraisany anjara amin’ireo fivoriana fandrindrana sy amin’ny dingana rehetra amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa eto amin’ny Faritra.

🌱📢 ATRIKASA TEKNIKA DEFIS–FAO – TETIKASA SEMENCIER📍 Taolagnaro, Faritra Anôsy – Hôtel AZURA📅 21–22 Septambra 2026Natao t...
22/09/2026

🌱📢 ATRIKASA TEKNIKA DEFIS–FAO – TETIKASA SEMENCIER

📍 Taolagnaro, Faritra Anôsy – Hôtel AZURA
📅 21–22 Septambra 2026

Natao tao Taolagnaro ny Atrikasa Teknika Fanombohana sy Fandrindrana ny Tetikasa Semencier DEFIS–FAO, izay dingana lehibe hanamafisana ny fandrindrana, fiaraha-miasa ary fanatanterahana mahomby ny tetikasa.

🎯 Nifantoka tamin’ny: 🔹 Fampitoviana ny fahatakarana momba ny tetikasa;
🔹 Fametrahana ireo asa laharam-pahamehana 2026–2027;
🔹 Fanamafisana ny andraikitry ny mpisehatra sy ny fiaraha-miasa;
🔹 Fametrahana rafitra iombonana ho an’ny fanaraha-maso sy tatitra.

👥 Nandray anjara ny solontenan’ny Faritra Anôsy sy Androy, MIASA, DRASA, DEFIS, FAO, fikambanana matihanina ary ireo tetikasa sy programa mpiara-miombon’antoka.

🌾 Tanjona farany: hanamafy ny famokarana masomboly tsara kalitao, hanohana ny tantsaha ary handray anjara amin’ny fiarovana ara-tsakafo eto Madagasikara.

𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨, 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨. 🌱🇲🇬

18/09/2026
🇲🇬 FIA & FIG 2026 : L’ANDROY À L’HONNEUR À TRAVERS SES POTENTIALITÉS AGRICOLES ET D’ÉLEVAGELa Direction Régionale de l’A...
10/09/2026

🇲🇬 FIA & FIG 2026 : L’ANDROY À L’HONNEUR À TRAVERS SES POTENTIALITÉS AGRICOLES ET D’ÉLEVAGE
La Direction Régionale de l’Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire (DRASA) Androy participe à la Foire Internationale de l’Agriculture (FIA) et à la Foire Internationale de la Gastronomie (FIG) 2026, qui se tiennent du 10 au 13 septembre 2026 au CCI Ivato – Antananarivo.
À travers cette participation, la DRASA Androy, avec l’appui du Programme PROGRES Androy, met en lumière les potentialités de la Région Androy, notamment dans le domaine de l’élevage des petits ruminants, de la production de viande, de la transformation agroalimentaire et de l’agriculture.
🐐 Les jeunes entrepreneurs et les unions des éleveurs de la Région Androy sont mobilisés afin de présenter leur savoir-faire, leurs produits et les opportunités économiques offertes par la filière des petits ruminants.
🥩 De l’élevage à la production de viande, en passant par la transformation et la valorisation des produits, cette participation démontre que l’Androy dispose d’un véritable potentiel pour développer des chaînes de valeur créatrices d’emplois et de revenus.
🌱 Les agriculteurs participent également à cette dynamique en valorisant les produits agricoles et les initiatives locales, contribuant ainsi au développement d’une agriculture plus productive, résiliente et orientée vers le marché.
🤝 Cette présence à la FIA & FIG constitue une opportunité pour promouvoir les producteurs de l’Androy, créer des partenariats, développer les débouchés commerciaux et renforcer la visibilité des produits régionaux au niveau national.
🇲🇬 ANDROY : Produire, Transformer, Valoriser et Développer !
DRASA Androy – Programme PROGRES Androy

10/09/2026

𝐋𝐄 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐓 𝐇𝐀𝐕𝐄𝐋𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐑𝐄 𝐏𝐎𝐔𝐑 𝐓𝐑𝐀𝐍𝐒𝐅𝐎𝐑𝐌𝐄𝐑 𝐋'𝐄́𝐂𝐎𝐍𝐎𝐌𝐈𝐄 𝐃𝐔 𝐆𝐑𝐀𝐍𝐃 𝐒𝐔𝐃 🌽🍠

🔸 Projet d'envergure financé par la Banque mondiale via le Programme régional de 𝐫𝐞́𝐬𝐢𝐥𝐢𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐜𝐥𝐢𝐦𝐚𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞, le projet 𝐇𝐚𝐯𝐞𝐥𝐨 𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐫𝐞 ambitionne de transformer durablement l'économie des régions Androy et Anôsy. Au cœur du dispositif, la construction d'une 𝐢𝐧𝐟𝐫𝐚𝐬𝐭𝐫𝐮𝐜𝐭𝐮𝐫𝐞 𝐡𝐲𝐝𝐫𝐨-𝐚𝐠𝐫𝐢𝐜𝐨𝐥𝐞 de 1 km de long et 65 mètres de hauteur sur le fleuve Mandrare permettra d'irriguer entre 16.000 et 20.000 hectares. Cette avancée stimulera la production de cultures adaptées comme le sorgho, le maïs ou le manioc, offrant aux exploitants la possibilité d'effectuer 2 récoltes par an.

🔸 Au-delà de l'agriculture, le projet apporte une réponse globale au déficit hydrique et énergétique du 𝐆𝐫𝐚𝐧𝐝 𝐒𝐮𝐝 grâce à un réservoir de 810 millions de m³ pour l'eau potable et à une centrale hydroélectrique. Le 𝐝𝐞́𝐬𝐞𝐧𝐜𝐥𝐚𝐯𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐫𝐮𝐫𝐚𝐥 n'est pas en reste, avec la réhabilitation prévue de 260 km de routes pour faciliter l'évacuation des récoltes. Les récentes discussions entre le ministre de l'Agriculture, Gaëtan Ramindo, et le représentant de la Banque africaine de développement confirment la dynamique en cours pour concrétiser ces investissements essentiels.

06/09/2026
02/09/2026

Address

Ambohipo Antananarivo
Antananarivo

Telephone

+261344073053

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRASA Androy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DRASA Androy:

Shortcuts

Share