29/09/2025
FILAZÀNA FIFANINANA
LOGO-HIRA FANEVA-VAVAKA
FAHA-40 TAONA NAHATONGAVAN’NY MASERA FILLES DE MARIE AUXILIATRICE ETO
MADAGASIKARA
Lohahevitra : “Mitory ny vaovao mahafaly an-kafanam-po sy amim-panantenana”
FITSIPIKA :
1. LOGO
• Ny fifaninanana dia misokatra ho an'ny mpanakanto, mpamorona, matihanina, tanora na ankizy vonona handray anjara, tsirairay na vondrona.
• Ny logo dia maneho ny hafanam-pon’ny misionera sy mifanaraka amin'ny charisme na ny fanomezampahasoavan’ny fikambanana Filles de Marie Auxiliatrice mitory ny vaovao mahafaly sy misehatra amin’ny fanabeazana.
• Ny isa "40" dia tsy maintsy aseho mibaribary, ary ny teny filamatra dia haseho mazava.
• Ny logo dia tokony original sy mbola tsy nisy nanao
• Loko ampiasaina: Bleu ciel, rose, Blanc, Jaune, vert, tsy voatery ho hita ao daholo ireo loko ireo fa tsy tokony ahitana loko ankoatr’ireo.
• Format numérique, azo ovaina.
2. HIRA FANEVA
• Fepetra fandraisana anjara: afaka mandray anjara fifaninana ny mpanoratra/mpamoron-kira sy mpakafy mozika; tanora na ankizy, olon-tokana na vondron’olona, hira mifanaraka amin’ny lohahevitra.
• Ahitana andininy 2 hatramin’ny 3 miampy ny fiverenany, tsy mihoatra ny andininy telo
• Maneho ny charisme na fanomezam-pahasoavan’ny fikambanana momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly sy ny fanabeazana.
• Hira mora azo, sy mora hain’ny olona rehetra, rythm juvenil et jovial
• Alefa amin’ny format 3 samy faha : Vocal, instrumental, mix vocal-Instrumental.
3. VAVAKA
• Afaka mandray anjara mamorona vavaka : ankizy, tanora, olon-dehibe, vondron’olona na fikambanana.
• Mety atao na vavaka fisaorana na fangatahana na hafa, manodidina ny fahatongavan’ny masera Filles de Marie Auxiliatrice sy ny fitoriana ny vaovao mahafaly sy ny fanabeazana.
FANAMARIHANA
• Daty farany anaterana ny vokatra vita : 20 novembre 2025
• Toerana anaterana azy: Any amin’ny communauté masera Filles de Marie Auxiliatrice akaiky anao
• Ny logo, ny hira sy ny vavaka voafidy no iombonan’ny fankalazàna faha 40 taona.
MISAOTRA ANTSIKA REHETRA AMIN’NY FANDRAISANA ANJARA.
Ny ekipa mpandrindra
Office mission et communication FMA-Madagascar