18/06/2026
Vaincre l’esprit de retardement, fotoana ny fandresena sy fanafainganan’Andriamanitra anao, ny asabotsy 20 jona izao amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ao amin’ny Anjoma Fianarantsoa..
Misy fahasamihafana eo amin'ny fotoanan'Andriamanitra sy ny fanahin'ny fahatarana.
Indraindray Andriamanitra dia manomana antsika ho amin'ny fitahiana. Kanefa misy koa fahatarana tsy tokony hisy, toy ny: fanambadiana tsy mety tanteraka, asa tsy mety misokatra, fandraharahana tsy mandroso, tetikasa tsy vita, fisondrotana tsy tonga, nofy tsy tanteraka, vola na fananana tsy mety azo fa mihemotra foana. Mandeha ny taona, nefa toa mijanona eo amin'ilay toerana iray ihany ny olona. Ny fanahy ny fahatarana dia miasa mba: handany ny fotoana, hampahakivy ny finoana, hangalatra fahafahana, hanakana ny anjara sy ny antso.
Kanefa Andriamanitra dia Andriamanitry ny: fandrosoana, fitomboana, fahatanterahana, ary fahombiazana.
Matoa hitanao ity dia tsy kisendrasendra satria efa signe izany fa tena te hanampy anao Andriamanitra.
Ka tongava amin’ny maha ianao anao fa tsy misy olona diso ratsy loatra ka tsy ho vitan'Andriamanitra ny hanova azy.
Tongava ianao amin’ny maha ianao anao fa vonona Jesosy hanova sy hanoratra ny tantaram-piainanao.
Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.
Info-line: +261344953112
Ou viens directement en message privé
📍Fiangonana Shine Anjoma, Ambany kelin'ny Alliance Française, AMPITAN'NY TRANO MAINTSO ATT.
-Fianarantsoa