Plateforme Dia Raiky

Plateforme Dia Raiky s'exprimer librement pour une société juste

04/09/2026
04/09/2026

Antom-pisian'ny Plateforme Dia Raiky ny miady amin'ny herisetra mianjady amin'ny Mpanao Gazety eo ampanatanterahana ny asany koa manoloana ity tranga ity dia mankahery ny Mpanao Gazety rehetra eto Fianarantsoa ny Fikambanana.

🔎 FAKE NEWS : AHOANA NO HAMANTARANA FAO VAOVAO DISO?📱 Mahita vaovao manaitra ao amin’ny Facebook na WhatsApp ianao.😱 “VA...
03/09/2026

🔎 FAKE NEWS : AHOANA NO HAMANTARANA FAO VAOVAO DISO?

📱 Mahita vaovao manaitra ao amin’ny Facebook na WhatsApp ianao.

😱 “VAO HENO FA…”
🚨 “VAOVAO MAIKA!”
😡 “VAOVAO VAO MAFANA FA.......!”
📢 “ZARAO HAINGANA MBA HAHAFANTARAN’NY REHETRA!”

👉 Fa tena marina ve izany?

Aza tonga dia mino. Aza tonga dia mizara.
Mijanòna kely… ary jereo aloha! 👀

🚩 FAMANTARANA FA METY HO FAKE NEWS:

🔴 1. Lohateny mampitolagaga be
Raha natao hampatahotra, hampahatezitra na hampientanentana anao fotsiny ilay lohateny, tandremo.

🔴 2. Tsy fantatra ny loharano
Iza no namoaka azy? Misy anarana mazava ve? Pejy na média azo itokisana ve?

🔴 3. Tsy misy porofo
Misy antontan-kevitra, fanambarana ofisialy, sary na porofo azo hamarinina ve?

🔴 4. Jereo tsara ny daty 📅
Mety ho vaovao efa taona maro lasa ilay izy, nefa averina aparitaka toy ny hoe vao nitranga.

🔴 5. Aza mijery loharano iray ihany
👉 Karohy amin’ny média hafa.
👉 Jereo ny pejy ofisialy.
👉 Ampitahao ny vaovao.

🔴 6. Tandremo ny sary sy vidéo 🎥
Tsy midika hoe marina ny vaovao satria misy sary na vidéo. Mety ho sary taloha na nalaina tamin’ny toerana hafa izy.

🧠 FANONTANIANA 3 TOKONY APETRAKA AMIN’NY TENANAO:

❓ Iza no namoaka?
❓ Inona no porofo?
❓ Aiza koa no ahafahako manamarina azy?

👉 Raha tsy azonao antoka, ALEO TSY MIZARA aloha.

Vakio 👀 - Hamarino 🔎 - Ampitahao 🔄 - Izay vao miroso amin'ny fizarana📲

💬 Ny fizarana vaovao tsy voamarina dia mety hampiely tahotra sy disadisa.

DIA-RAIKY
Ho an’ny olom-pirenena mahay manavaka, vaovao marina ary tompon’andraikitra.

30/08/2026

📊Les données sur la liberté de la presse et d'expression à Madagascar sont accessibles sur notre siteweb

Menaces, violations, condamnations ou entraves au travail des acteurs de l'information : Ilontsera recense, analyse et documente rigoureusement la réalité du terrain depuis son dispositif de veille médiatique hors-ligne.

Grâce à l'appui de la Délégation de l'Union européenne à Madagascar et en Union des Comores à travers le projet , nous avons pu suivre régulièrement depuis 2024 les entraves à la liberté de presse et à la liberté d'expression.

Nos rapports complets de monitoring média sont en ligne et consultables.

👉 Accédez directement aux données et analyses : https://ilontsera.mg/mediamonitoring/

🇲🇬 ASSEMBLÉE GÉNÉRALE DE LA PLATEFORME DIA RAIKYLa plateforme DIA RAIKY a tenu son Assemblée Générale ce samedi 29 août ...
29/08/2026

🇲🇬 ASSEMBLÉE GÉNÉRALE DE LA PLATEFORME DIA RAIKY

La plateforme DIA RAIKY a tenu son Assemblée Générale ce samedi 29 août 2026, un moment important consacré à l’évaluation des activités réalisées, aux échanges sur les acquis et les défis rencontrés, ainsi qu’à la préparation des prochaines activités.

🤝 Cette rencontre a également permis de renforcer l’organisation interne de la plateforme, de clarifier les responsabilités et de consolider la collaboration entre les membres.

📌 Parmi les prochaines étapes figure notamment la préparation d’une rencontre avec l’ONG Ilontsera et les patrons de presse de la Région Haute Matsiatra, afin de favoriser le dialogue, les échanges d’expériences et la collaboration entre les différents acteurs.

🌱Liberté • Inclusion • Responsabilité • Engagement citoyen

29/08/2026

⚖️20 ans. C’est le temps depuis lequel le projet de loi sur l’accès à l'information publique dort dans les tiroirs du Gouvernement et du Parlement.

➡️Pourtant, le changement de régime et les promesses d'un gouvernement axé sur la transparence avaient redonné de l'espoir à la société civile. Aujourd'hui, le constat est amer : ce texte essentiel semble être tombé dans l'oubli.

📷Dans une récente interview accordée à RFI, Ilontsera tire la sonnette d'alarme et exprime sa vive inquiétude : https://www.rfi.fr/fr/afrique/20260827-madagascar-une-session-extraordinaire-de-l-assembl%C3%A9e-nationale-sans-le-projet-de-loi-sur-l-information-publique

Sans accès à l'information, peut-on vraiment parler de démocratie et de redevabilité ?

🇲🇬 DIA RAIKY – Miara-manohana ny tanora ho amin’ny hoavy mamirapiratra✨ Nasaina manokana ihany koa ny ekipa Plateforme D...
29/08/2026

🇲🇬 DIA RAIKY – Miara-manohana ny tanora ho amin’ny hoavy mamirapiratra

✨ Nasaina manokana ihany koa ny ekipa Plateforme Dia Raiky nandritra ny fampahafantarana ny Tetikasa FANDROSO, tetikasa natolotry ny Fanjakana Malagasy ho an’ny tanora manerana an’i Madagasikara.

📍 Anisan’ireo nahazo tombony tamin’izany ny tanoran’i Fianarantsoa, izay nahazo fahafahana hahafantatra bebe kokoa ireo fanohanana sy fahafahana atolotry ny tetikasa.

💡 FANDROSO dia tetikasa mikendry ny hanampy ny tanora hanana hoavy mazava kokoa, indrindra amin’ny alalan’ny famoronana asa sy fampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara.

🤝 Ho an’ny DIA RAIKY, zava-dehibe ny fanomezana sehatra ny tanora hahazoany vaovao, hahafantarany ny fahafahana misy ary hahafahany mandray anjara amin’ny fampandrosoana.

FESTIVAL KIM ANDIANY FAHA-19 : KOLONTSAINA, FIRAISANKINA ARY FIFANKATIAVANANifarana tamin’ny fomba ofisialy ny Alahady 2...
27/08/2026

FESTIVAL KIM ANDIANY FAHA-19 : KOLONTSAINA, FIRAISANKINA ARY FIFANKATIAVANA

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny Alahady 23 Aogositra 2026 tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambondrona, Distrikan’Isandra, ny Festival KIM andiany faha-19.

Nampiavaka ity hetsika ara-kolontsaina ity ny firaisankina, ny fifankatiavana ary ny fankalazana ny kolontsaina, izay hita taratra tamin’ireo seho sy lanonana samihafa nandritra ny hetsika.

Tonga nanome voninahitra sy nanohana ny hetsika ireo tompon’andraikitra, olom-boafidy, mpiara-miombon’antoka ary ny vahoaka.

📸📰 Nandray anjara tamin’ny fampitana sy fizarana ireo fotoana nisongadina nandritra ny Festival KIM andiany faha-19 ihany koa ny DIA-RAIKY, ho fanohanana ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fampahafantarana ny hetsika teto an-toerana.

🤝 Fisaorana no atolotra ireo rehetra nandray anjara, nanohana ary niara-nientana tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao.

🎉 Ho an’ny andiany faha-20 amin’ny taona ho avy, ny Kaominina Nasandratrony indray no handray ny fampiantranoana ny Festival KIM.

DIA-RAIKY — Mampita vaovao, mampifandray ary manome lanja ny kolontsaina sy ny fiarahamonina.

🛑 NY ENDRIKA HERISETRA SAMIHAFA HITA ETO MADAGASIKARA💡 Ny fahafantarana ny endrika sy ny antony mety mahatonga ny herise...
25/08/2026

🛑 NY ENDRIKA HERISETRA SAMIHAFA HITA ETO MADAGASIKARA

💡 Ny fahafantarana ny endrika sy ny antony mety mahatonga ny herisetra dia dingana iray lehibe amin’ny fisorohana azy.

Volana maromaro izay, hita fa maro sy samihafa ireo endrika herisetra miseho eto Madagasikara, na eo anivon’ny fiarahamonina na eny amin’ny tambajotra sosialy.

🔴 Herisetra ara-batana
Daroka, ratra, vono olona ary fihetsika rehetra manimba ny vatana na ny ain’ny olona.

🧠 Herisetra ara-tsaina sy ara-pitenenana
Fandrahonana, fanalam-baraka, fanambaniana, teny manaratsy ary fihetsika mampijaly ara-tsaina.

📱 Herisetra an-tserasera
Cyberharcèlement, fanalam-baraka, fandrahonana ary fanaparitahana vaovao manaratsy amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy.

⚖️ Herisetra mifototra amin’ny lahy sy ny vavy (VBG)
Herisetra atao amin’ny olona noho ny maha-lahy na maha-vavy azy, izay mety hiseho amin’ny endrika ara-batana, ara-tsaina, ara-nofo na ara-toekarena.

❓ INONA AVY NO METY MAHATONGA NY HERISETRA ?

Maro ny antony mety mifandray amin’ny herisetra, ka anisan’izany:

🔹 Fahantrana sy tsy fananana asa
🔹 Fidorohana zava-mahadomelina na toaka
🔹 Tsy fahampian’ny fanabeazana momba ny zon’olombelona
🔹 Fifandirana eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina
🔹 Tsy fahampian’ny fahalalana sy fanajana ny zon’ny hafa

🤝 Samy manana andraikitra amin’ny fisorohana ny herisetra isika rehetra.

Address

Radio Mampita
Fianarantsoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Plateforme Dia Raiky posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share