Zanaka Atsimo Atsignana

Zanaka Atsimo Atsignana HIFAGNOROBO ,HIFAGNAMPY đŸ€đŸ‡Č🇬

Mevia maro Atsimo Atsignana âŁïž eo amin'ny I âŁïž FARAFANGANA
20/08/2026

Mevia maro Atsimo Atsignana âŁïž eo amin'ny I âŁïž FARAFANGANA

Niavaka tanteraka ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy 2026 teto amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ny tena ...
27/06/2026

Niavaka tanteraka ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy 2026 teto amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ny tena nampisongadina azy indrindra ny fandraisan’anjaran’ireo tanora avy ao amin’ny fikambanana FAROMBO, izay naneho am-pireharehana ny maha Malagasy azy ireo tamin’ny fanaovana fitafy nentim-paharazana, faha-mpanjaka “mena lamba”, maneho ny hasina sy ny hakanton’ny maha Malagasy sy ny fitafy nentim-paharazana. Nanao fampisehoana ankalamanjana kely izy ireo taorian’ny fandaharam-potoana ofisialy, ary tena nisongadina ihany koa nandritra ny filaharana.

📌 FAMPIROBOROBOANA NY TONTOLON’NY SERASERA - ATSIMO ATSINANANA: đŸ“» Ny androany Alatsinainy faha 15 Jona 2026 no nanamafis...
16/06/2026

📌 FAMPIROBOROBOANA NY TONTOLON’NY SERASERA - ATSIMO ATSINANANA:

đŸ“» Ny androany Alatsinainy faha 15 Jona 2026 no nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Atsinanana sy ny Studio Sifaka.

đŸ“» Tapaka nandritran’ity fihaonanan’ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Atsinanana Ramatoa RAZAFISIZA Suzie Antonela sy ny Talen’ny Studio Sifaka Andriamatoa HARRISON Ratovondrahona ity fa misokatra tanteraka ny fiaraha-miasa ho an’ny RTFA (Radio Televiziona Feon’ny Agnambahy) ao Farafangana sy ny Radio Feon’ny Menagnara ao Vangaindrano.

đŸ“» Tombony lehibe no hositrahana amin’izany toy ny fampiofanana Mpanao gazety sy ireo mpanentana fandaharana eo amin’ny onjam-peo, Fampitaovana ny onjam-peo, famokarana fandaharana maro isan-karazany, sns.

♊FANADINANA CEPE : CISCO FARAFANGANA- DREN ATSIMO ATSINANANAđŸ”șNotanterahina ny androany Faha 16 Jona 2026 ny fanadinam-p...
16/06/2026

♊FANADINANA CEPE : CISCO FARAFANGANA- DREN ATSIMO ATSINANANA

đŸ”șNotanterahina ny androany Faha 16 Jona 2026 ny fanadinam-panjakana CEPE tato anatin'ny Cisco Farafangana Dren Atsimo Atsinanana, ka toeram-pianarana roa (02) no nanatanterahana ny fanadinana dia ny Epp Manarapenitra sy CEG Fenoarivo.

📍Nosokafan'ireo solontenam-panjakana tamin’ny fomba ofisialy izany notarihin'ny Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Farafangana Andriamatoa Valazafy ANDRIAMANANTENA sy ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Atsimo Atsinanana Andriamatoa MANAMBELO HitĂ  Marus, teo anatrehan'ireo Mpampianatra mpiambina sy ny solontenan'ny mpiadina, ny Tale Kabinetran’ny Kaominina Ambonivohitr'i Farafangana Andriamatoa RATOLONJANAHARY FrĂ©dĂ©ric,ny Lehiben'ny Cisco Farafangana Ramatoa TSALEMY Claire, ary ireo Mpitandro filaminana.

📍Nanamafy sy nampitandrina an’ireo Mpianatra sy ny Mpiambina ireo solontenam-panjakana ny mahasaropady ny fanadinam-panjakana satria io no diplaoma voalohany amin'ny ho avin'ireo zanaka Malagasy, ka tokony hiaina amin'ny mangarahara sy milamina mba hampitony an’ireo mpiadina mandritran’ny fanadinana.

♊Miisa 8297 ireo mpiadina ato anatin'ny Ivontoeram-panadinana Cisco Farafangana:

đŸ”ș4132 ny Lehilahy
đŸ”ș4165 ny vehivavy
đŸ”ș08 taona ny zandriny indrindra ka 47 taona kosa ny zokiny indrindra.

FAMPANDROSOANA NY FARITRA ATSIMO ATSINANANA              Nanatanteraka fitsidihana nijerena ny asa fanamboarana ny BAKY ...
12/06/2026

FAMPANDROSOANA NY FARITRA ATSIMO ATSINANANA

Nanatanteraka fitsidihana nijerena ny asa fanamboarana ny BAKY EGNIVEZO ato anatin' ny Distrikan' i Farafangana ny Lehiben' ny Faritra Atsimo Atsinanana Mpisolo toerana, Ramatoa RANDRIANASOLO VOLATIANA PAULINE sy ny mpiara- miasa aminy dia ny SG, DIRCAB, DDE , ary ny mpiara- miombon' antoka, dia ny mpandrindra iraisam- paritry ny DEFIS.
Ity Baky ity dia tafiditra ao anatin' ny fiaraha- miasan' ny fandaharanasa DEFIS, izay vatsian' ny FIDA vola, fiaraha- miasa miaraka amin' ny OIT.
Ilaina ny fahavitany mba hanafahana ny fahasahiranan' ny mponina izay mandalo amin' iny toerana iny satria dia ho afaka hitondra vesatra lehibe kokoa izy io, ka hahatondra hatramin' ny 20 taonina. Misy kaominina maro no mila azy ity ka mila maika ny fahavitany no tsara. Ilaina ihany koa izy io mba hahafahan' ny fitaovana lehibe hiampita izay hanamboarana iny lalan' i Ambalatany iny, ary hipaka hatrany Karianga. Efa vonona daholo moa ny fitaovana madinidinika izay ilaina hanamboarana izany lalana izany, toy ny Borety izay miisa 160 , angady 380, baraminy, lapely sy lapiky sns. ..

Tonga nanatrika ny mpitondra aty antoerana, ka nanafatrafatra ny Lehiben' ny Faritra Atsimo Atsinanana ny mba hanajana sy hikolokoloana ny fananana iombonana mba hampaharitra sy hampahateza azy, ka araky ny hita ankehitriny dia misy lakana miisa 4 io Baky hapetraka io. Raha ny asa fanamboarana efa vita kosa dia efa mahatratra ny 90% no vita.

FANAMBOARANA STATION DE POMPAGE                Nanatanteraka fitsidihana nijery ny fivoaran' ny fanamboarana ny " Statio...
12/06/2026

FANAMBOARANA STATION DE POMPAGE

Nanatanteraka fitsidihana nijery ny fivoaran' ny fanamboarana ny " Station de pompage " ny Lehiben' ny Faritra Atsimo Atsinanana Mpisolo toerana Ramatoa RANDRIANASOLO VOLATIANA PAULINE sy ny mpiara- miasa aminy dia ny SG, DIRCAB ary ny DDE ny Alakamisy 11 Jona 2026, niaraka tamin' ny mpiara- miombon' antoka Iraisam- paritry ny DEFIS, tao RANOLAVA kaominina ambanivohitr' I VOHILAVA MANAPATRA, Distrikan' i Farafangana. Ity foto- drafitr' asa ity dia natao hanondrahana rano ny tanimbary mahatratra 400 ha sy tokantrano tsy latsaky ny 2000 ao amin' ny kaominina Vohilava sy Anosivelo ary Anosy Tsararafa izay hisitraka izany. Tafiditra ao anatin' ny vinan' ny Fitondram- panjakanan' ny Fanavaozan' ny Repoblikan' i Madagasikara izy io, vokany dia ny hampitombo ny velarantany azo volena vokatry ny fiovaovan' ny toetrandro, ary hitombo ihany koa ny vokatra azo. Mandeha amin' ny herin' ny masoandro izy ity ka hisy " Panneau solaire " miisa 256 amin' ny 500W hampandehanana azy.

Araky ny voalazan' ny teknisianina dia 2 volana eo ho eo sisa dia ho vita ity foto- drafitr' asa lehibe ity, tanjona ny hahafahan' ny tantsaha mamboly vary in- 2 na in- 3 ao anatin' ny taona 1, hanatsaran' izy ireo ny fidiram- bolany sy ny fanjarian- tsakafo ho azon' ireo mpisitraka.

🎉 FAMETRAHANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY 🎉Manasa antsika rehetra hanatrika ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an-dRamatoa...
04/06/2026

🎉 FAMETRAHANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY 🎉
Manasa antsika rehetra hanatrika ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an-dRamatoa RANDRIANASOLO Volatiana Pauline, Lehiben’ny Faritra Atsimo Atsinanana.

📅 Alahady 07 Jona 2026 hoavy izao.
📍 Stade Municipal Farafangana
🕙 Amin’ny 10 ora maraina
Hanentana sy hanafana ny lanonana ireto artista malaza:

SAKATE BOY
ARNAAH
ROJOVOLA
MARISSA
BAKIDY ZEZETY
MAROLAHY
JEDIDIA
LAURAND
FLORIDA BELLA
TINAH FREDINE
SHEQUEL ROSSI

✹ Tongava maro hiara-hankalaza ity fotoana lehibe ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana ity.

✅ TSY MISY VIDIM-PIDIRANA

🎉 KILALAO ATO AMIN’NY PEJY "ZANAKA ATSIMO ATSIGNANA" đŸŽ‰đŸ„‡ Loka Voalohany : 20 000 ArđŸ„ˆ Loka Faharoa : 10 000 ArđŸ„‰ Loka Fahat...
31/05/2026

🎉 KILALAO ATO AMIN’NY PEJY "ZANAKA ATSIMO ATSIGNANA" 🎉

đŸ„‡ Loka Voalohany : 20 000 Ar
đŸ„ˆ Loka Faharoa : 10 000 Ar
đŸ„‰ Loka Fahatelo : 5 000 Ar

📌 Fitsipiky ny kilalao :

1. Publieo ny sarinao manao fitafy Sud Est.
2. Asio soratra lehibe eo amin’ilay sary hoe : "Mirehareha fa Sud Est".
3. Mentionneo ity pejy ity.
4. Rehefa vita ny publication dia hozarainay ato amin’ny pejy ilay publication-nao.
5. Ny publication zarainay ato amin’ny pejy no hotsaraina araka ny isan’ny commentaires, rĂ©actions, partages, sns.

📾 Rehefa vita izany dia alaivo capture d’écran ary apetraho ato amin’ny commentaires. Izay mahafeno ireo fepetra rehetra ireo ihany no horaisina ho mpifaninana.

📊 Fitsarana :

đŸ„‡ Voalohany : Isan’ny commentaires sans rĂ©ponse (4 points)

- Commentaire iray avy amin’ny compte iray no isaina.
- Ny rĂ©ponses amin’ny commentaires dia tsy tafiditra ao anatin’ny kajy.

đŸ„ˆ Faharoa : Isan’ny partages (3 points)

đŸ„‰ Fahatelo : Isan’ny rĂ©actions (2 points)

📅 Manomboka anio ny fandefasana sary ao amin’ny commentaires sy ny fanaovana publication.
⏳ Alakamisy no daty farany ahafahana mandray anjara.

Publiéo aloha ny sary any aminao vao manao commentaires dia avy hatrany dia miditra amin'ny mûr-nao izahay manao partage ny sarinao .

⚠ Fanamarihana (NB) :
Tsy azo atao ny mampiasa Auto Like na fomba rehetra hanodikodinana ny valim-pifaninanana. Hitanay tsara izany, ary hainay tsara koa na "J’aime" faux, na "J’adore" faux, na karazana rĂ©actions Faux hafa ampiasaina. Koa manentana antsika rehetra izahay mba hitandro ny fahamarinana sy ny mangarahara amin'ny lalao.

Sponsorisés par Farombo
Zanaka Atsimo Atsignana

Nahafinaritra ny lundi Pentecîte androany ho an'ireo mpikambana ao amin'ny association   , teny amin’ny plage Farafa Bea...
25/05/2026

Nahafinaritra ny lundi Pentecîte androany ho an'ireo mpikambana ao amin'ny association , teny amin’ny plage Farafa Beach, izay nankalazan’ny Association FAROMBO ny pique-nique Lundi de Pentecîte 2026.
Noravahana kilalao sy fifampiresahana ary fitsidihana ny toerana Farafa Beach ny fotoana.
Tonga nanome voninahitra izany ny mpikambana rehetra ao amin’ny birao sy ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Farafangana, amin’ny maha mpanolotsaina ny Fikambanana FAROMBO azy.

Farombo

đŸ–šïž  FAMPANDROSOANA  KAOMININA AMBONIVOHITRA NY VANGAINDRANO.♊ Imprimante iray lehibe sy imprimante iray kelikely no nat...
13/05/2026

đŸ–šïž FAMPANDROSOANA KAOMININA AMBONIVOHITRA NY VANGAINDRANO.

♊ Imprimante iray lehibe sy imprimante iray kelikely no natolotra ny kaominana Ambonivohitra Vangaindrano ny androany Alatsinainy 11 Mai 2026 tao kaominina .Fitaovana raitra, izay avy amin’ny Solombavam-bahoaka MAHAVITARA Sylvestre vokatriny fiaraha miasa avy amin'ny tsara sitrapo.

👉 Fitaovana entina hanafanganina sy analana ny fahasahiranany kaominina Ambonivohitra amin'ny fanantanterahana ny asa firaketana ( fanamboarana kopia sns ...) . Nankasitraka ny fanohanana an'izao fampitaovana avy amin'ny solombavam-bahoaka MAHAVITARA sylvestre izao ny kaominina ambonivohitra vangaindrano izay tarihiny ben'ny tanàna Ramatoa RAVELONARIVO Laurencia sady nanentana ny mpiasan'ny kaominina amin'ny ezaka mba ho fampandrosoana ity renivohitra ny distrikan'i vangaindrano ity ary ny mba hikojakojana ny fitaovana mba haharitra indrindra indrindra ny fiara-mihentana ao anatin'ny fananjana ny asa mba hahazoana vokatra tsara amin'ny fampandrosoana.

♊ Tonga nanolotra an'izany Ramatoa Ben'ny tanĂ na kaominina ambonivohitra vangaindrano sady vadin'ny solombavam-bahoaka MAHAVITARA Sylvestre niaraka tamin'ny mpanolotsaina tekinika ny solombavam-bahoaka.Nantrehany lefitry voalohany kaominina Ambonivohitra Vangaindrano.

Address

Vangaindrano
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zanaka Atsimo Atsignana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share