31/08/2026
🌳𝗔𝗴𝗿𝗼𝗳𝗼𝗿𝗲𝘀𝘁𝗲𝗿𝗶𝗲 𝗱𝘆𝗻𝗮𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲: 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝘇𝗼 𝘁𝘀𝗮𝗽𝗮𝗶𝗻-𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮
🌱Hita ao Oronjia, faritra arovana any amin’ny Faritra Avaratr’i Madagasikara, fa azo atao tsara ny mampitombo ny vokatra ara-pambolena sady miaro ny harena voajanahary sy ny zava-manan’aina. Amin’ny alalan’ny fampiarahana ireo hazo zana-tany eny an-toerana sy karazan-javamaniry ho an’ny famokarana, dia manampy ny tantsaha hanatsara fomba famokarany, hampitombo ny fidiram-bolany ary hanamafy ny faharetan’ny famboleny manoloana ny fiovan’ny toetr’andro sy ireo fanamby ara-tontolo iainana ity stratejia ity.
🫱Manaporofo ny fahombiazan’ity teknikam-pambolena ity ireo vokatra azo teny an-kianja. Amin’izao fotoana izao, mpiara-miombon’antoka miisa 13 amin’ny faritra 14 manerana ny Nosy no efa nampiditra ny « agroforesterie dynamique » ao anatin’ny fandaharan’asany, izay manamafy ny fahafahan’ity teknikam-pambolena ity mampifandanja ny fampandrosoana eny ifotony sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
🔥Manoloana ireo traikefa efa nahitam-bokatra, napetrak’i Tsimoka ho isan’ny laharam-pahamehana ao anatin’ny drafitra stratejika 2024-2030 ny fanapariahana ny fampiharana ny agroforesterie dynamique manerana an’i Madagasikara. Ny tanjona dia ny hahafahan’ny tantsaha maro kokoa misitraka modely fambolena mahomby, maharitra ary manaja ny tontolo iainana.
🤝Mba hanafainganana ny fanaparitahana ity teknikam-pambolena ity dia manokatra sehatra fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana, tetikasa ary mpisehatra eny ifotony ihany koa ny Tsimoka, izay mitovy vina aminy ka maniry hampiroborobo ny fambolena maharitra sy handray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara.
‘Ndao hiara-hientana ho antoky ny fampandrosoana maharitra ho an’ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra sy ny tontolo voajanahary eto Madagasikara.
✨𝐋’𝐚𝐠𝐫𝐨𝐟𝐨𝐫𝐞𝐬𝐭𝐞𝐫𝐢𝐞 𝐝𝐲𝐧𝐚𝐦𝐢𝐪𝐮𝐞 : 𝐝𝐞𝐬 𝐫é𝐬𝐮𝐥𝐭𝐚𝐭𝐬 𝐜𝐨𝐧𝐜𝐫𝐞𝐭𝐬 𝐚𝐮 𝐬𝐞𝐫𝐯𝐢𝐜𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐩𝐫𝐨𝐝𝐮𝐜𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐛𝐢𝐨𝐝𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭é
🌱À Oronjia, dans le nord de Madagascar, l’agroforesterie dynamique a démontré qu’il est possible d’améliorer durablement la production agricole tout en préservant la biodiversité. En intégrant des arbres indigènes et des espèces utiles au sein des parcelles agricoles, cette approche permet aux producteurs d’adopter des pratiques plus durables, d’améliorer leurs revenus et de renforcer la résilience de leurs exploitations face aux défis environnementaux.
🫱Les résultats obtenus sur le terrain témoignent de l’efficacité de cette méthode. Aujourd’hui, l’expérience développée par Tsimoka à Oronjia inspire d’autres territoires à travers le pays. Déjà, 13 partenaires intervenant dans 14 régions de Madagascar ont adopté l’agroforesterie dynamique, confirmant le potentiel de cette approche pour concilier développement local et conservation de la biodiversité.
🔥Face à ces résultats encourageants, Tsimoka s’est fixé l’objectif d’étendre cette approche à l’échelle nationale dans le cadre de sa stratégie 2024-2030. L’objectif est de permettre à un plus grand nombre de producteurs de bénéficier d’un modèle agricole performant, résilient et respectueux de l’environnement.
🤝Afin d’accélérer la diffusion de cette approche, Tsimoka ouvre également des opportunités de partenariat aux organisations, programmes et acteurs locaux souhaitant promouvoir une agriculture durable tout en contribuant à la préservation de la biodiversité à Madagascar.
𝐄𝐧𝐬𝐞𝐦𝐛𝐥𝐞, 𝐟𝐚𝐢𝐬𝐨𝐧𝐬 𝐝𝐞 𝐥’𝐚𝐠𝐫𝐨𝐟𝐨𝐫𝐞𝐬𝐭𝐞𝐫𝐢𝐞 𝐝𝐲𝐧𝐚𝐦𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐮𝐧 𝐥𝐞𝐯𝐢𝐞𝐫 𝐝𝐞 𝐝é𝐯𝐞𝐥𝐨𝐩𝐩𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐝𝐮𝐫𝐚𝐛𝐥𝐞 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐞𝐬 𝐜𝐨𝐦𝐦𝐮𝐧𝐚𝐮𝐭é𝐬 𝐫𝐮𝐫𝐚𝐥𝐞𝐬 𝐞𝐭 𝐥𝐞𝐬 é𝐜𝐨𝐬𝐲𝐬𝐭è𝐦𝐞𝐬 𝐝𝐞 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫.