14/07/2025
🔌 [FANAMBARANA – ANTSO HO AN’NY DAHOLBE]
📍 Fénérive-Est – 14 Jolay 2025
✊ Avy amin’ny Fikambanana JIRO
Ampy izay, dia ampy.
Efa volana maromaro izao no iainan’ny mponina eto Fénérive-Est ao anatin’ny fahatapahan-jiro tsy an-kijanona. Ohatra amin’izao alatsinainy 14 jolay izao, vao niverina tamin’ny 7 ora maraina ny herinaratra taorian’ny ora maro nisian’ny fahatapahana, dia tapaka indray tsy ela taorian’izay. Tsy zaka intsony ny zava-misy.
➡️ Tapaka isan’ora, na isaky ny roa ora.
➡️ Tsy misy fanazavana mazava avy amin’ny JIRAMA.
➡️ Tsy misy fandaharam-potoana mazava, tsy misy mangarahara.
➡️ Asa an-jatony no mihitsoka tanteraka : mpandrafitra, mpanjaitra, mpanao soudure, mpanamboatra kodiarana, ireo asa tanana isan-karazany ka ilàna milina, cybercafé, fivarotana madinika, sekoly, sampandraharaham-panjakana, sns.
⚠️ Tsy zaka intsony izao toe-draharaha izao. Manimba ny hasin’ny mponina, mandrava ny toekarena an-toerana, manakorontana ny asa fototra ary manimba ny toe-tsain’ny tanàna iray manontolo.
👉 Izahay, avy amin’ny Fikambanana JIRO, dia manao antso avo amin’ireto manaraka ireto : 🔹 Ho an’ny Fitantanana Foiben’ny JIRAMA : mba mamoaha fanazavana, mandraisa andraikitra mazava.
🔹 Ho an’ny tompon’andraikitra eto an-toerana sy nasionaly : raiso ny andraikitra tokony ho anareo. Tokony hatao laharam-pahamehana ny olan’ny herinaratra eto Fénérive-Est.
🔹 Ho an’ny olom-pirenena rehetra voakasika : aoka isika hifandray, ho mailo, ary ho vonona haneho firaisan-kina
📣 Tonga ny fotoana handrenesan’ny mpitondra ny antso mangina avy amin’ny vahoaka izay voahitsakitsaka ny zony fototra : ny zo hahazo herinaratra.
🕯️ Jiro ho an’ny rehetra.
✍️ Fikambanana JIRO – Faritra Analanjirofo