22/08/2026
HETSIKA REJIONALY JIJ 2026: HANJÒNA AO BETROKA NY TANORA ANOSY! 🇲🇬✨
Hiara-hientana sy haneho ny heriny indray ny tanora ao anatin’ny Faritra Anosy! Ho fankalazana ny Andro Erantany ho an’ny Tanora (Journée Internationale de la Jeunesse - JIJ Rejionaly 2026), dia handray ny hetsika goavana ny Kaominina Betroka ny 28, 29, ary 30 Aogositra 2026 ho avy izao, ao amin'ny Kianja D'Iakora.
Eo ambany lohahevitra hoe: « Tontolo samy hafa, hetaheta iombonana », ary entina hanatrarana ny tanjona: « Tanora miray hina ho an'ny fampandrosoana an'ny Anosy », dia fandaharana marolafy no miandry antsika any an-toerana:
🔹 Fiofanana ho fampitomboana fahaiza-manao sy fitarihana.
🔹 Fanadiovana sy asa fampandrosoana ho an'ny tontolo iainana.
🔹 Fanentanana isan-karazany ho an'ny tanora sy ny mpiara-monina.
🔹 Karnavaly sy Famparantiana ara-kolontsaina maro loko.
Tanterahina izao hetsika izao eo ambany fiaraha-miasan'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), ny Conseil Communal de la Jeunesse (CCJ) Betroka, ny Faritra Anosy, ary tohanan'ny UNICEF sy ny UNFPA.
U-report Roho Anôsy
UNICEF Madagascar
DRJS ANÔSY
Roland Herinirina Rafidiarimanana
Ybrahum Costan
Ccj Betroka Ccj Betroka
UNFPA