12/10/2026
📢 FANAOVAN-TSONIA NY FIFANARAHANA MOMBA NY VINAN’ASA MATIANINA – OPR SAHI SY NY FANDAHARAN’ASA DEFIS
Notanterahina androany, Alatsinainy 12 Oktobra 2026, tao amin’ny efitrano fivorian’ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra Matsiatra Ambony, ny lanonana fanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny vinan’asa MATIANINA, izay iarahan’ny OPR SAHI sy ny Fandaharan’asa DEFIS, vatsian’Programme Pays FIDA Madagascar vola, eo ambany fiahian’Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo
Ny fifanarahana dia nosoniavin’Andriamatoa Mpandrindra Iraisam-paritry Programme DEFIS Fianarantsoa sy Ramatoa Filohan’ny OPR SAHI, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fanohanana ireo tantsaha mpamokatra.
👥 Ireo nanotrona ny lanonana:
Nandray anjara tamin’ity fotoana ity ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, anisan’izany ny:
🔹 Talem-paritrin’ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo ;
🔹 Ireo tompon’andraikitra maro ao amin’ny Fandaharan’asa DEFIS ;
🔹 Ny Filohan’ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra Matsiatra Ambony sy ireo mpiara-miasa aminy ;
🔹 Ny Talen’ny OPR SAHI ;
🔹 Ny Chambre de Commerce et d’Industrie (CCI) ;
🔹 Ny FOFIFA.
🔹Ny FDA Matsiatra Ambony
💰 TETIBOLA SY LOHARANOM-BOLA ARY NY FAHARETANY:
Maharitra 18 volana ny tetikasa, izay mitentina 2 335 480 000 Ariary.
Ny tetibola ao anatin’ny fifanarahana kosa dia mitentina 340 830 000 Ariary (100 %), izay mizara toy izao:
🔹 DEFIS : 193 384 000 Ariary (57 %) ;
🔹 Fandraisan’anjaran’ny OPR SAHI (APB) : 63 036 000 Ariary (18 %)
🔹 Famatsiam-bola hafa avy amin’ny FIFATA : 84 410 000 Ariary (25 %).
🚜 FITAOVANA HAMPANJARIANA NY ASA
Anisan’ny fanohanana hatao ny famatsiana fitaovana hanatsarana ny asa famokarana sy ny fikirakirana ny vokatra, toy ny:
🔹 Traktera 90 CV misy kojakoja : 2 ;
🔹 Traktera 75 CV misy kojakoja : 2 ;
🔹 Motoculteur 18 CV miaraka amin’ny sarety : 8.
🔹Moto Honda 125 cc: 02
🌱 TANJONA SY VOKATRA ANDRASANA:
Ao anatin’ny 18 volana, ny vinan’asa dia mikendry ny:
✅ Hanatsara ny famokarana ara-pambolena sy ny fampiasana ny velaran-tany azo volena ;
✅ Hanamafy ny famokarana sy ny fahafahan’ny tantsaha mahazo masomboly ;
✅ Hanohana ny fampiasana masomboly voamarina sy masomboly fototra ho an’ny vary an-drano, vary an-tanety ary katsaka ;
✅ Hanamafy ny fahaiza-manaon’ny tantsaha amin’ny alalan’ny fanofanana sy ny fanaraha-maso ara-teknika ;
✅ Hampiroborobo ny fifandraisana ara-barotra sy ny famarotana ny vokatra ;
✅ Hanatsara ny fidiram-bolan’ny tantsaha sy handray anjara amin’ny fanamafisana ny fahaleovantena ara-tsakafo.
📊 TANJONA VOAFETRA AO ANATIN’NY 18 VOLANA:
• Velaran-tany hasaina: 3 415 ha ;
• Velaran-tany hamokarana: 3 230 ha ;
• Masomboly hovokarina: 310 taonina ;
• Vokatra ara-pambolena, ankoatra ny masomboly: 12 938 taonina ;
• Vokatra kasaina hamidy: 11 820 taonina ;
• Fifanarahana ara-barotra sy famokarana: 5 ;
• Mpamokatra masomboly (PMS): 78 ;
• Fametrahana saha sekoly (CEP): 154 ;
• Isan’ny mpisitraka: 8 500 ;
• Kaominina iasana: 15.
🤝 Fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny fambolena
Ity fifanarahana ity dia dingana iray hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny OPR SAHI sy ny Fandaharan’asa DEFIS, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ho fanohanana ny tantsaha mpamokatra, ny fanatsarana ny vokatra ary ny fampiroboroboana ny toekarena ambanivohitra.
Santatra ambavarano izao fa mbola maro ny ho avy!
“VELON-TENA MIVADIKA HARENA NO KENDRENA”
HM