Young For Christ- Fianarantsoa

Young For Christ- Fianarantsoa Fiananao dia afaka miova noho ny herin’ny vavaka sy famonjena avy amin’i Kristy Jesosy.

11/06/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Fitahiana Seheno, Kan To, Esther Mpandresy Mpandresy, Sarobidy Razafindratsimba, Netanelo Niyigagubugingo, Real Banie

Vaincre l’offense et la colère, fotoana izay handresenao amin’ny fahatafintohinana sy fahatezerana ny asabotsy 13 jona i...
11/06/2026

Vaincre l’offense et la colère, fotoana izay handresenao amin’ny fahatafintohinana sy fahatezerana ny asabotsy 13 jona izao ao amin’ny Anjoma Fianarantsoa.

Mety maro ireo zavatra izay nanenenanao: vokatr'ireo teny na fanapahan-kevitra na vokatry ny fahatezerana; ary mety maro ireo zavatra vototra noho ny fahatafintohinana. Fa izao no mila azonao : Tsy tara loatra ianao raha izao no hisafidy ny hiova.

Afaka ny ho tezitra isika ary zavatra " normal " izany satria noforonina toy izany isika kanefa ny fahatezerana tsy voafehy dia manimba, ny fahatezerana dia feno lolompo sy mahery setra ary mitady valifaty. Fahatezerana avy amin’ny fitsarana anaty sy fijery ratsy ny hafa, na io vady, na mpiasa na zanaka, na namana, na mpampiasa, ...

Ary mila azonao fa ny fahafintohinana dia tsy afaka ny ho sakanana satria Jesosy ihany no nilaza hoe tsy maintsy ho avy izany (lioka 17:1)
Fa raha tsy mailo ianao manoloana an’izany dia hitombo ho lasa lolompo sy fangidiana ary tsy famelan-keloka io ary hiteraka fisarahana sy fankahalana.

Fa ny vaovao mahafinaritra dia izao:
Tsy voatery ianao vesaran’izany na voangejan’izany intsony
satria ity no fotoana hanafahana anao sy handresenao ny fahatafintohinana sy fahatezerana.

Matoa hitanao ity dia tsy kisendrasendra satria efa signe izany fa tena te hanampy anao Andriamanitra.
Ka tongava amin’ny maha ianao anao fa tsy misy olona diso ratsy loatra ka tsy ho vitan'Andriamanitra ny hanova azy.

Tongava ianao amin’ny maha ianao anao fa vonona Jesosy hanova sy hanoratra ny tantaram-piananao.
Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.

Info-line: +261344953112
Ou viens directement en message privé
📍Fiangonana Shine Anjoma, Ambany kelin'ny Alliance Française, AMPITAN'NY TRANO MAINTSO ATT.

-Fianarantsoa


05/06/2026
Fiainam-baovao, Inona no atao raha tonga ny fakam-panahy? Fotoana ho an'ny tanora rehetra izay hiarahanao amin’ny Young ...
04/06/2026

Fiainam-baovao, Inona no atao raha tonga ny fakam-panahy? Fotoana ho an'ny tanora rehetra izay hiarahanao amin’ny Young For Christ - Fianarantsoa ny Sabotsy 06 Jona amin'ny 2 ora sy sasany ao amin’ny Anjoma Fianarantsoa.

Maro amintsika no lavo tanaty fakam-panahy izay niteraka takaitra be amin’ny fiainantsika, takaitra izay avy aminy fahadisona fanapahan-kevitra, avy aminy olona natokisana, avy amin’ireo karazan-javatra natao.

Ary hatramin’izao aza na olona mivavaka na tsia dia samy lavo ny fakam-panahy ka lasa misy zavatra mamatotra azy, ary dia miezaka tsy hanao intsony dia lavo foana

Izay indrindra no antony ity fotoana ity , hanampina anao amin’ny zavatra mila atao rehefa tonga ny fakam-panahy, izay Fotoana ho an'ny tanora rehetra izay hiarahanao amin’ny Young For Christ Fianarantsoa ny Sabotsy 06 Jona amin'ny 2 ora sy sasany ao amin’ny Anjoma Fianarantsoa.

Tiko ho fantatrao fa matoa tsy nasoron’Andriamanitra eto an-tany ny fakam-panahy dia satria io lalana tsy maintsy diavina raha te hahomby amin’ny fiainana, raha te handresy, raha te hanao zavatra goavana, ary hanisan’izay ampesain’Andriamanitra mahery vaika.

Dinio fa Jesosy raha avy nivavaka sy nifady hanina nandrintrin’ny 40 andro, tsy valim-bavaka no nitsena azy fa notarihan’ny fanahy tany an’efitra izy ho alaina fanahy. Nahaona? Ny antony dia satria lalana tsy maintsy nodiavin’i Jesosy izany mba ahafahana mahavita ny asa mpisoloana nanirahana azy.

Ka misy karazany ny fakam-panahy fa ny fahalalanao ny tokony atao manolona izany no hahatonga anao afaka ny handresy, no hahatonga anao hiaina fiainam-baovao, fiainana tsy misy fahapotehana, na aretina, na faharatsiana, na fitolomana, na fahaverezan-kevitra, na nenina, sy fanenena.
Fa fiainana mahomby, fiainana tsara, fiainana mamiratra, fiainana feno ny voninahitr’Andriamanitra, fiainana masina, fiainana madio, fiainana feno fiadanana amin’ny lafiny rehetra .

Aza manaiky ho diso anjara, fa matoa henonao izao dia satria hitan’Andriamanitra ianao, ary tena Tiana ianao. Ka ny ilainao dia fihaonana iray amin’i Jesosy fa ampy tsara izany hampitsimbadika ny fiainanao mandrakizay.

Tongava ianao amin’ny maha ianao anao fa vonona Jesosy hanova sy hanoratra ny tantaram-piananao.

Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.

Info-line: +261344953112
Ou viens directement en message privé
📍Fiangonana Shine Anjoma, Ambany kelin'ny Alliance Française, AMPITAN'NY TRANO MAINTSO ATT.

-Fianarantsoa


MIRACLE SPÉCIAL, fotoanan’ny fahagagana sy ny fanasitranana, fotoana ho an'ny tanora rehetra izay hiarahanao amin’ny You...
29/05/2026

MIRACLE SPÉCIAL, fotoanan’ny fahagagana sy ny fanasitranana, fotoana ho an'ny tanora rehetra izay hiarahanao amin’ny Young For Christ ny Sabotsy 30 Mey amin'ny 2 ora sy sasany ao amin’ny Anjoma Fianarantsoa.

Na inona na inona aretina mahazo anao,
Ireo aretina manaranaka,
Ireo aretina tsy sitram-panafody,
Ireo aretina izay tsy hitan’ny scanner,
Dia vitan’i Jesosy ny manasitrana anao amin’izany.

Na hafirina na hafirina niaretanao izany, na aman-taonany, na amam -bolana, dia ity no fotoana fanasitranana anao.

Ny atao hoe fahagagana dia fanitsiana ny diso. Ka na inona na inona vokatra iaretanao noho ny hadisoana vitanao, dia fantaro aloha fa Andriamanitra tsy manameloka anao na tezitra aminao, fa vao mainka aza Izy te hanampy sy hiditra an-tsehatra hanavotra anao.

Ka ity no fotoanan’ny fanovam-piainana, fanarenana izay zavatra potika na maty vokatry ny hadisoana na hadalana,
Ity no fotoana hanaovany fahagagana tsy takatry ny saina.

Ny fahagagana dia tsy inona koa fa fahasoavana. Ny fahasoavana no mampety fiainana, io no manatsotra fiainana, ary manao izay zavatra tsy vitanao, eny manome anao izay tsy mendrika anao.

Koa ireo zavatra tsy vitan’ny diplôme,
Ireo zavatra tsy vitan’ny fitantanana,
Ireo zavatra tsy vitan’ny ezaka sy hery hananana,
Ireo zavatra tsy ho azonao noho ny toeranao amin’ny fiarahamonina,
Dia afaka homen’Andriamanitra anao.

Tsy hoe satria ianao niasa mafy, na masina indrindra fa satria sitrapon’Andriamanitra ny hiadanan’ny mpanompony, izay tsy iza fa izao sy ianao izay zanany.
Ary raha mbola tsy mivavaka ianao na koa mbola tsy sûr amin’ny regilion dia tongava, andramo fa ho hitanao fa tena tsara Jehovah,
Tena tia anao Izy mihoatra lavitra noho izao rehetra izao.

Tongava ianao amin’ny maha ianao anao fa vonona Jesosy hanova sy hanoratra ny tantaram-piananao.

Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.

TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.
Info-line: +261344953112
Ou viens directement en message pri

15/05/2026

Cellule de prière pour jeune; Izay hiarahanao amin’ny Young For Christ Fianarantsoa ny asabotsy 16 mai amin'ny 2 ora sy sasany ao Anjoma.

Tongava ianao amin’ny maha ianao anao fa vonona Jesosy hanova sy hanoratra ny tantaram-piananao.

Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.

TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.

Info-line: +261344953112
Ou viens directement en message privé
📍Fiangonana Shine Anjoma, Ambany kelin'ny Alliance Française, AMPITAN'NY TRANO MAINTSO ATT.




Cellule de prière pour jeune; Izay hiarahanao amin’ny Young For Christ Fianarantsoa ny asabotsy 16 mai amin'ny 2 ora sy ...
13/05/2026

Cellule de prière pour jeune; Izay hiarahanao amin’ny Young For Christ Fianarantsoa ny asabotsy 16 mai amin'ny 2 ora sy sasany ao Anjoma.

Ho anao maniry hitombo ara-panahy sy te hahalala an’Andriamanitra sy ny fiarahana Aminy misimisy,
Ho anao mahatsiaro miady irery,
Ho anao manana aretina tsy sitram-panafody,
Ho anao maniry hahazo fiadanan-tsaina, fiadanam-po,
Ho anao maniry hahazo ireo valim-panontanina ny amin'ny hoavinao,
Ho anao mitady lalan-kaleha mba ho tafavoka amin'ny fiainana,

Na iza na iza ianao, na avy aiza na avy aiza ianao, na inona na inona toeranao ao amin'ny fiarahamonina, na mpianatra ianao na efa miasa, na adolantsento, na tanora zandriny ,na tanora zokiny dia ity no fotoana natokana sy nosoratan’Andriamanitra hidirany an-tsehatra ho anao.

Jesosy tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay,
Mbola miasa foana Izy ary fantaro fa tsy manavakavaka fa tena tia anao amin'ny maha ianao anao.

Tongava ianao amin’ny maha ianao anao fa vonona Jesosy hanova sy hanoratra ny tantaram-piananao.

Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.

Info-line: +261344953112
Ou viens directement en message privé
📍Fiangonana Shine Anjoma, Ambany kelin'ny Alliance Française, AMPITAN'NY TRANO MAINTSO ATT.




Nouvelle vie (un nouveau départ, une nouvelle relation), fotoana izay hiarahanao amin'ny Young For Christ-Fianarantsoa n...
08/05/2026

Nouvelle vie (un nouveau départ, une nouvelle relation), fotoana izay hiarahanao amin'ny Young For Christ-Fianarantsoa ny asabotsy faha 09 ny volana mey 2026, amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro ao amin'ny Fiangonana Anjoma Fianarantsoa.

Mbola misy zavatra goavana afaka ataon’Andriamanitra amin’izao vanim-potoana misy antsika izao. Tsy mbola niova Jesosy omaly sy anio ary mandrakizay.

Ka ho anao mangetaheta fanombohana vaovao amin'ny fiainanao, tsy tara loatra raha izao no hanomboka indray,
Ho anao maniry hitombo misimisy ara-panahy,
Ho anao mitady fifandraisana vaovao ho an’ny fandraharanao, ho an’ny fianaranao, ho an’ny fiainanao manokana,
Ho anao maniry hanana fiadanam-po , fiadanan-tsaina,
Ho anao te hiaina anaty fahasalama mandrakariva,
Ho anao maniry handeha lavitra kokoa, lalina kokoa, indrindra amin'ny fiarahana amin’ny Tompo,
Ho anao mitady religion tena hiorenana,
Ho anao feno fanontaniana maro tsy voavaly

Ity no fotoana natao ho anao, sitrak’Andriamanitra ny hiadananao amin'ny lafim-piainanao manontolo
Tia anao Jesosy ary tiany ianao tena hiaina an’ilay fiainany tety an-tany

Tongava ianao amin’ny maha ianao anao fa vonona Jesosy hanova sy hanoratra ny tantaram-piananao.

Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.

Info-line: +261344953112
Ou viens directement en message privé
📍Fiangonana Shine Anjoma, Ambany kelin'ny Alliance Française, AMPITAN'NY TRANO MAINTSO ATT.

-Fianarantsoa


Miracle special - fotoanan'ny fanasitranana sy ny fanafahana.Hiresaka isika ireo karazan-javatra izay hitranga amin'ny f...
24/04/2026

Miracle special - fotoanan'ny fanasitranana sy ny fanafahana.
Hiresaka isika ireo karazan-javatra izay hitranga amin'ny fiainanao rehefa miseho Jesosy.

Jesosy raha tonga teto an-tany dia anisan’ny namantarana Azy dia ny fanasitranana izay nataony. Nahoana? Ny antony voalohany dia satria diso Tiany loatra isika ka nisafidy Izy ho faty ho antsika, nitondra ny aretintsika teo amin'ny hazo fijaliana;
Ny antony faharoa dia satria Tiany ianao ho salama amin'ny zava-drehetra na ara-batana na ara -bola na ara-pitiavana na ara-kasa na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po amin'ny atsipirihan'ny fiainanao.

Ka ity no fotoana izay hisehoan'i Jesosy amin’ny fiainanao; Maro be ny zavatra izay miseho rehefa miseho Izy; Zavatra izay tsy ho takatry ny saina foana no Ataony. Jereo anie fa vao mipoitra Izy ka miteny dia mitsahatra sy sitrana ny aretina, mihorohoro ny devoly, milamina ny tafiotra, mitombo ny kely ananan'ny olona.
Tena maro no miseho ka raha tianao koa izay Jesosy izay hiseho eo amin'ny fiainanao dia tongavà.

Fihaonana iray amin’i Jesosy dia ampy hanova anao tanteraka.

Koa tongavà fa ity no fotoana izay handraisanao ny anjaranao.

Tongava ianao amin’ny maha ianao anao fa vonona Jesosy hanova sy hanoratra ny tantaram-piananao.

Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.

Info-line: +261344953112
Ou viens directement en message privé
📍Fiangonana Shine Anjoma, Ambany kelin'ny Alliance Française, AMPITAN'NY TRANO MAINTSO ATT.

-Fianarantsoa


Izao no fotoana izay hanokafan'Andriamanitra varavarana lehibe ho an'ny fiainanao.Aza manaiky ho vototra ianao fa izao n...
10/04/2026

Izao no fotoana izay hanokafan'Andriamanitra varavarana lehibe ho an'ny fiainanao.
Aza manaiky ho vototra ianao fa izao no fotoana izay hanaovan'Andriamanitra zavatra lehibe. Misy zavatra tsara, goavana , tsy takatrin'ny saina izay Tiany atao amin'ny fiainanao. Sitrapon'Andriamanitra ny hiadananao, ny hahasalama anao, ny ahatonga anao ho hambinina , ny hitahy anao, ny hanandratra ny fiainanao ho amin'ny voninahitra.

Hoy ny baiboly « Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako." Apokalipsy 3:8 ,
Mazava be ny dikan'izany :
Voalohany dia tena fantatr'Andriamanitra ianao na mpivavaka na tsy mpivavaka
Faharoa, Efa misy varavarana Nosofakany ho anao ; Ny varavaravana misokatra no opportunité zay omenantsika kanefa tsy izay rehetra nahazo izany no tafiditra ary na dia tafiditra aza dia mbola zavatra hafa no ahafahana mijanona ao anatin'izany ;
Fahatelo, Eo no mahatonga ny Teniny milaza fa manana hery ianao kanefa kely, noho izany tongava mandray hery izay ahafahanao miditra sy mitoetra ao amin'izany ka mahazo ny anjara voatendry goavana izay ho anao.

Tongava ianao amin’ny maha ianao anao fa vonona Jesosy hanova sy hanoratra ny tantaram-piananao.

Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.

TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.

Info-line: +261344953112
Ou viens directement en message privé
📍Fiangonana Shine Anjoma, Ambany kelin'ny Alliance Française, AMPITAN'NY TRANO MAINTSO ATT.

-Fianarantsoa


Address

Fianarantsoa
301

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Young For Christ- Fianarantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share