Skoto Chap-Mi Ivato fiv.278

Skoto Chap-Mi Ivato fiv.278 CHAP-MI LEROA!💙💚⚜️
Fivondronana 278eme

Salama daholo👋 Mbola ao anatin’ny volana Aprily isika izao😁 Ho an’i FJKM dia mbola mibanjina ny lohahevitra hoe : « 𝗠𝗽𝗮𝗻...
19/04/2026

Salama daholo👋

Mbola ao anatin’ny volana Aprily isika izao😁
Ho an’i FJKM dia mbola mibanjina ny lohahevitra hoe : « 𝗠𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗲𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗺𝗽𝗼 ✨ »

izahay eto amin’ny SAMPATI Chapelle Militaire Ivato dia mirary antsika rehetra mba ho mpandresy tahaka ilay Tompontsika!

Nandresy ny fahafatesana izy, isika kosa dia handresy izay mety ho sarintsarim-pahafatesana eo amin’ny fiainan-tsika🙏🏻❤️

Manasa antsika ihany koa hanaraka ny kaonty TIK TOK🥹

https://www.tiktok.com/.chapelle.mi?_r=1&_t=ZS-95fljaemyWO

📚Lioka 9:23❤️‍🔥“Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany isan’andro, dia hanara...
12/04/2026

📚Lioka 9:23❤️‍🔥
“Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany isan’andro, dia hanaraka Ahy.”

Eto dia misy fihainoana, misy fitiavana 🤍
Toerana iray ahafahan’ny tsirairay miteny sy henoina, satria ao amin’i Jesosy dia iray tampo isika.

Na inona na inona lalovanao, na ratra na ahiahy, dia raisina am-pitiavana ianao eto.
Miara-mandeha isika, manaraka Azy isan’andro, amin’ny finoana sy fanantenana.

Indro ny rohy makany amin’ny kaonty TIK TOK :
https://www.tiktok.com/.chapelle.mi?_r=1&_t=ZS-95adPQykxYF

💛💚❤️

05/04/2026

✝️🌿 Joyeuses Pâques ! 🌿✝️

En ce jour saint, nous célébrons la résurrection de Jésus-Christ, source de notre foi et de notre espérance.
Que la lumière du Christ ressuscité illumine vos vies, renouvelle vos cœurs et vous apporte paix, amour et bénédictions. 🙏✨

“Il n’est pas ici, il est ressuscité.”

Que cette fête soit pour chacun un moment de foi, de recueillement et de grâce.

Joyeuses et saintes Pâques à tous !

🔥🔥
30/03/2026

🔥🔥

Isaorana ny Tompo lehibe fa mbola nomeny hery sy fahasalamana🙏🏼Ka tontosa soamantsara ny Lasy «ILO» izay nataon'ny Sampa...
29/03/2026

Isaorana ny Tompo lehibe fa mbola nomeny hery sy fahasalamana🙏🏼Ka tontosa soamantsara ny Lasy «ILO» izay nataon'ny Sampana Mena Mpanazava ❤️🔥 Tao amin'ny Espace Ravintsara Ambohijanahary
Nisy ireo Ankizy izay nahavita dingana.
Ka indreto ary ny fintina an-tsary ny tamin'izany 😁



22/03/2026

Andao ianareo ho entinay indray Amin’ny ity tetikasa menafify ity💚💙


🩵💚
22/03/2026

🩵💚

04/03/2026

Zavatra anisan'ny Mahafinaritra ihany koa ny mahita ny fovoaran-tena sy fitomboan'ireo ankizy izay volavolaina eto anivon'ny fikambana😁

Faly ireo Mpiandraikitra fa afaka nandray anjara tamin'ny Fanabeazana sy fikolokoloana azy ireo🤗

03/03/2026

Ekena fa mety an'ny amin'ny Iran sy Israel indray mason'izao tontolo amin'izao ...👀

Fa ho anay fivondronana eto amin'ny Chapelle Militaire Ivato kosa dia tsy manadino fa mbola misy an'izany Toamasina izany , izay andalam-panarenana tanteraka noho ny fandalovany rivodoza farany teo ka nanimba zavatra maro tao.🥹

Miombo-po sy saina amin'ny zareo tokoa izahay amin'izao , mitondra teny fampaherezana ho an'ny zareo amin'ny halalany ito horonantsary fohy ito.❤️🫶🏽

"Ce n'est pas  notre vol , c'est le vol de............" fenoy ny banga 🥹🛩️Fizarana kely ny fiainanay androany indray ry ...
01/03/2026

"Ce n'est pas notre vol , c'est le vol de............" fenoy ny banga 🥹🛩️

Fizarana kely ny fiainanay androany indray ry zareo ... Naha dia ny tontolo lalana ety ambony tany fona aza no tena mahazatra dia tsy adino fa misy ihany koa izany tontolo lalana eny anabakabaka izany ka izany no niezahanay nofatarina tamin'ny alalan'ny fitsidihana nataonay ny seranam-piaramanidina Ivato androany....✈️

Nandritra izany fitsidihana izany dia nahafantatra sy nianatra momba ny:
🔹 Dingana amin’ny fisoratana anarana (enregistrement) ataon’ny mpandeha
🔹 Fomba fidirana ao anatin'ny fiaramanidina (embarquement)
🔹 Ireo sampan-draharaha samihafa ao amin’ny seranam-piaramanidina
🔹 Ny andraikitra sy ny asan’ny tsirairay
🔹 Ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy ny fiarovana amin’ny fitaterana an’habakabaka...sy ny sisa ...

Nahafantatra izahay fa ao ambadik’ny sidina tsirairay dia misy fandaminana hentitra, fiaraha-miasa ary fahatsapana andraikitra izay tsara halaina tahaka amin'ny zavatra atao rehetra .🧠

✨ “Tahaka ny fiaramanidina miakatra mankany amin’ny lanitra vaovao, enga anie ka hanandratra hatrany amin’ny hoavy tsaratsara kokoa ny fahalalana sy traikefa izay azo tao.”

Misaotra indrindra ny orinasa Ravinala Airports Madagascar tamin’ny fandraisana sy ny fizarana fahalalana.❤️

Vonona mandrakariva hanompo, hianatra ary hanorina tontolo tsaratsara kokoa izahay. ⚜️

©️ Fileovana Chapelle Militaire Ivato

22/02/2026

Andro manokana ho an’ny Skoto maneran-tany ✨
Mankalaza ny Journée mondiale de la pensée, andro iray hahatsiarovana ny firahalahiana, ny firaisankina ary ny soatoavina skoto.

Miara-mieritreritra, miara-mivavaka, miara-manompo ho an’ny tontolo tsaratsara kokoa 🌍 Misy ity rakitsary ity zarainay aminareo momban’ny tontolo andronay androany ❤️

Address

Ivato
105

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Skoto Chap-Mi Ivato fiv.278 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share