TAF Distrikan’i Fenoarivobe

TAF Distrikan’i Fenoarivobe Ny feom-bahoka feon’Andriamanitra �

30/01/2026

FAMPITANDREMANA NOHO NY FAHABETSAHAN’NY ROTSAKORANA | 30 Janoary 2026

⚠️💦Noho ny fisian’ilay rivodoza FYTIA 🌀ao amin’ny lakandranon’i Mozambika dia hahazo vahana kokoa ny oram-baratra💦 any amin’ny faritra avaratra andrefan’ny Nosy. Hiitatra miandalana any amin’ny afovoan-tany sy ny ilany afovoany atsinanan’ny Nosy izany amin’ny faran’ny herinandro. Tombanana hahatratra 60 hatramin’ny 120 mm ny tahan’ny rotsakorana ao anatin’ny 24 Ora.

▶️FE-POTOANA :
✓ Anio Zoma 30 Janoary 2026 ho an’ny faritra Betsiboka sy distrikan’i Analalava, Boriziny, Mampikony, Antsohihy, Andilamena, Befandriana Avaratra ary Mandritsara.

✓ Rahampitso Sabotsy 31 Janoary 2026 kosa ho an’i Analamanga, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, ny distrikan’i Antsohihy, Befandriana Avaratra, Mandritsara ary Fenoarivobe.

▶️FIANTRAIKANY :
➢ Fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavanandro
➢ Fiandronan’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka
➢ Fiakaran’ny renirano, fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo.

▶️FARITRA VOAKASIKA :

📕📕 Fampitandremana miloko mena: Ny faritra Betsiboka sy distrikan’i
Analalava, Boriziny ary Mampikony

📒📒 Fampitandremana miloko mavo: Ny faritra Betsiboka, Analamanga, Alaotra mangoro, Analanjirofo, Antsinanana, Vatovavy, ny distrikan’i Antsohihy, Befandriana Avaratra, Mandritsara ary Fenoarivobe

❌❌Entanina ny rehetra hanaraka tsy tapaka ny toromarika atolotry ny tompon’ andraikitra eny ifotony❌❌

🔑 Météo Madagascar

Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar

30/01/2026
15/01/2026
Ny TAF Tanora Aron'ny fampandrosoana distrika Fenoarivo bé, dia faly miarahaba an'i Ramatoa RAKOTONIRIANA Nambininjanaha...
23/12/2025

Ny TAF Tanora Aron'ny fampandrosoana distrika Fenoarivo bé, dia faly miarahaba an'i Ramatoa RAKOTONIRIANA Nambininjanahary Alice Honorette, Izay voantendry ho Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy Fanofana Arak'Asa an'i Bongolava.

Miarahaba azy isika fa efa mba manomboka mitsoka aty amtsika ny rivotra hoan'ny Bongolava,
Mbola maro ireo Talem-paritra sasany izay anisany ady ataontsika mba hitovy amzay ny distrika roa mandrafitra ny faritra Bongolava.

01/12/2025

‎🔥🔥🔥Météo Madagascar a lancé ce lundi matin une alerte aux fortes pluies. La région Analamanga ainsi que les districts de Fenoarivobe, Miarinarivo, Soavinandriana, Arivonimamo, Faratsiho, Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe I et II, Manandona et Fandriana sont placés en alerte rouge. Les districts de Farafangana, Vondrozo et Vangaindrano restent en alerte jaune.

🔹Les cumuls de pluie attendus les 1er et 2 décembre pourraient atteindre 40 à 80 mm en 24 heures, notamment à Anosibe An’Ala, Farafangana, Vondrozo, Vangaindrano et sur les Hautes Terres centrales.

🔹Les autorités préviennent que ces pluies pourraient perturber les activités quotidiennes et provoquer des inondations, des montées des eaux ou des glissements de terrain dans les zones exposées. La population est invitée à suivre strictement les consignes des autorités locales

‎🚀 Rejoignez notre chaîne WhatsApp : https://bit.ly/3Ua8fMQ

‎Toute l'actualité de Madagascar sur https://actu.orange.mg/depeches/

13/11/2025

Mirary soa ireo tantsaha.
🌾Hamboly havokatra.

TAF – TANORA ARON’NY FAMPANDROSOANA DISTRIKA FENOARIVO BÉFanambarana Ofisialy – Fanairana sy Fitakiana momba ny Lalana R...
11/11/2025

TAF – TANORA ARON’NY FAMPANDROSOANA DISTRIKA FENOARIVO BÉ
Fanambarana Ofisialy – Fanairana sy Fitakiana momba ny Lalana RN36
📍 Antananarivo, ny 05 Novambra 2025

🚧 RN36(Ampanotokana-Fenoarivo bé). LALANA MANAKANA NY FANDROSOANA
Tsy azo lavina intsony fa miharatsy isan’andro ny lalana RN36 mankany amin’ny Distrika Fenoarivo Bé.
Lalana io no atidohan’ny fifandraisana sy ny varotra, nefa lasa fefy lehibe manakana ny fandrosoana.
Ny tantsaha tsy afaka mivarotra vokatra.
Ny mpianatra tsy afaka mandeha an-tsekoly rehefa orana.
Ny marary miaritra fahasahiranana tsy fisin’ny fiara.
Ary ny fampandrosoana rehetra mihitsoka amin’ny fotaka sy vovoka.

💰 CIAD sy RISTOURNE : AIZA NO NIAFARANY ?
CIAD ( Crédit Investissement Appui au Développement) aiza no iafarany na dia ireo "point noir" ary vé tsy vitany.
- Ristourne avy amin’ny harena voajanahary sy ny asa ara-toekarena ao amin’ny faritra.
Ireo vola ireo tokony ho tamberim-bidy ho an’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanamboarana sy fikojakojana ny lalana.
Kanefa hatramin’izao dia tsy hita ny porofo mazava amin’ny fampiasana ara-drariny an’ireo vola ireo.
Ny lalana RN36 dia tsy mbola nisy fanamboarana lehibe tao anatin’ny taona maro, nefa mitombo isan-taona ny vola voatondro amin’ny anaran’ny fampandrosoana.

⚠️ FANAIRANA AVOAKAN’NY TAF – FENOARIVO BÉ
Ny TAF (Tanora Aron’ny Fampandrosoana) dia manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana, amin’ny minisiteran’ny asa vaventy, ary amin’ireo solontenam-bahoaka rehetra :

🗣️ “Tsy mangataka fanomezana izahay, fa mitaky ny zonay amin’ny fampandrosoana!”
🛣️ “Aza asiana fampanantenana intsony. Mila asa sy vahaolana tena hita maso!”
🔹 Tanjona mazava :
1️⃣ Fanamboarana maika ny lalana RN36,(Ampanotokana -Fenoarivo bé)
2️⃣ Fampahafantarana ampahibemaso ny fomba nampiasana ny vola CIAD sy Ristourne.
3️⃣ Fandraisana andraikitra mazava sy mangarahara amin’ny fametrahana tetikasa fampandrosoana maharitra.

Misaotra Tompoko.

07/11/2025
Aoka mba tsy hisy Kolikoly, Izay mahavita Fianarana dia miala fa tsy hibodo trano.
07/11/2025

Aoka mba tsy hisy Kolikoly, Izay mahavita Fianarana dia miala fa tsy hibodo trano.

Address

Fenoarivobe
115

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TAF Distrikan’i Fenoarivobe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share