01/10/2026
𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐑𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐒𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐍𝐘 𝟏𝟒 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀, "𝐅𝐄𝐓𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀"
𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏'𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐
[𝑭𝒂𝒉𝒂- 1 oktobra 2026]
"Fahafahana: Fanavaozana ho amin'ny tena fahaleovantena sy fandrosoana": io no teny faneva anompanana ny hetsika rehetra ho fanamarihana ny 14 oktobra, izay hotanterahina any amin'ny faritra Sofia ny 13 sy 14 oktobra ho avy izao. Nampahafantatra ny mahakasika izany tamin'ny mpanao gazety ny Komity nasionaly mpikarakara, teto Mahazoarivo, androany maraina.
Ny fampifandraisana ny vanim-potoana roa samy manana ny tantarany (14 oktobra 1958 sy 14 oktobra 2025), no fototry ny hevitra ijoroan'ny " Fetin'ny Fahafahana". Ny voalohany, nijoroan'ny Repoblika Malagasy. Ny faharoa, nisokafan'ny dingana vaovao teo amin'ny fiainam- pirenena ao anatin'ny Fanavaozana. Tanjon'ny fanamarihana amin'ity taona ity, ny hampifandray ny fahatsiarovana ny lasa, ny fanavaozana ny ankehitriny ary ny fanorenana ny ho avin'ny firenena.
Ny Faritra Sofia no hanombohana ny fanamarihana ny 14 oktobra ho "Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana". Ireo toerana nanasongadina ny tantaran'ny Filoha Philibert Tsiranana, Filohan'ny Repoblika voalohany, no handray ireo hetsika lehibe: Antsohihy, Anahidrano ary Anjiamangirana.
Anisan'ny fandaharam-potoana, ny fitokanana efitranon-tsekoly, fitokanana Mozea, ny hetsika sy fampirantiana ara-kolontsaina, ny fitsidihana ny trano fonenan'ny Filoha Philibert Tsiranana. Ary hofaranana amin'ny matso lehibe eo amin'ny Seranam-piaramanidina ao Antsohihy.
Ny fankalazana ny 14 oktobra, dia fotoana iombonan'ny Malagasy, hahatsiarovana ny làlana nodiavin'ny firenena, hankasitrahana ireo taranaka nifandimby izay nandray anjara tamin'ny fikatsahana fahafahana sy ny fiandrianam- pirenena. Handraisana andraikitra koa amin'ny fanorenana ny ho avy.