09/05/2025
Iza moa i Papa Leon XIV
Robert Francis Prevost no anarany. Izy no niantefan’ny safidin’ireo Kardinaly izay nivory tao amin’ny Lasapelin’ny Sixtine nanomboka omaly, 07 Mey. Izy no Papa voalohany avy amin’ny Fikambanana augustinien. Papa voalohany ihany koa avy any Amerika avaratra.
Nolaniany tamin’ny asa fitoriana (misionera) tany Pérou sy teo anivon'ny Fikambanana misy azy, Ordre de Saint Augustin ny fiainany. Efa lehiben’ity Fikambanana ity indroa miantoana rahateo moa izy ny taona 2001-2013.
Teraka tao Chicago, Etazonia tamin’ny 14 septambra 1955 izy. Zanak’i Louis Marius Prevost (Franco-italien) sy Mildred Martínez (Espaniola). Manana rahakahy roa izy izay antsoina hoe : Louis Martín sy John Joseph.
Nianatra tany amin’ny Petit Séminaire izay nitantanan’ireo Augustiniana izy. Avy eo nianatra tany amin’ny Oniversiten’i Villanova tany Pennsylvania izy, ary nahazo diplaoma amin’ny Matematika tamin'ny taona 1977 sy nianatra filozofia.
Niditra tao amin’ny fikambanana Odrz du Saint Augustin (OSA) tamin’io taona io,izany hoe ny 1 Septambra 1977 tao amin’ny Province Notre-Dame du Bon Conseil, tao Saint Louis. Nanao voady voalohany tamin’ny 1978 ary voady farany tamin’ny 29 aogositra 1981.
Nianatra teôlôjia tany amin’ny Catholic Theological Union any Chicago izy, ary nalefa nianatra drot canon tany Roma tao amin’ny Université pontificale Saint-Thomas d'Aquin. Nohamasinina ho pretra tamin’ny 19 jona 1982.
Nahazo mari-pahaizana lisantsa izy tamin’ny taona 1984. Ary nandritra ny fanomanana ny Doctorat dia nalefan’ny Fikambanany tany Chulucanas, Piura, Perô (1985–1986). Vita ny Doctorat tamin’ny 1987 ary lasa talen’ny fandraisana mpianatra sy ny misiona tao amin’ny Province Notre Dame du Bon conseil tany Chicago.
Tamin’ny 1988, niverina tany Perou izy, nisahana andraikitra lehibe teo amin’ny fanofanana sy fandraisana ireo tanora hiditra ao amin’ny fikambanana augustiniana tao Trujillo. Nandritra ny 11 taona dia nisahana andraikitra maro teo anivon’ny fikambanany sy ity arsidiosezy ity izy.
Voafidy ho lehiben’ny faritra augustiniana “Notre Dame du Bon Conseil” tamin’ny 1999 izy, ary tamin’ny 2001, lasa prieur général maneran-tany ho an’ny OSA, izany hoe lehiben’ity fikambanan-drelijiozy ity maneran-tany..Voafidy indray tamin’ny 2007 hatramin'ny 2013. Noho io andraikitra goavana sahaniny io dia lasa niasa tany Roma izy mazava ho azy.
Rehefa tapitra ny fe-potoam-piasany tany Roma dia niverina tany Chicago indray izy ny volana oktobra 2013. Niandraikitra ny fanomanana tao amin’ny couvent Saint-Augustin, mpanolotsaina voalohany sady vice provincial.
Tamin’ny 3 Novambra 2014, notendren’i Papa François ho administrateie apostolique an’i Chiclayo (Perou), sady nomena anaram-boninahitra ho Evekan’i Sufar. Nohamasinina ho eveka tamin’ny 12 desambra 2014 izay Fetin'i Notre Dame de Guadeloupe. Ny teniny filamatra dia: “In Illo uno unum” — ao amin'ny iray dia iray isika, araka ny Soritrasa nataon’i Masindahy Augustin.
Notendrena ho Evekan’i Chiclayo tamin’ny 2015, ary voafidy ho filoha lefitra faharoa amin’ny Fivondronamben’ny Eveka Peroviana tamin’ny 2018. Niditra anaty rafitra samihafa tao amin’ny Vatikana izy, anisan’izany ny Dicastère ho an’ny Pretra sy Eveka.
Tamin’ny 2023, notendren’i Papa François ho Prefe ao amin’ny Dicastere ho an’ny Eveka, sady lehiben’ny Vaomiera Pontifikaly ho an’i Amerika Latina. Natao kardinaly izy tamin’ny 30 septambra 2023, ka nomena ny fiangonana Santa Monica. Nandray anjara tamin’ny fivoriana sy synoda lehibe tao Roma izy tamin’ny 2023 sy 2024.
Tamin’ny 6 febroary 2025, nasandratra ho amin’ny laharan’ny kardinaly eveka izy, andro vitsy mialohan'ny nidiran’i Papa Fransoa hopitaly. Ary nahazo ny anaram-boninahitra amin’ny Eglizy Suburbicarienne dAlbano.
Raha nivoaka ny setroka fotsy androany 8 Mey amin'ny 19h08 ( ora taty Madagasikara) dia samy diboky ny hafaliana avoakoa ny Kristianina Katolika rehetra maneran-tany. Taratra izany tamin’ny sary niseho teny amin’ny Kianjan’i Masindahy Piera izay nandeha mivantana tamin’ireo fampitam-baovao maro isan-karazany.
Niredona naneno niaraka tamin'izay ny lakolosin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera. Na ny lakolosin’ny Fiangonana taty Madagasikara koa aza toa nampiaram-peo naneho fa Fiangonana fiombonana.
Iza tokoa no voafidy tao ? Ora iray latsaka taty aoriana, indro ny Kardinaly Dominique Mamberti nipoitra teo amin’ny lavarangana. Horakora-pifaliana ny an'ireo Kristianina vory lanona teo amin’ny Kianjan’i Masindahy Piera.
Eny e. Inoana fa feno samy feno hafaliana daholo isika rehetra. Ho entina am-bavaka hatrany ny Papa Leon XIV.