Fanilon'i Madagasikara Diosezy Fianarantsoa

Fanilon'i Madagasikara Diosezy Fianarantsoa COMITE JEUNE DIOSEZY FIANARANTSOA
1947-2017

ZAIKABE AG 2026 👏✨❤️
22/08/2026

ZAIKABE AG 2026 👏✨❤️

Miarahaba ny Fanilon'i Madagasikara nahazo FILOHA Iombonana vaovao ❤️🙏FILOHA Patricia Harenae Tahirindray 👏👏✨ Mirary soa...
22/08/2026

Miarahaba ny Fanilon'i Madagasikara nahazo FILOHA Iombonana vaovao ❤️🙏
FILOHA Patricia Harenae Tahirindray 👏👏✨
Mirary soa ho anao amin' ny izao 4 taona ho AVY izao ☺️ 🙏

Fiofanana Surf Smart 🖼️ Hantanirina Nomenjanahary Sylvia 🙏 Mankasitraka nampita fahalanana vaovao 🙏🙏 Mirary soa antsika ...
19/07/2026

Fiofanana Surf Smart 🖼️ Hantanirina Nomenjanahary Sylvia 🙏

Mankasitraka nampita fahalanana vaovao 🙏🙏
Mirary soa antsika MP hampita amin'ny Beazina 😊💪

Misaotra an'i Ladydi Jénnysca Razanaparany ihany koa nizara Sy nitondra Voandalana 😊😀

Miarahaba ny FIMO 👏👏
12/07/2026

Miarahaba ny FIMO 👏👏

Aza adino ary ny fotoantsika ampitso an 🤩 Lamesa : 09 ora maraina Toerana : NDL Andrainjato VELIRANO FIMO 👏👏FAMARANANA N...
11/07/2026

Aza adino ary ny fotoantsika ampitso an 🤩

Lamesa : 09 ora maraina
Toerana : NDL Andrainjato
VELIRANO FIMO 👏👏
FAMARANANA NY TAOM-PIKATROHANA 🙏💐

06/07/2026

🎉🎉Miarahaba ny TANTELIALA rehetra mankalaza ny fetin'ny Olomasina mpiaro azy anio 6 Jolay, dia i
🐝🍃🌷Mb Goretti 🌷🍃🐝

⁉Iza mo i MARIE GORETTI⁉️

Marieta no fiantsoana an’i Marie Goretti.
🟢Teraka tamin’ny 16 Oktobra 1890, tao Corialdo Italie i Marie Goretti.
Mpamboly ireo Ray aman-dReniny ary fianakaviana tena tia vavaka tokoa.
10 taona izy dia nondaosin’ny fahafatesana ny Rainy. Izy noho izany no nanampy ny Reniny tamin’ny fikarakarana ireo zandriny.
🌼🌼Matotra sy tia vavaka i Marieta ka, nankasitrahan’ireo mpiray tanana taminy izany fihetsika sy fitiavam-bavaka nataony izany, ary izy ireo ihany no nanolotra ny akanjony nandraisany ny Kômonio voalohany. Noho ny Reniny sy ny anadahiny tsy mahay mamaky teny sy manoratra moa dia no ambakain’ny olona sasany tao an-tanana izy ireo amin’ny asa ampanaovina azy.
Teo amin’ny faha- 12 taonany izy dia nitombo tarehy sy endrika. Tamin’izay izy no nohetraketrahan’i Alexandro 20 taona zanaky ny tompo-tranony, ka notoherin’i Marieta ny fihetsika habibiana nataon’ i Alexandro taminy. Novonoin’i Alexandro izy rehefa itany fa tsy nanaiky azy.
🟢Ny 6 Jolay 1902 izy no nodimandry rehefa nandray ny Sakrameta farany tany amin’ny toerana nitsaboana azy ary, mbola nahavita namela ny helok’ilay namono azy ihany koa.

🟢Nasandratra olon-tsambatra i Marieta ny taona 1947 ary nohamasinina ho olomasina ny taona 1950.

Ny nampiavaka azy :
🐝🍃Fahamatorana
🐝🍃Fahadiovam-po
🐝🍃Fitiavam-bavaka

📢 FOTOAN-DEHIBE HO AN'NY TANORA :    Ny Fanilon'i Madagasikara mihetsika ho an'ny tamin'ny toetrandro! 🌍💚   Ry rahavavy ...
01/07/2026

📢 FOTOAN-DEHIBE HO AN'NY TANORA :
Ny Fanilon'i Madagasikara mihetsika ho an'ny tamin'ny toetrandro! 🌍💚

Ry rahavavy mpitarika, mpisava lalana, ary ianareo tanora rehetra eto Matsiatra Ambony.

Efa mby antomotra ny fotoana! 🕒 Ny sabotsy 4 jolay 2026 izao, ny faritra misy antsika no ho ivon'ny fanentanana sy ny fandraisan'andraikitry ny tanora malagasy manoloana ny fiovan'ny toetrandro.
Faly sy mirehareha ny fikambanantsika Fanilon'i Madagasikara mandray anjara mavitrika amin'ny "LCOY Madagascar" (Local Conference of Youth) ! 🇲🇬✨

Tanora miara-mientana, manohitra ny fampielezana vaovao tsy marina momba ny toetrandro !

Amin'ny maha skoto sy olom-pirenena vonona antsika, manana anjara toerana lehibe isika. Fotoana sarobidy izao handrenesana ny feontsika, hianarana, hizarana ary hiarahana mikaroka vahaolana maharitra ho an'ny ho avintsika.

📅📑 Ny fandaharana amin'izany andro miavaka izany:

📌FIOFANANA SY ATRIKASA MIVAINGANA :

🌍Ady amin'ny tsaho sy vaovao tsy marina momba ny toetrandro, fitantanana ny fako ary fanaovana saribao ekolojika, fahasalamana ara-pahasalamana sy fadimbolana miaraka amin'ny lalao "IKALIO"].

📌FAMPIHARANA SY FAMPAHAFANTARANA :
🌍Atrikasa fampisehoana ny COP momba ny toetrandro

📌FAMPIRATIANA SY ADI-HEVITRA:
🌍Fampirantiana sarintany /Tavy; mahatakatra mba hiasa).

📌FAKAN-KEVITRA NASIONALY HO AN'NY TANORA mba hitondrana avo ny feontsika sy ny soso-kevitra harosontsika!

📍 Ny tsara ho fantatra:

📅 Daty: Sabotsy 04 Jolay 2026
⏰ Ora:Amin'ny 9 ora maraina
🏢 Toerana:*Amphithéâtre ENS Andrainjato Fianarantsoa

🇲🇬🌳Fanilo miara-mientana, ho an'ny tontolo iainana sy ny ho avy

👉 Ento ny fehitenda (foulard), ny herinao ary ny fahavononanao. Miandry antsika rehetra ho tonga maro haneho ny herin'ny fanoloran-tenantsika







Address

Fianarantsoa
301

Opening Hours

Monday 09:00 - 16:30
Tuesday 09:00 - 16:30
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fanilon'i Madagasikara Diosezy Fianarantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share