07/08/2026
🇹🇿 Sivy andro tany Tanzania, ary ny vehivavy no nitarika ny fitsidihana.
Ny 16 ka hatramin'ny 24 jolay 2026, nisy delegasiona avy amin'ny tetikasa ReSea niainga avy any Nosy Be nankany Pemba sy Tanga. Mouhtar Said, Tompon'andraikitra amin'ny Fandaminana sy Fampandrosoana ny Fiaraha-monina ho an'ny SOFIA sy DIANA ato amin'ny Bôndy, no solon-tena nanatrika tany.
🐚 Tany Pemba, andro roa niaraka tamin'ny vondrona izay mivelona amin'ny ranomasina. Fambolena zava-maniry an-dranomasina, fiompiana zanga (concombre de mer), fanatavezana foza, fiompiana tantely ao anaty honko. Kaoperativan'ny vehivavy no mitantana ny ankamaroan'izany. Ary indrindra, misy vola azon'izy ireo : kitapom-bolam-pokonolona sy tahiry hafa izay ny fokonolona mihitsy no mitantana azy.
🌿 Tany Tanga, tao Mkinga sy Pangani, hita mivantana ny famerenana ny tontolo iainana. Teknika famerenana honko mitovy endrika amin'ny taolan-trondro, ahi-dranomasina naverina, harandranomasina namboarina. Eo anilan'izany, ny fiompiana trondro sy tantely no mamelona ny fianakaviana mandra-pitomboan'ny ala.
🔄 Ny zava-dehibe indrindra : fifanakalozana roa tonta. Nampiseho ny faritra an-dranomasina tantanan'ny fokonolona sy ny tambajotra MIHARI eto amintsika ny delegasiona malagasy.
Firenena roa, morontsiraka iray karazana, olana mitovy. Ary ankehitriny, misy fifandraisana mivantana eo amin'ny vondrona tanzaniana sy malagasy.
👇 Fanazavana feno momban’ny tetikasa fiarovana ny Ala Honko ao amin’ny commentaire voalohany.
___________________________
🇹🇿 Neuf jours en Tanzanie, et ce sont les femmes qui menaient la visite.
Du 16 au 24 juillet 2026, une délégation du projet ReSea est partie de Nosy Be pour Pemba puis Tanga. Mouhtar Said, notre Chargé de Structuration et Développement Communautaire pour SOFIA et DIANA chez Bôndy, était du voyage.
🐚 À Pemba, deux jours passés avec des groupes qui vivent de la mer sans l'épuiser. Culture d'algues, élevage de concombres de mer, engraissement de crabes, apiculture dans la mangrove restaurée. Beaucoup de ces activités sont portées par des coopératives de femmes. Et surtout, elles ont accès à l'argent : caisses villageoises, fonds communautaires, des financements que les communautés gèrent elles-mêmes.
🌿 À Tanga, à Mkinga et Pangani, on a vu la restauration en vrai. Une technique de replantation de mangrove en arête de poisson, des herbiers marins remis en état, des récifs coralliens réparés. Et à côté, la pisciculture et l'apiculture qui font vivre les familles pendant que la forêt repousse.
🔄 Le plus important : l'échange est allé dans les deux sens. La délégation malgache a présenté nos aires marines gérées localement et le réseau MIHARI.
Deux pays, une même côte, les mêmes défis. Et maintenant des liens directs entre nos communautés.
👇 Découvrez tout sur notre projet de restauration des mangrove dans le premier commentaire