01/07/2026
Tsara ho fantatra ….
Kristianina VS silamo
TEBOKA 6 TSY IRAISAN'NY KRISTIANA SY NY MUSULMAN HEVITRA MIHITSY !
Nafanafana ny adihevitra teo amin'ny Kristiana sy ny Musulman tatoato izay. Maro anefa no tsy mahalala hoe : Inona marina tokoa moa no mahasamihafa ireo fivavahana roa ireo ? Dia mazava ho azy fa samy milaza ho "religion révélée" izy ireo ary samy mino an'Andriamanitra tokana, izay itovizany amin'ny Judaïsme izany.
Kanefa rehefa dinihina lalina, dia hita fa misy fahasamihafana lalina tokoa izy ireo.
Maro dia maro ny fahasamihafana amin'ireo fivavahana roa ireo, kanefa ireto misy teboka 6 fototra tsy mampiombon-kevitra azy ireo mihitsy.
1. TSY MITOVY NY BOKY EKENA HO MANAM-PAHEFANA @ FINOANA SY FITONDRAN-TENA (Le Canon).
a. Amin'ny kristiana
Ny Baiboly (Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao) no eken'ny kristiana ho Tenin'Andriamanitra. Ny Baiboly irery no tompon'ny fahamarinana faratampony (ultime référence) amin'ny finoana sy fitondran-tena.
b. Amin'ny Musulman
Ny "Coran" kosa no ambaran'ny Musulman fa fanambarana farany sady marina tanteraka (la révélation finale et parfaite) nomen'Andriamanitra.
2. MISY MAHASAMIHAFA BE NY ANDRIAMANITRA INOANY MIHITSY.
Na dia samy milaza ho "Monothéiste", mivavaka amin'ny Andriamanitr'i Abrahama aza ireo fivavahana roa ireo, dia tsy mitovy mihitsy ny mahaizy azy an'Andriamanitra inoan'izy ireo.
a. Amin'ny kristiana
Andriamanitra dia Andriamanitra Tokana nefa manana Personnes Telo, dia ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Un Dieu Tri-unitaire). Antsoina hoe "Personne" ny "Être" iray rehefa manana "conscience de soi" (afaka mahatsapa sy miteny hoe "Izaho" fa tsy "Izy"), manana "esprit, volonté et sentiment". Noho izany ny Ray dia tena mahatsapa tena fa Ray tokoa, manana ny "volonté", tahaka izany ihany koa ny Zanaka (Jesosy) dia tena mahatsapa fa Zanaka Izy fa tsy Ray (aoka ny sitraponao no atao fa tsy ny Ahy, hoy Jesosy), ary ny Fanahy Masina dia sady tsy Ray no tsy Zanaka fa ilay nirahin'ny Ray sy ny Zanaka. Iray tsy misaraka anefa ireo Personnes Telo ireo ka sady afaka miteny hoe "Izaho" (singulier) no afaka miteny hoe "Izahay" (pluriel).
b. Amin'ny Musulman
Andriamanitra dia Andriamanitra Tokana (absolument unique) ary tsy azo zaraina (izany hoe Andriamanitra Tokana ary Personne Tokana, no ao aminy), ary "Allah" no anarany. Lavin'izy ireo tanteraka noho izany Ilay "Andriamanitra Tokana nefa manana Personnes Telo (Trinité). Heverin'ny maro amin'izy ireo ho fanopoan-tsampy sy fitenenan-dratsy an'Andriamanitra mihitsy aza izany milaza fa Andriamanitra ihany koa Jesosy Kristy sy ny Fanahy Masina.
3. TSY MITOVY NY JESOSY MESIA INOAN'IZY IREO.
Na dia samy manaiky ny fahatongavan'i Mesia (Jesosy), zanak'i Maria, aza izy ireo, dia misy tsy itovizany kosa izany.
a. Amin'ny kristiana
Jesosy Kristy dia Zanak'Andriamanitra, izany hoe Andriamanitra tonga nofo 😊 Andriamanitra 100% sady Olombelona 100%) Jesosy Kristy. Izy no Mpamonjy izao tontolo izao amin'ny fahotany.
Amin'ny Kristiana dia Jesosy Kristy no Mpaminany lehibe indrindra ary ivo sady fototry ny fanambaran'Andriamanitra (christocentrisme de la Révélation de Dieu) taorian'ny mpaminany samihafa h@ Testamenta Taloha. Ambaran'ny Kristiana fa tapitra teo amin'i Kristy (sy ny Apostoly) ny fanomezan'Andriamanitra ny Teniny (cf. Heb 2.2-3).
b. Amin'ny Musulman
Jesosy ('Isa) dia Olombelona ihany, saingy mpaminany lehibe izy sady Mesia, saingy tsy Andriamanitra Izy, ary tsy Zanak'Andriamanitra akory.
Na dia mino ireo "personnages bibliques" sy mpaminany sasany (Adama, Noa, Abrahama, Mosesy, David) aza ny Musulman, dia ambaran'izy ireo kosa fa i "Muhammad" no mpaminany fototra sady farany nalefan'Andriamanitra taorian'ireo mpaminany samihafa nifandimby. Izy hoy izy ireo no tena nitondra ny fivavahana marina.
4. TSY MITOVY NY FIHEVERAN'IZY IREO MOMBA NY HAZOFIJALIANA
Na dia samy manaiky aza izy ireo fa tena nisy tokoa ilay lehilahy nohomboana tamin'ny hazofijaliana dia mandà mafy kosa ny Musulman fa olona hafa fa tsy Jesosy Kristy akory ilay maty teo amin'ny hazofijaliana iny.
a. Amin'ny Kristiana
Ijoroan'ny Kristiana fa i Jesosy Kristy maty teo ambonin'ny hazofijaliana noho ny fahotan'ny olombelona (humanité) ary nitsangana tamin'ny maty io no fototry ny finoany. "Raha tsy nitsangana Kristy dia foana ny finoantsika". Io Jesosy Kristy maty natao sorona tamin'ny hazofijaliana hisolo ny mpanota io ihany, no hany vahaolana tokana mampitony ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny mino. Ny rany nalatsany teo ihany no ahazoantsika famelan-keloka. Ny finoana io asam-pamonjena teo amin'ny hazofijaliana io ihany no ahafahana mandray Fanahy Masina hitoetra ao anatin'ny mino mandrakizay.
b. Amin'ny Musulman
Ny Musulmans kosa dia tsy mino an'i Mesia nohomboana tamin'ny hazofijaliana. Andriamanitra, hoy izy ireo, no naka Azy, ary nifidy lehilahy iray nataony mitovy endrika amin'i Jesosy hisolo Azy, ary ilay iny no maty niaraka teo amin'ireo roalahy teo amin'ny hazofijaliana.
Laingan'ny kristiana noho izany, izany Jesosy maty tamin'ny hazofijaliana sy nitsangana tamin'ny maty izany.
5. TSY MITOVY NY FIHEVERANA MOMBA NY OLOMBELONA
a. Amin'ny kristiana
Nandova fahotana tamin'i Adama sy Eva ny olombelona ary raiki-tapisaka amin'ny toetrany mihitsy ny fahotana (l'homme est pécheur par nature). Ratsy ary toy ny aretina tsy azo sintranina ny fahotan'olombelona, tsy misy afaka ny ho marina eo anatrehan'Andriamanitra; noho izany mila an'i Jesosy Kristy izy, Ilay marina hamonjy ny tsy marina mba hamonjy azy @ izany fahotana izany.
b. Amin'ny Musulman
Ny olombelona tsirairay hoy izy ireo dia nateraka ho tsy manan-tsiny ary samy tompon'andraikitra amin'ny asany eo anatrehan'Andriamanitra (Chaque être humain naît innocent et est responsable de ses propres actes devant Dieu).
6. TSY MITOVY MIHITSY NY LALAM-PAMONJENA
Na dia samy mino ny fisian'ny fiainana any an-koatra (Paradisa) aza ny Kristiana sy ny Musulman, dia tsy mitovy mihitsy kosa ny lalana heverin'izy ireo hidirana any.
a. Amin'ny kristiana
Satria tsy misy olombelona ho marina eo anatrehan'Andriamanitra, dia nisafidy ny handefa an'i Jesosy Kristy Zanany, ho faty hisolo ny mpanota sy hamonjy izay rehetra mino Azy ny Tompo. Fahasoavana noho izany no amonjen'Andriamanitra ny mino, ary amin'ny alalan'ny finoana ny famonjena vitan'i Jesosy Kristy teo amin'ny hazofijaliana sy fanekena Azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainana ihany no andraisana maimaim-poana izany famonjena izany (Efes 2.8-9). Noho izany, tsy miankina amin'ny asa fa fanomezan'Andriamanitra maimaim-poana ho an'izay rehetra mino izany ny famonjena.
b. Amin'ny Musulman
Amin'ny Musulman kosa dia tsy misy idiran'ny hazofijalian'i Jesosy ny famonjena. Ny famonjena hoy izy ireo dia miankina amin'ny finoana an'Andriamanitra Tokana, sy ny fanaovana asa soa (des bonnes oeuvres), sy ny famindrapon'Andriamanitra ary ny fankatoavana azy.
FEHINY
Fivavahana roa samy milaza ho manompo ny Andriamanitr'i Abrahama izy ireo, samy mankahala fanopoan-tsampy ireo, saingy tsy tena mitovy tanteraka ny Andriamanitra inoany.
ANAO NY SAFIDY AMIN'NY LALANA HEVERINAO FA AZO ANTOKA MAHAVONJY NY FANAHINAO.
AZA ASIANA TERITERY, AVELAO NY TSIRAIRAY HANDINIKA SY HISAFIDY !
Mankasitraka FAKA Réflexion Evangélique🙏