04/08/2026
π’ Nitohy anio Talata 4 Aogositra 2026 ny fanentanana tamin'ny alalan'ny Radio Crochet, notanterahin'ny Association Tafakri Ambalavao.
Tao amin'ny Fokontany Ampanaovantsavony sy Androka no nanatanterahana ny hetsika, ka nampitaina tamin'ny endrika lalao sy fanontaniana ireo hafatra momba ny fahadiovana sy ny fanadiovana. Nandritra izany dia nohamafisina ny fampahafantarana momba ny Kaody Monisipaly momba ny Fahadiovana sy ny Fanadiovana (CMAH), mba hamporisihana ny rehetra hampihatra ireo fanao mahasoa eo amin'ny fiainana andavanandro.
β
Association Tafakri Ambalavao, miara-miasa amin'ny Kaominina Ambalavao, tohanan'ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny Programme Eaurizon 2028 amin'ny alalan'ny Fonds d'Initiative.