13/09/2026
🇲🇬🏢 CITÉ R+1 FIANARANTSOA : FANAZAVANA MOMBA NY ZAVA-NITRANGA
📌 Mba hisian’ny fahazavana sy ny fahamarinan’ny vaovao, dia ilaina ny mampahafantatra ny fizotry ny raharaha momba ny Cité R+1 eto Fianarantsoa.
🔹 SEPTEMBRE 2024 :
Efa vita soa aman-tsara ny Cité R+1. Efa nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra ihany koa izahay, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra mivondrona ao anatin’ny plateforme. Ny valinteny tamin’izany dia ny fiandrasana ny fitokanana, ary mbola nisy ny olana momba ny jiro sy rano, ka efa nisy ny fangatahana hamahana izany alohan’ny hampidirana mpianatra.
🔹 03 JOLAY 2025 :
Notanterahina ny fitokanana ny fotodrafitrasa. Herinandro taorian’izay dia niverina nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitra ireo filohan’ny fikambanana (fédéral sy régional), nangataka ny hahafahan’ny mpianatra miditra sy mipetraka ao amin’ny R+1. Nisy ny fifampiresahana sy fifanarahana momba izany.
🔹 SEPTEMBRE 2025 :
Nandray anjara tamin’ireo fitakian’ny mpianatra sy ny fiombonam-po niarahana tamin’ireo université rahavavy ny plateforme, tao anatin’ny toe-draharaha teto amin’ny firenena izay nitarika tamin’ny fiovan’ny fitondrana.
🙏 Taorian’izany dia niverina avy any Antananarivo ireo solontena, nihaona tamin’ny Filohan’ny Université de Fianarantsoa ary nanao tatitra. Tamin’izany fotoana izany dia nangataka indray ireo filohan’ny fikambanana rehetra mba hampiasaina ny R+1, indrindra fa efa niomana ny fahatongavan’ireo mpianatra vaovao afaka Bakalorea.
🤝 Nahazo valinteny nahafaly ny plateforme fa amin’ny fidirana manaraka dia tokony efa azo ampiasaina ny cité, satria efa tokony hisy ny jiro sy rano.
Nandritra izany rehetra izany dia niandry sy nanaraka ny lamina napetraky ny tompon’andraikitra ny mpianatra, satria Université de Fianarantsoa dia université de référence.
🔴 FARAN’NY AOGOSITRA 2026 :
Nifampiresaka indray tamin’ireo tompon’andraikitra ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra (régional sy fédéral), ary nangataka ny hahafahan’ny mpianatra miditra ny zoma 04 septembre 2026.
Nandeha ny fifampiresahana ary efa nifanarahana ny fizarana trano. Fantatry ny association tsirairay ny trano sy ny porte natokana ho azy. Tapaka fa ny Alatsinainy 07 septembre 2026 no hanaovana ny fizarana ny fanalahidy.
⚠️ Indrisy anefa, rehefa tonga ny fotoana dia tsy voazara intsony ny fanalahidy, noho ny filazana fa mbola tsy ampy ny jiro sy rano tao amin’ilay cité.
Niteraka tsy fifankahazoana izany, ka nisy ireo association nandeha nanokatra ny varavarana efa fantatra fa natokana ho azy.
🚨 Nitranga anefa ny fahasimbana sy ny fandrobana.
Marihina fa talohan’ny nahatongavan’ireo fikambanana teny amin’ny cité dia efa nisy trano vaky sy entana very.
❌ Noho izany, izahay Filohan’ny Mpianatra dia manameloka tanteraka ny fandrobana sy ny fanimbana ny fananana iombonana, NA INONA NA INONA ANTONY.
💔 Maharary anay izany, satria fantatra tsara ny tsy fahampian’ny trano fonenan’ny mpianatra. Koa rehefa misy fotodrafitrasa vaovao natao hanampiana ny mpianatra, dia tokony hampiasaina, harovana ary hajaina, fa tsy hararaotina na simbaina.
🤝 Ny Cité R+1 dia fananana iombonana. Ny fiarovana azy dia andraikitsika rehetra. 🇲🇬
🙏 Ho an’ny mpianatra, ho an’ny Université de Fianarantsoa, ary ho an’ny hoavin’ny mpianatra.